
Trosa ! Raha tsara tantana ny trosa, ireny lazaina fa famatsiam-bola avy any ivelany ireny, misy vokany any amin’ny fiainam-bahoaka. Saingy izay marina ve ny zava-misy eto ? Nanomboka tamin’ny Repoblika voalohany, efa nitrosa vola tany ivelany i Madagasikara. Saika niompana tamin’ny tetikasa sosialy sy fotodrafitrasa ny vola nindramina tamin’izany, nanaovana ireny tranon’ny mpiasam-panjakana sy lalam-pirenena ireny. Niova ny fifandraisan’i Madagasikara tany ivelany nanomboka ny taona 1973, Ratsiraka Didier no minisitry ny Raharaham-bahiny. Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana izy ny taona 1975, nitrosa tamin’ireo firenena sosialista tatsinanana ny fanjakana malagasy. Natao ny investissements à outrance, tsy hita ny tena vokatr’izany. Nanomboka teo, nihitsoka ny firenena malagasy.
Tonga ny taona 80, niverina nitodi-doha tamin’ireo mpampindram-bola mahazatra tandrefana ny fitondram-panjakana, izay mbola Ratsiraka Didier no filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany. Nampiharina ny hoe fanitsiana ara-drafitra na ny ajustement structurel. Vao mainka niavosa ny trosa ary nihanilentika tanaty fahantrana ny vahoaka malagasy. Teo anelanelan’ny taona 80-90, nitohy ny fifampiraharahana tamin’ireo mpampindram-bola tandrefana, Club de Paris sy Club de Londres, saingy tsy nahavaha olana izany.
Nikaroka vahaolana hafa ny mpitondra, notarihin’ny filoha Ratsiraka Didier ihany, ka nitady famatsiam-bola hafa, nanao izany financements parallèles izany. Taorian’izay, tapaka ny fifandraisana tamin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny FMI. Ny taona 2001 sy 2004, nankatoavin’ireo mpampindram-bola ireo ihany ny fanafoanana ny trosan’i Madagasikara, nitentina 2.370 tapitrisa dolara. Ankoatra izany, ny fanalefahana ny trosa sasany.
Mahantra sy be trosa indrindra
Talohan’ny taona 2009, nahazo famatsiam-bola ihany ny fanjakana malagasy, afaka nitrosa ary amin’izao fotoana izao, hanaovana resabe indray ny fahazoana famatsiam-bola na trosa avy any ivelany. Marihina fa ny fiandohan’ny taona 2000, voasokajy ho anisan’ny firenena mahantra sy be trosa indrindra i Madagasikara na Pays pauvres très endettés (PPTE). Ny volana marsa 2014, misy firenena 36 ao anatin’izany PPTE izany, 30 amin’ireo, aty Afrika, ka mbola anisan’izany i Madagasikara. Nankaiza izany ny volabe notrosaina hatramin’izay no anisan’ny firenena mahantra indrindra i Madagasikara hatramin’izao ?
R.Mathieu
Loharanom-baovao : Tahiry , lah-48
Cet article Famatsiam-bola avy any ivelany : nitrosa nanomboka tamin’ny Repoblika voalohany isika… est apparu en premier sur NewsMada.