Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70600 articles
Browse latest View live

Atsimo : saron’ny zandary ny mpitsikilon-dRevato

$
0
0

 Noraisim-potsiny! Saron’ny zandary sy ny miaramila, ny herinandro lasa teo tany amin’ny faritra atsimo, ilay mpitsikilon’ny dahalo izay naman-dRevato sady tanana an-kavanany raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary.

Voalazan’ny zandary fa isan’ireo nanao vela-pandrika ireo zandary nanao fanarahan-dia ity dahalo ity niaraka tamin’ireo namany. Izy no nitarika ireo zandary tamin’ny toerana nanaovan’ireo dahalo ny vela-pandrika ka nahafaty zandary nandritra ny fifandonana.

Tsikaritry ny zandary fa miisa 300 ireo dahalo efa niandry ny zandary. Raikitra ny fifandonana ka dahalo 27 lavon’ny zandary raha zandary telo kosa namoy ny ainy tao amin’ilay toerana fieren’ireo dahalo.

Mandravarava tanteraka amin’izao fotoana izao ry Revato sy ny namany. Efa manao hazalambo ity lehiben’ny dahalo nandimby an-dRemenabila ity ny zandary amin’izao fotoana izao. Voalaza fa mahasahy mihantsy ny mpitandro filaminana mihitsy ity dahalo ity.

J.C

Cet article Atsimo : saron’ny zandary ny mpitsikilon-dRevato est apparu en premier sur NewsMada.


Fifindra-monina : vita ny fifanaraham-piaraha-miasa

$
0
0

 Nametraka fifanaraham-piaraha-miasa ny sampandraharahan’ny fandrefesan-tany (DST) sy ny tetikasa fifindra-monina an-tanàn-dehibe ao Bevomanga, Ambohitromby Ankazobe mba ho fiarovana ny fananan-tany amin’ny alalan’ny fampanarahan-dalàna. Tontosa soa aman-tsara ny fiaraha-miasa taorian’ny fivoriana maromaro niarahan’ny roa tonta nandritra ny desambra 2014 sy janoary 2015 mikasika ny fanatanterahana ireo asa ho fiarovana ny fananan-tany izay voakasiky ny tetikasa.

Nisy ny fifanaovan-tsonia niaraka teo amin’ny filohan’ny tetikasa fifindra-monina an-tanàn-dehibe, Rafanomezantsoa Jean Nirina sy ny lehiben’ny Sampandraharaham-paritry ny fandrefesan-tany Analamanga, Randriamampandry Cyrille.

Ity fifanarahana ity, mba hametra ireo fiaraha-miasa eo amin’ny tetikasa fifindra-monina sy ny sampandraharahan’ny fandrefesan-tany ao anatin’ny fanatanterahana ny fiarovana ny fananan-tany ao anatin’ny faritra hisian’ny tetikasa fifindra-monina an-tanàn-dehibe”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny tetikasa.

Ny DST no manampy ny fepetra ara-teknika hahazoana miaro ny fananan-tany. Andraikiny ihany koa ny mitondra fanampiana ara-panjakana sy fanamorana ireo fepetra amin’ny fiarovana ny faritra misy ny tetisaka na eo anivon’ny sampandraharaha itsinjaram-pahefana sy eo anivon’ny vahoaka any an-toerana.

J.C

Cet article Fifindra-monina : vita ny fifanaraham-piaraha-miasa est apparu en premier sur NewsMada.

Tselatra

$
0
0

Mampitaraina ny mpanjifa ny hosoka ataon’ireo mpivarotra mananasy efa voavoafy amidy anaty koveta mandehandeha amin’izao. Afangaron’izy ireo loko mavomavo izay ahina ho misy fiantrainkany amin’ny fahasalaman’ny mpanjika izany. Miova loko rahateo ny mananasy tratran’ity loko mavomavo ity.

 Mirongatra ny vaky trano ao Betafo Antsirabe. Mpirahalahy vao 9 taona sy 11 taona mbola mpianatra, saron’ny polisy namaky trano tao an-toerana. Polisy sendra nanao fisafoana tamin’ny alina no nahatratra ireto tontakely roa lahy ireto. Nisy jiolahy hafa ankoatra ireto tontakely roa lahy ireto tratra namaky trano tao Betafo ihany.

Cet article Tselatra est apparu en premier sur NewsMada.

Kidnapping any Toliara : tratra ny fiara nampiasain’ireo jiolahy, mandeha ny hazalambo

$
0
0
kidnapping

Hita, omaly tany amin’ny lalana mihazo ny oniversite Maninday Toliara, ny fiara Citroen nampiasain’ireo jiolahy, nentina nakana an-keriny ilay zazalahy karana, antsoina hoe Houssen Avaraly, 12 taona.

Navelan’ireo olon-dratsy teo amoron-dalana mihazo ny oniversite Maninday ilay fiara, rehefa fantany fa karohin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Voalazan’ny zandary fa hita ihany koa ny toerana misy ireo olon-dratsy sy ilay zaza. Any amin’izany atao hoe Anketa izany izy ireo no misitrika, raha ny fanazavana. Nirotsaka tany an-toerana ny mpitandro filaminana, omaly hariva.

Marihina fa vola 400 tapitrisa Ar no notakin’ireo mpaka an-keriny tamin’ny fianakaviana. Fantatra fa nanaiky ny hanao ny takalo izy ireo, kanefa mbola ao anatin’ny ady varotra ny roa tonta, raha ny vaovao farany. Voalaza fa mbola niantso ny rain’ilay karana nalaina an-keriny ireo jiolahy ny amin’ny vola tokony omena azy ireo ho takalon’ny famotsorana. Hatramin’ny ora nanoratanay, tsy fantatra raha raikitra ihany ny fifanakalozana na tsia. Ny mpitandro filaminana nilaza fa efa eo am-panaovanany paik’ady rehetra amin’ny fisamborana ireo jiolahy izy ireo.

Ireo karana izay mizaka ny zom-pirenena frantsay ka nampandray andraikitra avy hatrany ny masoivoho frantsay. Mety noho izany fandraisana andraikitra izany angamba no nanafaingana ny fahitana ny toerana misy ireo jiolahy sy nitanany ilay tovolahikely. Raha toy izany foana ny fahafainganan’ny fomba fiasan’ny mpitandro filaminana, ho fongotra vetivety ihany ny olon-dratsy. Efa mampiteny ny moana rahateo ny firongatry ny fakana an-keriny, ny asan-jiolahy, sns. Miandry ny vokatry ny asan’ny mpitandro filaminana amin’ity fakana an-keriny ity indray ny rehetra. Iza ireo jiolahy?

Yves S.

Cet article Kidnapping any Toliara : tratra ny fiara nampiasain’ireo jiolahy, mandeha ny hazalambo est apparu en premier sur NewsMada.

Kofmad : tompon’andraikitra koa ny fanjakana ho fisorohana ny loza

$
0
0
Kofmad

 Novorina ireo mpikambana ao aminy kaoperativa fitaterana Kofmad, omaly tao amin’ny Falda Antanimena. Antony, be loatra ny loza eny amin’ny lalam-pirenena, nefa izany Kofmad no tokony ho fitaratra, efa mananika ny faha-60 taonany rahateo. Amin’izao fotoana izao, misy sazy mihantona ho an’ny Kofmad, mety hiafara amin’ny fanakatonana azy, araka ny filazan’ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Andriankotoarijaona Miranarivo. Eo anatrehan’izany, mitaky drafitra mazava amin’ity kaoperativa ity ny minisiteran’ny Fitaterana, hisorohana ny loza mateti-pitranga. Nampahatsiahy ireo tsy mety rehetra fanaon’ny mpamily ny filohan’ny filankevi-pitantanana ary tonga nanamafy izany ny talen’ny fitaterana an-tanety ao amin’ny minisitera, jeneraly Razafindrasata Martin. Anisan’ny voalaza ny torimaso, entana avo loatra, fiara ratsy fikarakarana, sns. Tsy maintsy tandrovina voalohany ny aina ary izay tonga ihany no arahabaina.

Iza no namela ireo tsy manara-dalàna handeha ?

Nandritra ny ora iray mahery, nanome lesona ny talen’ny fitaterana, nampahatsiahy ny lalàna rehetra momba izany fitateram-bahoaka izany. Saingy, hadinon’ny talen’ny fitaterana fa matoa mateti-pitranga ny loza, tsy tompon’andraikitra irery ny mpamily. Manana andraikitra lehibe tandrify azy koa ny fanjakana. Matoa, ohatra, fiara iray hita izao fa tsy manara-dalàna nefa mbola afaka mandeha ihany, namela azy nandeha, iza ? Mbola tsy mivoaka ny tanàna, efa hitan’ny polisy ; eny an-dalana jeren’ny zandary. Ny mampaleho aza, tsingolohina indray ny manara-dalàna.

Mandoa volabe any amin’ny ATT sy ny maro hafa

Mandoa volabe any amin’ny ATT sy any amin’ny sampandraharaha maro hafa ireo kaoperativa rehetra ireo, ho fitsinjovana ny aina, aiza ny zon’ny mpandeha ? Ny lalana potika; tsy tokony hahazo licence mahazo ; kojakojana fiara ampidirina eto, tsy manara-penitra ; gazoala sy solika misy maloto ; hatramin’ny toby fiantsonana maimbo, sns. Koa aoka samy handray andraikitra tandrify azy ny rehetra. Samy hanontany tena koa fa tsy ny mpamily ao amin’ny Kofmad ihany totofana lesona.

R.Mathieu

Cet article Kofmad : tompon’andraikitra koa ny fanjakana ho fisorohana ny loza est apparu en premier sur NewsMada.

Traboina sy ny kere : nanao tolo-tanana ny any Andramasina

$
0
0

Voin-kava-mahatratra. Nihetsika nanao tolo-tanana sy tsipaipaika ho fanohanana sy hanampiana ireo traboina noho ny rivodoza farany teo sy ny kere any atsimo koa ny eo anivon’ny distrikan’Andramasina, omaly.

   Notanterahina tao amin’ny renivohitry ny distrika izany. “Nampihetsi-po ny nahita ny fientanan’ny olona nanefa ny adidiny sy ny fandraisan’anjaran’izy ireo, araka ny eo an-tanany. Nanao izany, hatramin’ny mpianatra ankoatra ireo eo anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra aty an-toerana sy ny olon-tsotra”, hoy ny lehiben’ny distrikan’Andramasina, R. Andriamihaja Jaona.

     Nambarany fa nahatonga solontena nanefa ny adidiny koa ny ankamaroan’ireo kaominina any an-toerana.

Maherin’ny 1.700.000 Ar ny vola voaangona ary hatolotra ny BNGRC., mba hozaraina amin’ireo traboina sy ny tratry ny kere.

     Anisan’ny nitondra ny anjarany koa ny depiote voafidy any amin’iny distrika iny, Razanakoto.

Synèse R.

Cet article Traboina sy ny kere : nanao tolo-tanana ny any Andramasina est apparu en premier sur NewsMada.

Pesta : esorina ny tomponandraikitra tsy mahomby

$
0
0

Voafehy ny aretina pesta ary efa noraisina ny fepetra hentitra isaky ny toerana nahitana tranga. “Nantsoina avokoa ny tomponandraikitra mikasika ny pesta ary nomena toromarika”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanarivo Lalatiana. Esorina amin’ny toerany kosa ireo tsy mandray ny andraikitra tandrify azy. Valanaretina mitranga eto amintsika isan-taona ao anatin’ny fahavaratra ny pesta ary misy ny paikady hiadiana amin’izany.

Mbola nanamafy ny minisitra omaly fa miady amin’ny kolikoly ny minisitera ka mahazo ny sazy sahaza azy ireo mandika lalàna. Ho an’ny tranga miseho any Toliara mikasika ny mpiasan’ny fahasalamana tratra nanao kolikoly, mbola ao anaty fanadihadiana tanteraka ny tomponandraikitra ary miandry ny vokany ny minisitra. Tafiditra amin’izay indrindra ny fanaovana fanambaram-pananana notontosain’ny minisitra, omaly teny amin’ny foiben’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Ambohidahy. Tsy maintsy ny mpitarika no manome ny ohatra amin’ny fitondrana tsara tantana sy ny fanajana ny fanjakana tan-dalàna napetraka ao anatin’ny drafitrasam-pirenena ho an’ny fampandrosoana.

Vonjy

Cet article Pesta : esorina ny tomponandraikitra tsy mahomby est apparu en premier sur NewsMada.

Fikaroham-bahaolana : niala amin’ny fampihavanana i Zafy sy Rajoelina

$
0
0
FFKM

 Niala an-daharana. Naneho hevitra momba ny zotran’ny fampihavanana i Tabera Randriamanantsoa. « Hatramin’ny fivoriana fahatelo teny amin’ny CCI, Ivato, angamba, no niteny ny Pr Zafy Albert hoe atsangano aloha ny CNR”, hoy izy teny Antaninarenina, omaly, manoloana ny mety tsy hirosoan’ny Pr Zafy amin’ny fampihavanana.

   Ny Komitim-pirenena ho amin’ny fampihavanam-pirenena (CNR) no manome fahefana ireo delegasiona handeha amin’ny fakan-kevitra anivon’ny faritra amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena, araka ny fanazavany. ”Ara-panjakana ny olona handeha amin’izany”, hoy ihany izy.

     Nilaza koa ny delegasion-dRajoelina tamin’ny alalan-dRazanamahasoa Chrisitine fa hiala amin’ny dingan’ny fampihavanana. ”Feno fihatsarambelatsihy ny fampihavanana ary eo koa ny tsy fanajana ny lalàmpanorenana”, hoy izy, omaly tetsy Ambodivona.

Nandiso ireo vaovao ireo anefa ny fiangonana. “Tsy mbola misy miala amin’ny dingan’ny fampihavanana fa manohy izany ireo filoha dimy. Samy nanaiky ny handefa solontena avokoa ireo tsy tonga niatrika izany ny talata teo”, hoy ny fanambaran’ny FFKM, omaly. Nohamafisin’izy ireo fa efa nanaiky ny maha dingana lehibe sy lavitra ezaka ny fampihavanana avokoa ny mpandray anjara rehetra.

 Ho avy ireo solontena avy amin’ny faritra

 Miroso hatrany amin’ny dingana manaraka anefa ny fiangonana. “Ho tonga eto Antananarivo, anio, ireo solontena avy any amin’ny faritra ary horaisin’ny FFKM ho fanohizana ny fampihavanana, taorian’ny fahavitan’ny fihaonan’ny filoha dimy. Miditra amin’ny fanomanana ireo fihaonana any amin’ny faritra samihafa isika izao”, hoy ny loharanom-baovao iray, omaly.

   Manoloana izany, samy manantena ny rehetra fa hiantraika amin’ny vahoaka malagasy ny fampihavanam-pirenena, araka ny nambarany ihany. “Na eo aza ny tsy fitovian-kevitra, hita fa mandeha ny fampihavanana raha jerena ety ivelany. Mbola vao niala tamin’ny krizy ny firenena koa tokony ho ny tombontsoan’ny vahoaka no banjinina fa tsy ny antoko sy ny ankolafy na mbola maharitra aza ny firosoana amin’ny fampihavanana”, hoy ihany izy ireo.

     Tsiahivina fa eo amin’ny tetiandro amin’ny fananganana ny komity teknika ho an’ny fampihavanana izao ny dingana amin’izao fotoana izao.

     Hitohy amin’ny fihaonambe any amin’ny faritra 22 izany ary hatao ny 24 hatramin’ny 27 marsa kosa ny fihaonambem-pirenena ho an’ny fampihavanana, eto Antananarivo.

Synèse R.

Cet article Fikaroham-bahaolana : niala amin’ny fampihavanana i Zafy sy Rajoelina est apparu en premier sur NewsMada.


Fantina sy fintina

$
0
0

Noraisin’ny filoham-pirenena, teny Iavoloha omaly, ireo delegasion’ny Vondron’ny parlemantera eo anivon’ny Vondrona eorpeanina (UE). Nambaran’izy ireo fa mahita ny zava-misy eto sy ny fandaharanasan’ny fitondrana ho an’ny fampandrosoana izy ireo.

Nitarika izany ny filohan’ireto parlemantera ireto, Philippe Boulland.

 Handao an’i Madagasikara ny solontenan’ny papa François eto amintsika, ny Nonce apostolika, Eugène Martin Nugent. «  Manohy hatrany ny fanampiana ara-tsosialy an’i Madagasikara, miaraka amin’ny CRS sy ny Caritas ny any Vatakana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanabeazana sy ny fahasalamana », hoy izy raha nanao veloma ny filoha Rajaonarimampianina, omaly teny Iavoloha.

 Nesorina amin’ny toerany ary nosoloina an’Andriamanantsoa Philibert Hervé ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany, teo aloha, Rakotonarivo Thierry. Anisan’ny nivoitra sy nandraisana fanapahana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly izany.

 Miandry ny didim-panjakana mamaritra ny fe-potoana fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidana ho ben’ny Tanàna ny eo anivon’ny Cenit amin’izao fotoana izao. Andrasan’izy ireo maika koa ny momba ny famaritana ny vola fandraisana anjaran’ireo ho kandidà hiatrika izany fifidianana izany. Antony, mba hahafahana manaraka ny tetiandro fanomanana ny fifidianana.

Cet article Fantina sy fintina est apparu en premier sur NewsMada.

Satan’Antananarivo Renivohitra : mitady marimaritra ny mpiasan’ny CUA sy ny Atitany

$
0
0

 Hatsangana ny vaomiera handinika ny fanatanterahana ny sata manokana mifehy ny kaomanina Antananarivo Renivohitra (CUA). Anisan’ny tapaka io tamin’ny diniky ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Mahafaly Solonandrasana Olivier, niaraka tamin’ny sendikàn’ny mpiasan’ny CUA teny amin’ny minisiteran’ny Atitany, Anosy, afakomaly.

Hahazoana manohy ny dinika ny vaomiera iombonana, mba tsy hahatompon-trano mihono ny mpiasan’ny kaominina. Izy ireo no iharan’ny lalàna, hiara-kitady vahaolana amin’ny fametrahana ny rafitra, ary hanara-maso amin’izay mety ho indro kely amin’ny fametrahana izany rafitra vaovao izany.

Tsy famerenana ny safidin’ny Antenimierampirenena amin’ny lalàna efa lany no atao, fa fitadiavana ny marimaritra iraisana. Izany dia mba hahafaha-mitady ny tombontsoan’ny rehetra, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Atitany. Eo koa ny fanomanana amim-pitoniana ny fifidianana kaominaly. Tsy fitokonana no lalana, fa fitadiavana vahaolana iraisana.

 Tsy hisy ny fandroahana mpiasa

 Nitondra fanazavana amin’ireo ahiahin’ny mpiasan’ny kaominina ny teknisianin’ny minisitera tamin’ny fihaonana, afakomaly, io. Resy lahatra ny rehetra fa fikatsahana ny tombontsoa ho an’Antananarivo amin’ny maha renivohitr’i Madagasikara no atao. Eo koa ny amin’ny andraikitra sy ny tombontsoan’ny mpiasa tsirairay.

Tsy hisy ny fandroahana mpiasa, fa ho mpiasam-panjaka eo anivon’ny Vondromparitra itsinjaram-pahefana avokoa izy ireo. Nanome toky ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany fa anisan’ny mpandray anjara amin’ny fametrahana io rafitra vaovao io ireo mpiasan’ny kaominina.

Tsy fanapotehana na fampizarazarana izany, fa fametrahana rafitra hisian’ny fampandrosoana haingana kokoa eto Antananarivo: ara-tsosialy, toekarena… Dingana lehibe amin’ny fampandrosoana sy fampanjakana ny demokrasia ary fanajana ny sata manokana Antananarivo amin’ny maha Renivohitr’i Madagasikara azy izao.

R.Nd.

Cet article Satan’Antananarivo Renivohitra : mitady marimaritra ny mpiasan’ny CUA sy ny Atitany est apparu en premier sur NewsMada.

Firazarazana an’Antananarivo : nanome 72 ora ny mpitondra ny mpiasan’ny kaomina

$
0
0
Kaominina

 Niitatra toy ny sima misika. Hihenjana ireo mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) manoloana ny fizarazarana ho enina ny kaominina. Nifamory tetsy Mahamasina izy ireo, omaly, ary nandray fanapahan-kevitra.

 « Tsy mbola tonga any amin’ny fitokonana izahay nefa kosa manome fe-potoana 72 ora, izany hoe, hatramin’ny alatsinainy ho avy izao ny fitondrana mba tsy hizarazarana an’Antananarivo ka hiverenany amin’ny fanapahan-kevitra. Tapitra io fe-potoana io, hiverina hifamory eto izahay ny talata ka handray ny fepetra rehetra ary vonona handeha hatramin’ny farany », hoy ny anisan’ny mpitarika ny mpiasan’ny CUA, Rakotomaharo Tsinjo, tamin’ny mpanao gazety.

   Toherin’izy ireo tanteraka ny fizarazarana an’Antananarivo. « Tokony hanazava antsipiriany amin’ny vahoaka momba io lalàna io sy ny tombontsoa ho zo ny mpitondra, ny depiote.. », hoy ihany izy.

       Na izany aza, tsy mbola namaritra ny mety ho tohin’ny hetsika hataony izy ireo raha miziriziry ny mpitondra.

     Nahafeno ny « tribune » telo ao Mahamasina izy ireo ary nmbaran’ny sasany amin’izy ireo fa sambany hatramin’ny taona 2002 no nahitana hetsika lehibe tahaka izao teo amin’ny mpiasan’ny CUA. « Mbola mandeha avokoa ny raharaham-pitantanana rehetra aloha  satria mpiasam-bahoaka izahay. Ho hita eo amin’ny talata», hoy ihany izy ireo.

 Vitsy ireo depiote nandany io lalàna io

 Tsiahivina fa efa nametraka fitoriana ao amin’ny HCC etsy Ambohidahy ny solontenan’izy ireo, afakomaly, nitaky ny hampiatoana io sata manokana mampizarazara an’Antananarivo io. « Tsy mampandroso an’Antananarivo io fitsinjarana azy io. Vitsy rahateo ireo depiote nandany izany lalàna izany », hoy izy ireo.

     Nohamafisin’izy ireo fa zon’ny olom-pirenena ny manatanteraka io fangatahana io eny Ambohidahy.

Ho tonga hatraiza ity raharaha ity ?

Synèse R.

Cet article Firazarazana an’Antananarivo : nanome 72 ora ny mpitondra ny mpiasan’ny kaomina est apparu en premier sur NewsMada.

Haody : iza no fahavalo?

$
0
0

Hitondra fanentanana lehibe amin’ny tokony hibanjinana ny fampandrosoana ny firenena sy ny famerenana ny fihavanana malagasy ny fanamarihana ny taom-baovao malagasy, ny 21 marsa izao. “Tsy manam-pahavalo afa-tsy ny mosary aho”, hoy ny teny filamatra. Fampandrosoana, fihavanana: samy dradradradrain’ny mpitondra matetika, saingy toa tsy misy tanteraka ireo. Raha ity teny filamatra ity no apetraka ho fanoitra hanatrarana ireo, azo ambara izany fa tsy ny mosary irery ihany no fahavalon’ny mpitondra sy ny vahoaka entiny. Mbola mpifanandrina amin’ny mpitondra ireo tsy mitovy hevitra aminy, mitsikera ny lesoka, manabaribary ny afenina, sns. Tsy vitsy amin’ny vahoaka no ory hava-manana na manao havako raha misy patsa.

Landy R.

Cet article Haody : iza no fahavalo? est apparu en premier sur NewsMada.

Vokatra vaovao : « Aty fa tsy any », hoy i Black Nadia

$
0
0
BLACK20FEV

 « Aty fa tsy any ». Tsy inona akory io fa lohatenin’ny rakikira sy sary na DVD faharoa an’i Black Nadia, izay mivoaka amim-pomba ofisialy androany, manerana ny Nosy. Azo lazaina ho tena vaovao be izy ity ary mamaritra lalam-baovao ihany koa ho an’ity mpanakanto efa fanta-daza ity.

Andaniny, tsy mbola nisy nivoaka tamin’ny fahitalavitra ireo hira 12 voarakitra ao anatin’ity vokatra vaovao ity, izany hoe, tena tsy hampoizina. Ankilany kosa, mihamivelatra amin’ny karazana mozika maromaro i Black Nadia. Tanjona amin’izany ny hanomezana fahafaham-po ny mpankafy rehetra, araka ny nambarany. « Variété », hira miadana na « slow », salegy mangaliba, « sudaf », « coupé décalé ». Samy ho heno ao anatin’ny « Aty fa tsy any » avokoa ireo.

Hanomboka androany hariva ny hetsika fampahafantaran’i Black Nadia ity rakikira vaovaony ity, amin’ny alalan’ny «cabaret » eny Tsimbazaza eny. Tsy hijanona eto an-dRenivohitra ny fihaonan’ity mpanakanto ity amin’ny mpankafy azy. Izany hoe, misokatra ihany koa ny fotoam-pampisehoana ho an’ny tarika, raha ny amin’ity taona ity no asian-teny.

Raha hiverenana kosa ny tamin’ny taon-dasa, nampisongadina ity mpanakanto ity ny fiaraha-miasa tamin’ny mpanakanto hafa. Anisan’izany ny fampiaraham-peony tamin’i Tence Mena, mpanakanto izay noheverina fa mpifanandrina taminy.

Landy R.

Cet article Vokatra vaovao : « Aty fa tsy any », hoy i Black Nadia est apparu en premier sur NewsMada.

Fanampiana : mitaraina ny traboina etsy Ankorondrano

$
0
0
traboina

Velon-taraina ireo traboina ao amin’ny fokontanin’i Tsaramasay izay natoby etsy amin’ny fokontanin’Ankorondrano noho ny tsy fahatongavan’ny fanampiana avy amin’ny fanjakana. « Hatramin’izay, indray mandeha no tonga teto ny fanjakana nanolotra vary 2 kilao isan’olona sy tsiasisa 4 kilao isan’olona », hoy ireo renim-pianakaviana nijoro vavolombelona teny an-toerana.

Orinasa mpanamboatra savony, Rotary, orinasa tsotra eo amin’ny manodidina, solombavambahoaka, fikambanana mpanao asa soa no voalazan’izy ireo fa mba manatintratitra kojakoja eny hahafahana mivelona.

« Mahatsiaro tena ho ankilabao izahay miohatra amin’ny traboina hafa satria ny sasany mahazo vilany sy kojakojan-dakozia ary sakafo matetika avy amin’ny fanjakana fa izahay tsy mba misitraka izany », hoy ny tanora iray.

Tena filana takin’ireo traboina eny Ankorondrano ny sakafo. Ankoatra izany ny bodofotsy satria mangatsiaka be amin’ny alina, indrinra ho an’ny ankizy sy ny vehivavy bevohoka ary ny zokiolona.

Tranoheva 14 no itobian’ny traboina eny Ankorondrano. Ahitana fianakaviana 7 ao anatin’ny tranoheva iray. Maro anisa ny ankizy ary miezaka mandrindra ny fiarahamonina ireo ankohonana voatery natambatra trano tsy fidiny.

Lamba firakotra sy akanjo isolosoloana ihany no manaraka azy ireo any anaty tranoheva. Ankoatra izany ny kojakojan-dakozia. Nentina nanaraka ihany koa ny saka sy ny akoho ary ny alika ho an’izay manana izany ary miara-monina amin’ny olona ao.

Mamely ny fanaviana vokatry ny gripa mahery eny an-toerana. Tsy mifidy izany na kely na lehibe. Ny dokotera anefa, nambaran’ireo traboina fa tsy mandalo eny intsony, herinandro maromaro izay.

Miaina fa olombelona ireo traboina niangaran’ny vintana etsy Ankorondrano. Tsizarizary tanteraka ny fiarahamonina izay tsy maintsy zakaina mandra-pahavitan’ny fahavaratra ka maharitra ny rano.

Tatiana A

Cet article Fanampiana : mitaraina ny traboina etsy Ankorondrano est apparu en premier sur NewsMada.

Hiragasy : tsy mivaky ny tarika Rainitelo

$
0
0
HIRAGASY

Faran’ny taona 2014, niala tao anatin’ny tarika Rainitelo i Fredy. Tsy midika ho fivakisan’ny tarika akory izany, raha ny fanazavana nomena ny mpanao gazety, omaly. “Tsy manova ny tarika ny tsy fahitana an’i Fredy ao anatiny”, hoy ny mpitondra tenin’ny tarika Rainitelo avy any Andohavary. Hanaporofo izany ny fanamby lehibe nomen’ity tarika ity ho an’ny mpankafy hiragasy: “… Amin’ity taona 2015 ity, ny tsara indrindra no hatolotra ny mpankafy hiragasy. Hiarahantsika mahita tsy ho ela ny fahatanterahanay izany”.

Nanamafy izy ireo fa “noho ny tsy maha mpikambana intsony an’i Fredy ao anatin’ny tarika, tsy tompon’andraikitra amin’izay zavatra ataony momba ny tarika Rainitelo izahay”. Raha ny tsilian-tsofina heno, anisan’ny hanokatra ny “Adin-kira gasy goavana” amin’ity taona 2015 ity eto an-dRenivohitra ny tarika Rainitelo.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Cet article Hiragasy : tsy mivaky ny tarika Rainitelo est apparu en premier sur NewsMada.


« Anoka amin’ny soratra miteny » : fifaninanana mamaky tononkalo sy sombin-tantara

$
0
0
ANOKA

Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa “Poa-tsatroka ho an’ny kilonga”. Hanatanteraka fifaninanana mamaky tononkalo sy sombin-tantara ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco. Hetsika hotanterahina ny 25 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ao amin’ny foiben’ny Unesco Behoririka.

Afaka mandray anjara amin’ny “Anoka amin’ny soratra miteny” avokoa ny ankizy 6 taona ka hatramin’ny olon-dehibe 21 taona. Tsy misy ny fanomanana fa mamaky avy hatrany ny tononkalo na sombin-tantara atolotra azy ny mpifaninana tsirairay. Na izany aza, ilaina ny fahatongavana aloha (1 ora sy sasany) ho an’izay handray anjara raha ny fanazavan’ny tompon’andrakitra. Handravaka ny fotoana ny fikambanana Dian-tanamasoandro.

 “Ny teny ibeazana, vahatry ny fanabeazana ho an’ny rehetra”

 Tohizana amin’ny alalan’ny velakevitra ny hetsika etsy amin’ny foiben’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco. Lohahevitra voizina sy iadian-kevitra amin’izany: “Ny teny ibeazana, vahatry ny fanabeazana ho an’ny rehetra”. Hitondra ny fanadihadiana, Ranjatohery Harilala, mpampianatra mpanoratra mpikambana ao amin’ny Akademia malagasy.

Aorian’ny famelabelarana, hifanakalo hevitra ny mpanatrika ny amin’izay fandraisany ny lohahevitra sy ny velakevitra.

HaRy Razafindrakoto

Cet article « Anoka amin’ny soratra miteny » : fifaninanana mamaky tononkalo sy sombin-tantara est apparu en premier sur NewsMada.

Ho an’ny fandriampahalemana… : raikitra ny « gidragidran-dihy »

$
0
0
DANSE20fev

 “Battle” na fifandonana amin’ny dihy, karazany dimy be izao, no hitranga etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny alahady tontolo andro izao. Fomba fiteny ihany ny hoe fifandonana, izay fanao amin’ny hip-hop, fa ny firaisankina, mitarika mankany amin’ny fandriampahalemana, no tena tanjona, araka ny nambaran’ny mpikarakara, ny fikambanana Dance Team Madagascar.

Tafiditra ao anatin’ny hetsika antsoina hoe “Festival Ambony Ambany”, izay nanomboka omaly eto an-dRenivohitra, ity “Grand battle for peace” ity. “Creative battle”, “battle ambony ambany”, “national battle break dance”, “show chorégraphique pro” ary fifaninanana eo amin’ny sekoly. Ireo ny karazana “battle” hifandonan’ny mpandihy hip-hop sy mpiangaly dihy ankehitriny.

Nanomboka ny desambra 2014 ny fanomanana ny fifaninanana. Nomena mpampianatra manokana, ohatra, ireo sekoly ambony sy lycées mandray anjara mba hampiofana ireo ekipa mpandihy ao aminy. Marihina fa misy mpandihy 10 hatramin’ny 25 ao anatin’ny ekipa iray. Ankoatra ny mpianatra, mandray anjara amin’izao “battle” izao koa ireo tarika mpandihy marobe eto amintsika. Misy koa ny vahiny avy any Finlande, Etazonia ary Brezila.

Festival Ambony Ambany” no anarana nampitondraina ity hetsika ity, satria mifanaraka amin’ny fihetsiky ny dihy hip-hop ny “ambony” ary break dance ny “ambany”. Ankoatra ny “battle”, ao anatin’ny fandaharam-potoana koa ny fifampizarana traikefa, toy ny nataon’ireo mpandihy marobe, Malagasy sy vahiny, omaly tetsy amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) etsy Antsahavola.

Araka ny nambaran’ny mpikarakara hatrany, vinavina sahady ny hanatanteraka ny andiany faharoa amin’ny “Festival Ambony Ambany” amin’ny volana jona izao.

Landy R.

Cet article Ho an’ny fandriampahalemana… : raikitra ny « gidragidran-dihy » est apparu en premier sur NewsMada.

Andriamahatana Ridasoa : « Maro ny voafitaky ny findraman-tsanganasa… »

$
0
0
RIDA

Mpanakanto sady taranaky ny andrarezin’ny hira malagasy rahateo Andriamahatana Ridasoa. Nilaza ny heviny momba ny findraman-tsanganasa izay efa zary fitadiavam-bola mahomby amin’izao fotoana izao izy. Efa zary rivotra mitsoka maneran-tany izy io. Miaina izany koa isika eto Madagasikara, saingy ny fiantraikany no mety hiavaka amin’ny an’ny firenen-kafa.

 Gazety Taratra (*): Na ny mpikarakara fampisehoana na ny mpihira, maro ny miroboka amin’ny findraman-tsanganasa. Ny fahitanao an’izay?

 Andriamahatana Ridasoa (-): Rivotra nitsoka tao anatin’ny taona maromaro io. Nanome vahana ny findraman-tsanganasa ny karaoke sy ny cabaret. Samy rafitra mihira avokoa ny rehetra. Raha ny marina anefa, tsy natokana loatra ho sehatra ivelan’ny fianakaviana, ohatra, ny karaoke, saingy zary niraisan’ny rehetra izy io taty aoriana… Nisy hatramin’ny vidim-pidirana mihitsy aza.

 * Inona ny vokatr’io firoboroboan’ny karaoke sy ny cabaret io teo amin’ny tontolon’ny hira malagasy?

 – Nihevi-tena ho mpanakanto avy hatrany izay sahy nihira tamin’ireny karaoke na cabaret ireny. Maro ny voafitaka tamin’io findraman-tsanganasa io. Vofitaka satria indramina avokoa ny zava-drehetra momba ilay hira. Fitendrena, indramina fa tsy ny tompony no mitendry. Tsy mifanaraka amin’ny tena izy ilay indrana. Ny zavamaneno ampiasaina, tsy feno fa zary lasa tendry tokana aza no heno. Ny tononkira, diso,… Kanefa dia ireny no arahin’ilay mihira.

Maro anefa ireo mitonona ho mpanakanto no nitsimoka avy any amin’ireny karaoke sy cabaret ireny. Azo sary an-tsaina amin’izany ny tontolon’ny hira malagasy ankehitriny! Simba ny kalitao. Sarona ilay tena kanto sy mpanakanto.

 * Nihazakazaka fatratra io tranga io teto amintsika, inona no anton’izay?

 – Vola! Lasa fitadiavam-bola ny findraman-tsanganasa. Ifandrombahana ny sangaasan’olo-malaza. Na mety na tsy mety, na miova na tsy ovaina, rehefa ahitana tombontsoa, atao ihany. Io vokatra io no mandrafitra ny zavakanto jerena sy henoin’ny olona. Nankaiza ny rivo-panahim-pamoronana ? Manginy fotsiny ny fitadiavana laza. Samy tafaroboka amin’ireo avokoa na ny mpamokatra na ny mpihira. Teraka ny tsy fifanajana. Mahazendana ahy, ohatra, ny mahita mpanakanto na mpikarakara fampisehoana tsy manaja ny fifampiresahana sy ny fifanatonana.

 * Mety hanana fiantraikany any amin’ny mpanakanto ve izay endrika isaloran’ny hira malagasy izay ?

 – Avy amin’ny mpankafy na mpijery no maha izy azy ny mpanakanto na tarika iray. Vokatr’io tranga etsy aloha io anefa, lasa manao tsinontsinona azy ireo (mpankafy, mpijery) ny mpanakanto. Maro aza no mitsipa-dohalaka-nitana kanefa misora-tena ho mpanakanto.

Marihiko aloha fa tranga maneran-tany ny findramana sanganasan’olon-kafa, saingy ny any ivelany, ilay tompony no manome azy ny mpihira.

… Mifamatotra amin’izay resa-bola izay ihany. Mandray anjara goavana amin’ny famotehana ny hira sy ny mpanakanto ry zareo mpanao politika. Fampisehoana maimaimpoana! Na amboarina hifanitsy amin’ny filan’ny mpanao politika ny hira, sns. Tsy manalavitra izany ihany koa ny asan’ny haino aman-jery. Taloha, nofantenana ny hira nalefa. Ankehitriny, izay manatitra rakikira na rakitsary miampy “…”, mandeha daholo. Mila fanarenana avokoa ireo raha tiana ny hiverenan’ny hasin’ny kolontsaina malagasy, indrindra fa ny hira.

HaRy Razafindrakoto

Cet article Andriamahatana Ridasoa : « Maro ny voafitaky ny findraman-tsanganasa… » est apparu en premier sur NewsMada.

Tantara an-kira : hoentina etsy Antsahamanitra ny « Li Té ve war »

$
0
0
TANTARA

« Li Té ve war ». Teny « créole » midika hoe « maniry te hahita izy ». Io ny lohatenin’ny tantara an-kira iray, maneho ny kolontsaina iombonana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Efa nanomboka tamin’ny taona 2013 ity tetikasa ity, ary nitety tanàn-dehibe maro. Mbola hitohy izany, ka fantatra fa hotontosaina ny 17 marsa ho avy izao ny anjaran’Antananarivo. Hoentina an-tsehatra etsy Antsahamanitra ny « Li Té ve war », andraisan’ireo mpanakanto rehetra niara-niketrika azy anjara.
Anisan’izany i Jaojoby, izay misolo tena ny mozika malagasy ao anatin’ny tantara. Eo koa i Patrick Victor, avy atsy amin’ny Nosy Seychelles. Mivoy ny gadona sega ary fanta-daza amin’izany izy. Misolo tena ny Nosy Maorisy i Linzy Bacbotte, mpihira miavaka amin’ny tononkirany mahitsy sy mivantana. Eo koa i Davy Sicard, mpanakanto malaza amin’ny mozikan’izao tontolo izao, hisolo tena ny Nosy La Réunion. Handravaka amin’ ny feom-baliha kosa Rajery. Fantatra koa fa hisy amboaram-peo hataon’ireo ankizy marobe, hanao ny felo lafika mandritra ny seho.
Tantarana tovovavy safiotra, mikaroka ny tena fiaviany marina ny « Li Té ve war ». Natao nifanandrify mba hamoaka izany ny mpandray anjara, satria Malagasy nihazo an’i La Réunion tamin’ny fahazazany ny mpilalao fototra.

Zo ny Aina

Cet article Tantara an-kira : hoentina etsy Antsahamanitra ny « Li Té ve war » est apparu en premier sur NewsMada.

BFV-SG : ampirisihina ny fametraham-bola

$
0
0

Hetsika manokana ! Nambaran’ny talen’ny masoivohon’ny banky BFV-SG, Rakotonirainy Tsiry, fa ao anatin’ny fanarenana ny toekarena isika izao. Ho maro, noho izany, ny fampiasam-bola ataon’ny mpandraharaha, ka mila manana tahirim-bola sahaza ny banky. Ho an’ny BFV-SG, ampirisihiny ny mpanjifa hametra-bola (épargne), manomboka amin’ny 5 hetsy Ar, nomeny ny anarana hoe « booster ». Ahazoan’ny mpanjifa zanabola manokana, 4,5% isam-bolana, ary mitombo tsikelikely hatrany amin’ny 11,5% amin’ny faha-36-n’ny volana. Nanomboka ny 16 febroary hatramin’ny 2 mey ho avy izao ity tolotra « booster » ity. Azon’ny mpanjifa sintonina amin’ny fotoana ilàny azy ny volany.

Nilaza koa ny tompon’andraikitr’ity banky ity fa maro ireo nametra-bola tao amin’izy ireo nandritra ny krizy, nahatratra 1,004 miliara Ar. Na izany aza, mila ampitomboina ireo satria hitombo koa ny famoaham-bola noho ny fiakaran’ny fanjifana araka ny voalaza etsy ambony.

Njaka A.

Cet article BFV-SG : ampirisihina ny fametraham-bola est apparu en premier sur NewsMada.

Viewing all 70600 articles
Browse latest View live