Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70637

Ambatondrazaka  : tovolahy maty voatsatoka antsy

$
0
0
AMBATONDRAZAKA

Tovolahy iray 23 taona no maty nisy nanatsatoka antsy nandritra ny fijerena fampisehoana an-kalamanjana ny 20 jiona lasa teo tao amin’ny toerana fanaovam-baolina iray ao Ambatondrazaka. Ankehitriny anefa dia manahy mafy ireo havany fa misy mitady hanarontsarona ny raharaha na dia teo aza ireo fifampiresahana sy ny fifanatonana nataon’izy ireo teo anivon’ny mpanao famotorana. Raha ny marina mantsy dia votsotra ireo olona nahiana ho namono kanefa tokony ho niakatra Fampanoavana ny 25 jiona lasa teo. Tsy vitan’izay fa notoroana hevitra handefa taratasy any amin’ny tomponandraikitra ambony mihitsy ny havan’ny maty mba hanohizana sy hanafainganana ny fanaovana ny famotorana saingy nandamoka avokoa ireo. Ny tena mampanahy be ireo akaiky an’ity tovolahy maty novonoina ity aza dia mirehareha fatratra ny eo anivon’ ny fianakavian’ireo namono fa tsy misy tsy vitan’ny vola ary dia mbola nanohy nandrahona ny fianakavian’ny maty hatrany izy ireo, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Raha hiverenana fohy kosa ny fiandohan’ny zava-nitranga dia norobain’ny dahalo indroa miantaona ny omby miisa 37 an’ ny fianakavian’ny maty ny volana martsa lasa teo. Tsy nanaiky mora anefa ny tompon’ny omby very izay misy ity tovolahy ity fa namory fokonolona ary dia nanao ny fanarahan-dia ireo malaso nandroaka ny omby. Nony nifankatratra ny mpanara-dia sy ny mpangalatra dia namoaka vava ireto farany fa tsy maintsy misy ho fatin’izy ireo ny anankiray amin’ireo tompon’omby. Ary dia tena notanterahin’izy ireo tokoa izany ny andron’ny 20 jiona lasa iny ka namoizan’ity tovolahy vao herotrerony ity ny ny ainy.

Tiavina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70637