Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Fiahiana ara-tsosialy : tokony ho fantratry ny rehetra

$
0
0
fiahiana

Nanatanteraka atrikasa tany amin’ny faritra Boeny ny Tahirim-bolam-pirenena misahana ny fiahina ara-tsosialy (Cnaps) ny faramparan’ny taona 2014 teo. Tanjona ny hampahafantarana bebe kokoa, ny lafiny fiahina ara-tsosialy, ary indrindra ny hananan’ny olom-pirenena izay toe-tsaina izany.

Fomba maro ny nanehoana izany, fa tanjona ny hahalalan’ny Malagasy rehetra ny fiahiana ara-tsosialy. Nampahafantarina ny mpizaika ny tontolo amin’ny lafiny fiahiana ara-tsosialy rehetra, ary ao anatin’izany ny tena sahanin’ny Cnaps. Ao anatin’izany ny fanampiana ny reny bevohoka, ny solon-takaitra, ny fisotroan-dronono, ny fanampiana ny mpiasa tratry ny loza am-perinasa, sns.

Ampifandanjana amin’ny vidim-piainana

Na izany aza, tsikaritra fa tsy sahaza amin’ny vidim-piainana ankehitriny intsony ny tohana sy ny fanampiana avy any amin’ny Cnaps. Efa natolotra ny governemanta vaovao ny votoaitin’ny Satan’ny fiahiana ara-tasosialy vaovao, mifanaraka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana. Dikany, ny fahavononan’ny fanjakana no andrasana.

Njaka A

Cet article Fiahiana ara-tsosialy : tokony ho fantratry ny rehetra est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles