Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Fanamarihan’ny Tahirimbolam-panjakana : isaky ny ariary mivoaka, tokony ho hitan’ny vahoaka

$
0
0
DGT Vola 10 feb

 Mandeha araka ny tokony ho izy ve ny fitantanam-bolam-panjakana ? Singa vitsivitsy ihany efa mahavaly izany, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana, Robimanana Orlando. Nasongadin’ny talen’ny Tahirimbolam-panjakana ny fandaniana volam-panjakana tsy mazava.

 Betsaka ny ahitana faktiora sandoka sy sorabola ampitomboina amin’ny endriny samihafa momba ny fandaniam-bolam-panjakana. Tsy ampy na tsy misy mihitsy ny mangarahara mikasika ny fandaniam-bolam-panjakana. Eo koa ny fanomezana tolotrasa avy amin’ny fanjakana, tsy nanaovana tolobidy mazava. “Marihina anefa fa isaky ny ariary mivoaka amin’ny fanjakana, tokony hahitana vokany izany any amin’ny fiainam-bahoaka”, hoy ny talen’ny Tahirimbolam-panjakana, Robimanana Orlando. Betsaka ny azo tanisaina raha ny fandaniam-bolam-bahoaka tsy misy akony any amin’ny fiainany.

Manampy izany ny fidiran-ketra maivana eto amintsika, eo amin’ny 11 % monja raha misy mahatratra 20 % any amin’ny firenena afrikanina sasany. 90 % -n’ny varotra eto an-toerana ivelan’ny sehatra ara-dalàna avokoa na ny informel. Hatramin’ireo mpamongady sy orinasa madinika, misintaka tsikelikely amin’ny formel, mirona any amin’ny informel. Anisan’ny anton’izany, ohatra, ny fitomboan’ny masonkarena, raha tsy hilaza afa-tsy ny lany amin’ny herinaratra. Tsy mifandanja ny fandaniana sy ny vola miditra, miteraka fatiantoka ho an’ny mpivarotra sy orinasa maro.

Be ihany koa anefa ny mpanararaotra, indrindra ireo mpanafatra entana fampiasa andavanandro avy any ivelany. Efa hatry ny ela ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), velon-taraina amin’ny fanjakana momba izany, saingy tsy hita izay vokany hatramin’izao. Vao mainka mahazo vahana ireo entana avy any ivelany ireo, ary ny loza, efa lany andro ny ankamaroany.

“Mameno ny banga”

Vokatr’ireo rehetra ireo, voatery ny tahirimbolam-panjakana no “mameno ny banga”, miantoka ny fampandehanan-draharaha samihafa. Noho izany, tokony hofaritana tsara izay laharam-pahamehana amin’ny fandaniam-bola atoan’ny fanjakana. Tokony hisy fanaraha-maso hentitra, tsy amin’ny vola mivoaka ihany fa ny miditra ihany koa. Lasa miandry fanampiana avy any ivelany ihany vao manao zavatra. Vola trosain’ny firenena malagasy ny ampahany maro amin’ireny vola ireny.

R.Mathieu

 Loharanom-baovao : Tahiry lah- 48

Cet article Fanamarihan’ny Tahirimbolam-panjakana : isaky ny ariary mivoaka, tokony ho hitan’ny vahoaka est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles