
Nahazo fanakianana mavaivay tamin’ireo kandidà sy ny momba azy vokatry ny tsy fahatombombanan’ny fikarakarana ny fifidianana ny Vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana (Cenit).
Nanomboka ny fisokafan’ny fitsarana ireo taratasim-pitoriana napetrak’ireo kandidà ny alatsinainy lasa teo teo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf). Tsy nitsahatra ny fanehoan-kevitra marolafy. Isan’ny tena nitondrana izany fanakianana izany ny fanomezana fankatoavana momba ny soratra “Neny” teo amin’ny biletà tokana.
“Efa eo am-pelatanan’ny Fitsarana ireo trangan-javatra voalaza ao amin’ireo famakafakana ireo. Miantso ny rehetra ny Cenit hiandry am-pitoniana sy am-pahamendrehana izay fanapahan-kevitra horaisin’ny Fitsarana mahefa mikasika izany. Maneho etoana ny fahavononany hitondra ny fanazavana rehetra takin’ny Fitsarana ny Cenit”, hoy ny fanambarana nataon’ny Cenit ho setrin’ireo fanehoan-kevitra ireo.
Fantatra fa notontosaina teny anivon’ny Taf, omaly, ny raharaham-pitsarana izay ifanandrinan’ny kandidan’ny Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, nitory ny kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim), Ravalomanana Lalao. Fanafoanana ny voka-bato azon’ny Tim teto Antananarivo Renivohitra no nangatahin’ny mpisolovavan’ny Freedom raha ny fantatra. Vokatry ny fametahana ilay soratra “Neny” no antony. Mampisavoritaka ny sain’ny kandidà ihany koa ny fisiana fanapahan-kevitra iray nolazain’ny Cenit fa nivoaka ny 14 mey lasa teo. Fanapahan-kevitra izay tsy nisy nahalala ary isan’ny nitondran’ny mpisolovavan’ny mpitory tsindrim-peo manokana. Hivoaka ny 17 septambra ho avy izao ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Taf ary ho fantatra amin’izay fotoana izay ny vokatr’ity fitoriana ity na neken’ny fitsarana na tsia.
Nadia