
Tsy niandry ela ! Nanokana vola 400.000 dolara amerikanina ny Banky iraisam-pirenena (BM), hiantrehana ny vokatry ny rivodoza Chedza. Harotsaka avy hatrany ao amin’ny Tahiry ho an’ny fampandrosoana (Fid) io vola io, hampiasaina amin’ny fomba « asa tanamaro » (Himo). Tinapaka io vonjitaitra io, omaly 9 febroary, satria tsapan’ny BM ny maha maika ny famonjena ireo traboina. Notsorin’ny solotenan’ny BM eto amintsika, Rtoa Coralie Gevers, fa tena mahanaitra ny zava-misy eto an-dRenivohitra satria maro ireo faritra iva tondra-drano, nefa iainan’ny mponina tena marefo .
Manodidina ny 119 ny toerana tratry ny tondra-drano eto Antananarivo ary dimy no ahina hisin’ny valan’aretina.
Toerana 27 no ho voakasika sy hahazo tombontsoa amin’ity Himo ity, hahazoan’olona 4.050 ka vehivavy ny 50%. Mandray karama 3.000 Ar isanandro mandritra ny 20 andro, ao anatin’ny adiny dimy isanandro.
Anisan’ny asa ataon’izy ireo ny fanadiovana ny lakandrano, tsentsina noho ny fako, nefa manafaingana ny tondra-drano. Manampy ny antkon-draharahab amin’ny fitantanana ny lakandrano miady amin’ny tondra-drano eto Antananarivo (Apiipa) ity hetsika ity.
Njaka A.
Cet article Banky iraisam-pirenena : 400.000 dolara hanaovana Himo est apparu en premier sur NewsMada.