Alahelo no nasetrin’ny fikambanana “Asa fa tsy kabary” ny valin-tenin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fangatahany. Nangataka ny hanao hetsika tao amin’ny efitrano fampirantiana sy ny “parvis” ny lapan’ny Tanàna ity fikambanana ity. Hetsika natao indrindra hanaovana famelabelaran-kevitra sy hifanakalozan-kevitra momba ny lafiny ara-toekarena sy ny fifanomezan-tanana izany. Ny 2 hatramin’ny 4 oktobra no nokasaina hotontosaina ity hetsika. Heverin’ny mpikambana fa hanampy be amin’ny fampandrosoana ny firenena ity hetsika ity, saingy izao voasakana izao.
“Tsy ilay fandavana no mahavariana fa ny anton’ilay fandavana milaza fa tsy manaraka ny fepetra amin’ny fampiasana ny toerana izany”, hoy ny filohan’ny fikambanana Tianasoa Voavison Philibert. Manontany tena ity filohan’ny fikambanana ity hoe “hatramin’ny oviana no tsy azo hanaovana fampirantiana ny manoloana ny lapan’ny Tanàna ary oviana no tsy mahazo hanaovana famelabelaran-kevitra ny efitrano anatin’ny lapa ?”
Heverina fa hijery ny fomba haingana hamahana ny olana ny tompon’andraikitry ny kaominina ka mba ho ny Malagasy rehetra no ahazo fahafaham-po hampiasa izany lapan’ny Tanàna izay voatsangana tamin’ny hatsembohan’ ny Malagasy izany.
Haja R.