Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70686 articles
Browse latest View live

Fantina sy fintina

$
0
0

Mety havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), mialoha ny alarobia izao ny fanapahan-keviny momba ny fitoriana napetraky ireo depiote hanongana ny filoham-pirenena, araka ny tsilian-tsofina.

Tsiahivina fa manana 15 andro izy ireo handinihana izany.

Nandray ny ambasadaoro amerikanina, Robert Yamate indray ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, omaly tetsy Faravohitra. Naharitra ora iray sy sasany ny fihaonana.

   Tsy nisy nipika ny dinika nefa tombanana fa voaresaka ny momba ny krizy eo amin’ny andrim-panjakana roa : ny filohan’ny Repoblika sy ny Antenimierampirenena.

Tsiahivina fa efa nihaona izy ireo ny 5 mey lasa teo teny Ambaranjana.

Nanao antso avo sy nanamafy ny efa nambaran’ny fianakaviambe iraisam-pirenena momba ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny vondrom-pifankatiavan’ny Vondrona eoropeanina (UE).

   Niantso ireo avara-pianarana sy vato nasondrotry ny tany izy ireo ny amin’ny tokony hanajana ireo antana-tohatry ny andrimpanjakana.

Cet article Fantina sy fintina est apparu en premier sur NewsMada.


Andohan’i Mandroseza : tratra nangalatra Andriamanjato R.

$
0
0
Mpangalatra ordi

 Voarohirohy ho nangalatra ordinatera teny Andohan’i Mandroseza, ny asabotsy teo ny lehilahy iray antsoina hoe Andriamanjato Richard Hervé. Ny asabotsy teo izy no saron’ny polisy nandritra ny fitoriana nataon’ny tompon’ilay ordinatera. Voalazan’ny polisy fa niditra an-tsokosoko tao an-tranon’olona iray mpiray tanàna aminy ity lehilahy ity sy ny namany iray hafa. Mifanakaiky rahateo ny tranon’izy ireo. Nony tonga an-trano anefa ny tompon-trano dia nahatsikaritra fa tsy teo ambony latabatra intsony ilay ordinatera. Nikaroka izay olona mety ho nahavita izany heloka izany ny tompony. Nandositra avy hatrany ny lehilahy roa raha vantany vao nahita ny tompony. Niteraka ahiahy teo amin’ilay tompona ordinatera izany ka nametraka fitoriana teny amin’ny polisy avy hatrany izy.

Rehefa nanontany an’i Richard ilay olona voaroba dia tsindrona antsy teo amin’ny tarehiny no nasetriny izany. Vokany naratra teo amin’ny tarehiny izy.

Niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ny polisy taorian’izay ary niaiky ny heloka vitany izy. Natolotra ny fitsarana, omaly izy ka naiditra am-ponja vonjimaika.

J.C

Cet article Andohan’i Mandroseza : tratra nangalatra Andriamanjato R. est apparu en premier sur NewsMada.

Raharaham-pirenena : mangina tanteraka ny FFKM

$
0
0
FFKM

 Nisafidy ny hangina ny eo anivon’ny FFKM manoloana izao raharaham-pirenena izao. Tsikaritra izany, hatramin’ny fetin’ny Pantekoty teo. Efa fanaon’izy ireo isan-taona hatramin’ny nijoroany ny mampita hafatra amin’io fotoana io, ankoatra ny volana janoary famindram-pitantanana, saingy tsy re feo ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy mianaka.

     Nitohy amin’izao tranga miseho eto amin’ny firenena izao izany. Nisafidy ny tsy haneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny Mgr Razanakolona Odon ny alahady teo teny Ambohipo. Nambarany fa tsy afa-miteny amin’ny anaran’ny FFKM ny tenany satria hevitra iraisana hatrany no havoaka. Tsy mbola nisy fihaonana na fivoriana anefa teo amin’izy ireo ka antony tsy hisian’ny fanambarana iombonana hatramin’izao.

     Tsiahivina fa anisan’ny fehinkevitra nivoaka tamin’ny fihaonambem-pirenena momba ny fampihavanana ny volana mey teo ny handravana ny andrimpanjakana rehetra. Niseho izany izao… Tsy hita popoka ny FFKM.

Synèse R.

Cet article Raharaham-pirenena : mangina tanteraka ny FFKM est apparu en premier sur NewsMada.

Fiatrehana ny krizy politika lalina : miantso fitoniana ny filoha Rajaonarimampianina

$
0
0
Filoha

 Nanamafy ny antso efa nataony ny mpitondra. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina, ny tokony hipetrahan’ny filaminana eto amin’ny firenena.

 

Antso ho an’ny rehetra. « Tadiavina ny fitoniana politika eto amin’ny firenena. Tsy ny filoha irery no manao an’izany, fa ny rehetra. Miantso ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka aho, indrindra amin’izao fotoana izao, mba hiray fo sy saina hibanjina ny tena tombontsoam-pirenena hampisy ny tena fitoniana. »

     Tenin’ny filoha Rajaonarimampianina, tamin’ny mpanao gazety teny Ambohidratrimo, omaly, io, manoloana ny fiampangan’ny Antenimierampirenena hanalana azy amin’ny toerany.

Zava-dehibe ny fanajana ny lalàna

« Antsoiko ny rehetra: mila fitoniana isika, mila fanajana ny lalàna ao anatin’izany fitoniana izany mba handrosoana eo amin’ny tena fampandrosoana marina. Zava-dehibe eo amin’ny tany tan-dalàna izany fanajana lalàna izany », hoy izy.

     Ankoatra izany, naneho firaisam-po amin’ny vahoaka ny filoha tamin’ny lahateniny.« Ahoana no tsy hijoroana rehefa mamaky izay avy ao am-ponareo: manohana anao, eo anilanao…? Tsy hiala aminareo aho, fa aza matahotra. Hiady hatramin’ny farany ho amin’ny tombontsoam-pirenena isika », hoy ihany izy, namaky ireo sorabaventy nolanjaina teny an-toerana.

     Nohamafisiny koa toy ny efa nambaran’ny Cenit sy ny Praiminisitra Ravelonarivo fa tsy mihemotra ny fifidianana kaominaly. ”Hotazonina ny 31 jolay”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Cet article Fiatrehana ny krizy politika lalina : miantso fitoniana ny filoha Rajaonarimampianina est apparu en premier sur NewsMada.

Betsiboka : feno herintaona ny HVM

$
0
0
Betsiboka

Nankalazaina ny alahady teo ny tsingerin-taona voalohan’ny HVM any amin’ny faritra Betsiboka. Nomarihina amin’ny diabe namakivaky ny tao Tsaratanana izany. “Tsy manana fahavalo ny HVM ary vonona hiatrika ny fifidianana”, hoy ireo nandaha-teny.

     Nahatonga solontena avokoa ireo fokontany rehetra any Betsiboka. Nitohy amin’ny fifanakalozan-kevitra sy adihevitra ny hetsika ary nofaranana amin’ny alim-pandihizana.

   Nitarika izany ny mpiahy ny faritra, ny tale jeneralin’ny Kraoma, Rakotoarisoa Arsène.

Synèse R.  

 

Cet article Betsiboka : feno herintaona ny HVM est apparu en premier sur NewsMada.

Fampielezan-kevitra mialoha : mampitandrina fa tsy manasazy ny Cenit

$
0
0
Cenit

 « Ny fara fahalavitra azon’ny Cenit atao, ny mampitandrina ny kandidà. Ny sampam-pitsarana no afa-manao ny fanalana an-daharana ny kandidà tsy ho mpifaninana amin’ny fifidianana. » Fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Cenit, Rakotondrazaka Fano, teny Alarobia, omaly, io, ny amin’ny hoe fisian’ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana.

Amin’ny maha tomponandraikitra mpikarakara ny fifidianana ny Cenit, misy ny fepetra raisina: fampahatsiahivana amin’ny rehetra izay tokony hataony na tsia ao anatin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra.

Mpikarakara ny fifidianana ny Cenit fa tsy fitsarana. Misy ny fitsarana mahefa amin’ny fandinihana antontan-taratasy. Na ny fisian’ny fifampitoriana eo amin’ny samy kandidà, ohatra, momba ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Mamoaka didy ny mpitsara amin’izany, ary tanterahina amin’ny maha tany tan-dalàna antsika, araka ny fanazavany.

Miangatra ihany anefa ny eny Alarobia satria tsy sahy miantso na miteny ny fihetsiky ny HVM. Mailaka amin’ny fampitandremana kandidà hafa ?

Tomponandraikitra amin’izay ataony ny kandidà manao ny tsy tokony hatao, araka ny fiheveran’ny tsirairay azy. Tonga any amin’ny fitsarana ny raharaha, raha misy ny fitoriana. Hizaka ny vokany izy, raha misy ny fihoaram-pefy tsy araka ny tokony ho izy.

Hisy ny fiaraha-midiniky ny Cenit amin’ireo kandidà eto Antananarivo Renivohitra, amin’ity herinandro ity: fampitoviana ny tadin-dokanga. Ao anatin’ny fandaharanasan’ny Cenit izay, fa tsy zava-baovao.

R. Nd.

Cet article Fampielezan-kevitra mialoha : mampitandrina fa tsy manasazy ny Cenit est apparu en premier sur NewsMada.

Toliara : miaro ny sezany ireo tale napetraky ny HVM

$
0
0

 Toy ireo efa nataon’ireo sasany tato ho ato noho ny tahotra. Nivoitra tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, afakomaly, nataon’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny HVM ao Toliara ny tsy fanekena ny fanonganana ny filoham-pirenena.

   Notsiahivin’izy ireo ny tranga niseho sy ny hetsika nataon’ireo depiote teny Tsimbazaza ny herinandro teo. “Betsaka ny zava-bita ato, anatin’ny faritra toy ny fanamboarana ny lalana RN 9 sy ny laka-drano ao Bevoay ka noho izany tsy tokony ho eken’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) iny fitoriana nataon’ireo solombavambahoaka iny, mba ahafahan’ny filoham-pirenena mipetraka sy hanohy ny asany”, hoy ny mpitarika, Ratovondrainy Eric Marcel.

Olon’ny HVM ireo tendrena amin’ny filankevitry ny minisitra

Tsiahivina fa anisan’ireo talem-paritra napetraky ny HVM sy ao anaty lisitry ny mpanolotsaina amin’ny fifidianana ho avy izao ny ankamaroan’izy ireo.

     Voaporofo izany izao fa olon’ny HVM avokoa ireo tompon’andraikitra ambony na mpiasam-panjakana ambony tendrena amin’ireny filankevitry ny minisitra ireny. Hitsinjovana ny fifidianana sy hiarovana seza rehefa miseho ny tranga eto amin’ny firenena tahaka izao.

     Etsy andaniny, efa manahy ny mpikambana sasany ka tsy nipoitra tamin’izao fivoriana sy fiantsoana mpanao gazety izao.

Midika izany fa may volon-tratra ireo HVM ao Toliara.

CMS sy Synèse R.

Cet article Toliara : miaro ny sezany ireo tale napetraky ny HVM est apparu en premier sur NewsMada.

An-kitsim-po : miandry ny any any ivelany

$
0
0

Sehatry ny toekarena maro mbola ao anaty fahasahiranana ary vao mainka aza tafalentika lalina. Azo lazaina voalohany amin’izany ny sehatry ny fambolena, antoka fiveloman’ny maro anisa indrindra. Eo ihany koa ireo sehatra maro hafa, miankina betsaka amin’ny fotodrafitrasa anjara asan’ny fanjakana. Lasa sakana lehibe amin’ny fampandrosoana ny fahapotehan’ireo fotodrafitrasa efa nisy tany amin’ny 50 taona lasa, na ny tsy fisian’izany fotodrafitrasa izany mihitsy any amin’ny faritra maro.

Sakana lehibe misongadina amin’izany ny faharatsian-dalana, tsy fisian’ny angovo, faharavan’ny trano fitahirizam-bokatra maro, fahasimban’ny seranan-tsambo, izay samy andraikitra tandrify ny fanjakana avokoa. Efa misy ihany ny ezaka natao sy mbola tohizina, saingy mbola miankina betsaka amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany.

Ny fantatra aloha, mizaka ny vokatr’izany rehetra izany, ny vahoaka maro anisa mpandoa hetra. Na inona na inona fanazavana avy amin’ireo mpanao politika ireo, tratra aoriana i Madagasikara. Tompon’andraikitra amin’izany avokoa ireo mpanao politika nifandimby teto.

M.C

Cet article An-kitsim-po : miandry ny any any ivelany est apparu en premier sur NewsMada.


Fivorian’i Eoropa sy Afrika : vonona ny Malagasy amin’ny fiaraha-miombon’antoka

$
0
0
B2B

 Ny volana mey lasa teo, nisy ny fivoriana B2B iraisan’ny Vondrona eoropeanina sy Afrika ary Madagasikara tany Mons, Belzika. Nandray anjara tamin’izany ny minisitry ny Indostria, Rafidimanana Narson sy ireo solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina. Lohahevitra ny hoe « Afrika, fanamby iray antoky ny fahombiazana ». “Fandraisana anjara tamin’io fivoriana io, antoka iray ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Eoropa sy Afrika. Koa nampahafantarina ny mpivory ny ezaka fanarenana ny toekarena eto Madagasikara “, hoy ny minisitra Rafidimanana Narson. Araka ny fanamarihan’ireo mpandraharaha malagasy avy amin’ny sehatra tsy miankina, vonona izy ireo amin’ny fiaraha-miombon’antoka amin’ireo mpandraharaha eoropeanina sy afrikanina. Nisy ny fihaonana ivelany niarahan’ireo mpandraharaha Malagasy sy vahiny.

Lohahevitra iray nodinihina ihany koa ny “fampiasam-bola aty Afrika”, nandraisan’i Madagasikara anjara sy ireo mpitantana avy amin’ny Banky eoropeanina momba ny fampiasam-bola (BEI). Fisarihana ny fampiasam-bola eto an-toerana no nambaran’ny solontena malagasy tamin’izany. Misy rahateo ireo orinasa vahiny maro mahafantatra ny tokony hidirana eto amintsika, izay nangataka fanampim-baovao maro avy amin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny sehatra tsy miankina.

Voalazan’ny ao amin’ny minisiteran’ny Indostria fa tsy vitsy tamin’ireo vahiny nahalala ireo ezaka fanarenana atao eto Madagasikara. Araka izany, andrasana izany ny fahatongavan’ireo vahiny ireo, raha resy lahatra tokoa. Nikarakara io fivoriana io ny Antenimieran’ny varotra iombonan’ny Vondrona eoropeanina sy Afrika any Belzika, nandraisan’ny olona miisa 250 anjara.

Ny misongadina aloha izao aty Afrika ny fampiasam-bola ataon’ny orinasa sinoa. Saika ahitana ahitana mpandraharaha sinoa avokoa ireo firenen-drehetra aty Afrika. Ny avy any Sina tsy mametraka fepetra ara-politika na mifidy mpitondra politika iaraha-miasa aty amin’ny tany afrikanina. Ny fanjakana sinoa mihitsy no mamatsy vola ireo mpandraharaha avy any aminy miditra aty amin’ny tany afrikanina mifaninanana amin’ny Eoropa sy Etazonia.

R.Mathieu

Cet article Fivorian’i Eoropa sy Afrika : vonona ny Malagasy amin’ny fiaraha-miombon’antoka est apparu en premier sur NewsMada.

Eran-tany

$
0
0

Nankatoavin’ny Antenimiera tonizianina tamin’ny volana mey teo ny famatsiam-bola avy amin’ny Fida na ny Tahirimbola iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ny any ambanivohitra, 31 tapitrisa euros. Ankoatra ny fanjakana tonizianina, mandray anjara betsaka amin’ireo karazana tetikasa any ambanivohitra ny tantsaha ; eo ihany koa ny Vondrona eoropeanina manampy amin’ny karazana fanomezana. Tetikasa tena atao laharam-pahamehana ny fitandroana ireo harena voajanahary, fanamboarana ny fotodrafitrasa any ambanivohitra sy famatsiana fitaovana ho an’ireo mpamboly. 2015 hatramin’ny 2025 ny tetikasa tohanan’ny Fida any amin’io firenena io.

Tsy antony mampidina ny vidin-tsolika ankehitriny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fivoahan’ny vokatra maro any Amerika avaratra, araka ny fanazavan’ny Opep. Tato anatin’ny roa taona nisesy, tsy nitsaha-nitombo ny vokatra maneran-tany. Hifantoka amin’ireo fitomboan’ny vokatra hatramin’ny 2017 avy any amin’ireo firenena tsy mpikambana, ny fivorian’ny Opep any Vienne, ny 5 jona ho avy izao. Noho ny fihenan’ny tinady, mikajy ry zareo mpamokatra solika ao amin’ny Opep fa hampihena ny avy any aminy koa hatramin’ny 2017. Milaza vonona ihany koa ireo tany mpikambana hiharitra ny vidin-tsolika ankehitriny.

Tsy hampiasa angovo avy amin’ny hery nokleary intsony any Alemà manomboka amin’ny taona 2022. Tsy atahorana ny famatsiana angovo ho an’ny herinaratra any amin’io firenena io ary na ao aorian’ny taona 2025 aza, mbola afaka mivarotra izany any ivelany ny fanazavana avy ao amin’ny departemantan’ny angovo sy ny tontolo iainana. Ity firenena alemà ity no anisan’ny mandroso indrindra amin’izao fotoana izao amin’ny fampiasana angovo azo havaozina. Mitohy hatrany ny fanitarana ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina any amin’io firenena io.

 

Cet article Eran-tany est apparu en premier sur NewsMada.

Nosy Be : foto-piveloman’ny maro ny jono

$
0
0
Jono 2 jona

 Foto-piveloman’ny mponina maro any Nosy Be ny jono. Mifandray amin’izany ny asan’ireo mpandray trondro eny amoron-dranomasina. Misy mpanjono tsy mitondra afa-tsy karazana trondro madinika « sardine » raisin’ireo mpanjifa ireo. Mpanarato roa, mitondra lakana iray, mahazo vokatra tsy latsaky ny 10 kg isan’andro. Miankina amin’ny toetr’andro ny fahamaroan’ny azo, amina fotoana sasany, misy mahazo maherin’ny 30 kg. Ankoatra ireo trondro azo avy amin’ny harato, matetika ihany koa ireo mpanarato mahazo karazana laoko na trondro vaventy.

Fidiram-bola mitohy isan’andro izany ho an’ireo mpanarato ireo, izay efa samy manana ny mpanjifa mahazatra azy. Miankina amin’ny karazany anefa ny vidiny. Amin’ny ankapobeny, tsy mandeha amin’ny kilao, raha ireo karazana trondro madinika. Fatra andraisana azy ireny no hamaritana ny vidiny, manomboka eo amin’ny 2.000 Ar.

Ho an’ireo mpandray izany, foto-pivelomana efa mahazatra hatry ny ela koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanjono. Fantatra koa anefa fa fianakaviana iray ihany ny mpanjono sy ny mpivarotra eny an-tsena. Ny olana matetika sedrain’ireo mpivarotra ireo, raha mbola mila fanodinana ny vokatra, ny fahalafosan’ny saram-pitahirizana fampiasa ho amin’izany. Voaporofo fa misy fiantraikany goavana hatrany amin’ny sehatry ny jono ny tsy fahampian’ny herinaratra sy ny fahalafosany any amorontsiraka.

R.Mathieu

Cet article Nosy Be : foto-piveloman’ny maro ny jono est apparu en premier sur NewsMada.

Harena an-kibon’ny tany : andrasana ny vokatry ny fikarohana sy fitrandrahana solika

$
0
0
Solika 2 jona

 Nanomboka ny taona 1976, nandritra ny Repoblika faharoa, napetraky ny fitondram-panjakana notarihin’ny filoha, Ratsikara Didier, tamin’izany ny Omnis (Office militaire national pour les industries stratégiques), natao hisahana ny fikarohana ny harena an-kibon’ny tany, indrindra ny solika. Maro ny lalana efa nodiavina momba izany hatramin’izao.

Efa fantatra tany aloha, tamin’ny fanjanahantany, ny fisian’ny solika any amin’ny faritra andrefan’ny Nosy, ambanin’ny tany (on shore) na ambanin’ny ranomasina (off shore). Ny taona 1980, nanampy ny Omnis ny Banky iraisam-pirenena momba ny fampahalalana ny fikarohana natao. Nanomboka tamin’io taona io ihany, efa nisy tolotra fikarohana nalefa tamina orinasa mpitrandraka solika sy gazy maherin’ny 50.

Nisy tamin’ireo orinasa ireo, sady nanao fikarohana momba ny gazy sy solika tany amin’ny fari-dranomasin’i Morondava ; ny hafa, sady nanao fikarohana ambanin’ny tany sy anaty ranomasina tany amin’ny faritra andrefana sy avaratra andrefana, manomboka eo Morondava hatrany Antsiranana. Samy nandray anjara tamin’ny fikarohana ireo orinasa lehibe malaza eran-tany, Agip, Amoco, Occidental-Unocal, Pétro-Canada International. Ny taona 1987, nangoron’entana tampoka ireo orinasa ireo ary notazonina ho tsiambaratelo ny vokatry ny fikarohana rehetra. Voaporofon’ireo mpikaroka vahiny sy Malagasy ny fisian’ny solika eto Madagasikara, saingy mbola tsy nahazoana tombom-barotra ny vidiny tamin’izany, latsaky ny 30 dolara ny baril.

Kaompania vahiny maro

Fantatra tany amin’ny taona 80 fa nisy toerana valo nahavitana fikarohana : dimy nataon’ny Amoco; roa vitan’ny Occidental–Unocal; iray nataon’ny Mobil. Nitohy ihany koa ny fikarohana nataon’ny Omnis manokana tany Tsimiroro. Taona 2003, nantsoina hiverina ireo mpikaroka sy mpitrandraka. Ankehitriny, misy ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny sy ny solika. Hita eto amintsika ny karazana kaompania maro, toy ny Madagascar Petroleum international Ltd, Exxon Mobil, Vuna Energy, Vanco, Madagascar Oil, Vuna Group, Sino Union Petroleum and Chemical. Hatramin’izao, mbola tsy hita mampiakatra ny toekarem-pirenena ireo.

R.Mathieu

Cet article Harena an-kibon’ny tany : andrasana ny vokatry ny fikarohana sy fitrandrahana solika est apparu en premier sur NewsMada.

Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy : miantso fitoniana manoloana ny raharaha politika ankehitriny

$
0
0
Fivmpama 2 jona

 Fotoana fanarenana ny toekarem-pirenena izao. Lohehevitra iray lehibe izany noraisin’ireo mpikambana ao amin’ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy na ny Fivmpama, nandritra ny fivoriana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro lasa teo tao amin’ny Sonapar.

Niantso ireo mpandraharaha nahomby teo amin’ny sehatra misy azy ny Fivmpama nampahafantatra ny traikefan’izy ireo na teo aza ny fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena. Anisan’ireo Andrianainarivelo Hasimboahangy, talen’ny Sonapar sy Salim Isamaïl, filohan’ny vondron’ny orinasa Socota.

Tokony haka tahaka ireo firenena ahitana fiakaran’ny harinkarena betsaka ny eto Madagasikara. Firenena noraisin’izy ireo ohatra amin’izany ny any Brezila, Sina, Inde. Ireo firenena ireo izao no azo ambara fa “tompon’ny tsena” eo amin’ny toekarena iraisam-pirenena. Nambaran’ireo mpivory fa vahoaka sinoa 625 tapitrisa tafavoaka tao anaty fahantrana. Anjatony tapitrisa toy izany koa ny afaka tamin’ny fahantrana any Inde. Koa tsy mahagaga raha anisan’ny firenena matanjaka ara-toekarena ireo firenena ireo ankehitriny, raha ny fanazavan’ireo mpivory.

Milaza ny ao amin’ny Fivmpama fa mananontanona indray ny tsy filaminana ankehitriny. Efa hita taratra anefa ny fivoahana amin’ny krizy tany amin’ny fiandohan’ny taona. Manamarina izany ny famelomana indray ny sehatry ny fandraharahana amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Manahy mafy izao ireo mpandraharaha sao hiteraka korontana indray ny raharaha politika ankehitriny.

Takin’ny Fivmpama ny hisian’ny filaminana. Efa zava-dehibe ny fiverenana ao anatin’ny Agoa, nefa mety ho tapaka indray raha mitohy izao fifanolanana ara-politika izao.

R.Mathieu

Cet article Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy : miantso fitoniana manoloana ny raharaha politika ankehitriny est apparu en premier sur NewsMada.

Harena voajanahary : tsy hita izay tena fiarovana ireo hazo sarobidy

$
0
0
JME 2 jona

  Tsy mitsahatra ny fandripahana ireo hazo sarobidy ary mbola mitohy ny fanondranana an-tsokosoko ireo harena voajanahary ireo. Toy izany koa ny fanondranana ireo biby tokony harovana, toy ny sokatra. Eo ny Bianco, mpitandro filaminana, fanjakan foibe, saingy tsy hita izay tena fiarovana ireo harena voajanahary.

Eo ihany ireo fikambanana avy eto an-toerana sy iraisam-pirenena manana tetikasa miaro sy mampitombo ny harena voajanahary, saingy tsy maharaka ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Iray amin’ireo mpikajy izany ny Missouri Botanical Garden (MBG), mampiasa ireo loharanon-karena voajanahary eto an-toerana, ho fitsinjovana ny taranaka. Hafatra avy amin’ny Firenena mikambana ny hoe « Planeta iray misy aina fito arivo tapitrisa, andao lanjalanjaina ny fanjifana”. Ilaina, araka izany, ny fahalalana mandanjalanja ny fampiasana ireo harena voajanahary mba hampaharitra izany.

Ny efa misongadina ankehitriny, ny vokatry ny faharipahan’ireo harena voajanahary ireo, ohatra, ny amin’ny fiovan’ny toetr’andro, izay misy fiantraikany any amin’ny sehatry ny fambolena, hatrany amin’ny fahasalaman’ny isam-batan’olona. Efa ahitana izany eto Madagasikara noho ny faharinganan’ny ala. Zary karankaina ilay Nosy maitso fahiny. Aleo hifanentana ho fiarovana ny tontolontsika ho an’ny taranaka.

Ankalazaina indray ny 5 jona ho avy izao, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana. Tsy takona afenina ny faharavan’ny ala sy ny fahasimban’ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny. Vao mainka mihamafy izany tato anatin’ny 10 taona farany sy hita mbola mitohy manerana ny faritra maro.

R.Mathieu

Cet article Harena voajanahary : tsy hita izay tena fiarovana ireo hazo sarobidy est apparu en premier sur NewsMada.

Loko Mauvilac : tolotra karazany maro ho an’ny mpanjifa

$
0
0
Mauvilac 2 jona

 Nanomboka ny taona 70, manana ny anjara toerany aty amin’ny ranomasimbe Indianina ireo karazan-doko Mauvilac. 50 taona izao tsy nitsahatra niroborobo ity karazan-doko ity manoloana ny tsena isan-karazany aty amin’ny faritra. Karazany maro ny kalitao, miankina amin’izay tadiavin’ny mpanjifa araka izay ilainy amin’ny fampiasana azy. Mihaino ny mpanjfany ny Mauvilac na ireo mpandraharaha na ny olon-tsotra. Ataon’ity orinasa ity laharam-pahamehana izany, hoentina hanatsarana hatrany ny kalitao takin’ny mpanjifa rehetra.

Manome vokatra sy karazan-doko mifandraika amin’izay mety ilaina rehetra ny Mauvilac : ho an’ny fiarovana ny rindrina, haingon-trano sy ireo kojakoja samihafa. Manome torohevitra ireo mpanjifa ihany koa ny mpiasa ao aminy, araka izay mety ilainy. Vonona izy ireo mandray ny rehetra ao amin’ny toeram-pivarotany, Artipro, Akorondrano.

Nandritra ny FIM ny fiandohan’ny volana mey teo, nanolotra fifaninanana ho an’ny mpanjifany ny Mauvilac. Fifaninanana nomena ny mpanjifa tamin’izany ny fahazaina mandoko trano anatiny sy ivelany na iray amin’ireo. Nahazo ny loka voalohany, Rakotozafiarisabo Heriniaina Everald, tamin’ny fahaizany nandoko velarana 100 m2. Faharoa, fahatelo ary fahefatra : Razafindratsima Lantonirina, Rivomalala Stella Nadia ary Andrianarivoson Tiana Harivony.

R.Mathieu

Cet article Loko Mauvilac : tolotra karazany maro ho an’ny mpanjifa est apparu en premier sur NewsMada.


Kitra – Amboara eran-tany U20 : ratsy fiditra i Nizeria, tsara fanombohana i Mali

$
0
0
kitra0206

 Eo ho eo ihany ny vokatry ny andro voalohany ho an’ny solontena afrikanina, eo amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, amin’ny baolina kitra, sokajy U20. Avy hatrany dia resy ny ekipa tompondakan’i Afrika.

 

Hiditra eo amin’ny andro faharoa amin’ny fifanintsanana sahady, anio, ireo ekipa miatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany, sokajy zandriny U20, eo amin’ny lalao baolina kitra. Fihaonana tanterahina any Nouvelle-Zélande. Raha ny vokatra, ho an’ireo ekipa efatra misolo tena an’i Afrika aloha, sady tsy tsara no tsy ratsy. Ny Voromaherin’i Mali irery aloha hatreto, ny nahazo fandresena, tao amin’ny sokajy “D” misy azy. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa mazava 2 noho 0 i Meksiko, ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Otago Stadium, Dunedin. Nampiditra ireo baolina nahazoany ny fandresena ireo, i Adam Traore sy Dieu-Donné, teo amin’ny minitra faha-77 sy 79.

Hidona amin’i Serbia, rahampitso alarobia, ny Malianina eo amin’ny andro faharoa. Ity mpifanandrina aminy ity, izay efa lavon’i Orogoay, tamin’ny isa 1 noho 0. Hiady ny toerana voalohany hiakarana amin’ny lalao ampahefa-dalana izany ny Voromaherin’i Mali. Marihina fa mitarika ao amin’ny vondrona misy azy ity ekipa afrikanina ity. Raha tsiahivina, ekipa fahefatra tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can) i Mali.

Tsy afa-nanoatra kosa ny Super Eagles –n’i Nizeria, tompondakan’i Afrika, nanoloana an’i Brezila, ho an’ny sokajy “E”. Niondrika tamin’ny isa 4 noho 2 ry zalahy. Nomontsanin’i Portugal, tamin’ny isa mavesatra, 3 noho 0, koa ny Lionan’i Téranga, avy any Sénégal, teo amin’ny sokajy “C”. Ady sahala, 1 sy 1, indray ny an’ny Kintana maintin’i Ghana sy Aostralia, teo amin’ny sokajy “B”.

 Tompondaka

 

Toy izao ny fandaharan-dalao anio :

 

Sokajy “A” : Birmania # Ukraine

                     Nouvelle-Zélande # Etazonia

Sokajy «B» : Aostralia # Panama

                     Arzantina # Ghana

Cet article Kitra – Amboara eran-tany U20 : ratsy fiditra i Nizeria, tsara fanombohana i Mali est apparu en premier sur NewsMada.

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2015) : mampanahy ny vokatra ho an’i Madagasikara

$
0
0
lalao0206

 59 andro mialoha ny hanombohan’ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina (JIOI 2015), isika anio. Fihaonana hatao atsy La Réunion ny 1 ka hatramin’ny 9 aogositra, izao. Efa ao anatin’ny fanomanana avokoa ireo firenena rehetra voakasik’izany. Raha ho an’i Madagasikara manokana, mampametra-panontaniana ny fikarakarana sy ny ho fiatrehana azy ity. Manjavozavo, tsy tena hita mazava mantsy ny fandaharam-potoana, na avy amin’ny fanjakana na avy amin’ireo federasiona, hiatrika io lalao io. Samy manao izay hitany fa maha mety azy, hatreto ireo taranja tsirairay, ary ao anatin’ny fahanginana tanteraka ny hanatanterahan’izy ireo izany. Hatreto, tsy mbola andrenesam-peo ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny komity olympika, ny amin’izay mety ho fanampiana ny federasiona. Vao mainka manampy trotraka sy mety hampiraviravy tanana ny rehetra, ny resaka politika iainan’ny firenena ankehitriny. Raha efa voalaza fa hisy ny minisitra “coach”, hanohana ny taranja isanisany, nilaza ireo federasiona sy ny atleta sasany, fa tsy mbola nahita izany minisitra izany, hatramin’izao. Ny efa fantatra kosa aloha, hahena ny isan’ny delegasiona, ho any La Réunion.

Mifanohitra amin’ny zava-misy eto Madagasikara kosa ny an’ireo Nosy manodidina. Raha ho an’i Maorisy manokana, manao izay ho afany izy ireo, mandefa ny atletany, miatrika fiofanana any Eoropa, na manafatra ekipa goavana, hanaovany “sparring partner”. Tsy tokony hatao hahagaga raha toa ka mbola aorian’izy ireo hatrany no misy ny Malagasy, amin’ity.

 

Miary Narindra

Cet article Lalaon’ny Nosy (JIOI 2015) : mampanahy ny vokatra ho an’i Madagasikara est apparu en premier sur NewsMada.

Sombintsombim-baovao

$
0
0

 Kitra – Tonga omaly ny Barea

Tafaverina an-tanindrazana, omaly, ny Barea de Madagascar, avy niatrika ny fiadiana ny amboaran’ny «Cosafa cup 2015», notanterahina tatsy Afrika Atsimo. Raha tsiahivina, laharana fahatelo ny Barea, tamin’ity andiany ity. Nahazoany ny lelavola mitentina 10.000 dolara tamin’izany. Ankoatra izay, voahosotra ho mpilalao nampidi-baolina be indrindra i Nono, izay nahafaty baolina miisa 5. Nomen’ny mpikarakara 1.650 dôlara izy, tamin’izany.

“Prorun” – Lasan’i Jaona ny voalohany

Azon’i Jaona Elite ny laharana voalohany, teo amin’ny dingana fahatelo, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja mekanika “Prorun”. Fihaonana, notontosaina ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Arivonimamo. Niala an-daharana, vokatry ny olana ara-mekanika nahazo ny fiarany, nandritra ity fifaninanana ity, Rafanomezantsoa Jean de Dieu (Vazaha). Tsy anisan’ireo niatrika ity dingana ity kosa i Chan Yu. Mbola mitarika eo amin’ny Run kosa i Andriamaharo Fred.

 

Cet article Sombintsombim-baovao est apparu en premier sur NewsMada.

Hiofana ny sefo Zap sy mpanolon-tsaina 600

$
0
0

 « Manohana ny sehatry ny fampianarana ny Banky iraisam-pirenena amin’ny tetikasa roa Pausens sy Paeut. 85 tapitrisa dolara ho an’ny voalohany ary 23,4 tapitrisa dolara kosa ho an’ny lafiny fanabeazana ao anatin’ny Pauet », araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tetikasa, Rabetokotany Josiane. Tafiditra ao amin’ny tetikasa ny fampitaovana môtô ny sefo Zap (Zone d’administration pédagogique), fanofanana ny sefo Zap sy ny mpanara-maso pedagojika.

Hiatrika fiofanana momba ny fahaiza-mampita lesona eny amin’ny mpianatra ny sefo Zap sy ny mpanara-maso miisa 600 mandritra ny iray volana. Rehefa tonga kosa ny fialan-tsasatra lehibe, hanofana ireo mpampianatra Fram sy ireo vao avy noraisina ho mpiasam-panjakana 18 000 sy ny talen-tsekoly 6 000 indray izy ireo ao anatin’ny faritra 12 iasan’ny tetikasa. Hifototra amin’ny fanamafisana ny taranja matématika, français ary malagasy ny fiofanana satria fototra amin’ny fampianarana izany. Isan’andro, midina manara-maso ny EPP rehetra eo amin’ny fari-piadidiany ny sefo Zap ka hanampy azy ny fizarana môtô 140 ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga, izay natao omaly teny amin’ny Cisco Ambohidratrimo.

Anisan’ny antoka mampandeha ny fanabeazana ny fanaraha-maso ataon’ny mpanolotsaina pedagojika eny amin’ny sekolim-panjakana. « Ho an’ny faritra Analamanga, manodidina ny 90% ny taham-pahafahana fanadinana CEPE, 51% ny BEPC ary mbola mivoaka avy amin’ny sekoly tsy miankina ny mpianatra mahazo ny salanisa ambony mandritra ny fidirana 6ème sy kilasy 2nde », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny sefo Zap ho an’ny Dren Analamanga, Rakotondravaoaridahy Albert, omaly.

 

Hatao sonia amin’ity herinandro ity ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny mpanohana ara-bola hanomezana fitaovam-pianarana ny mpianatra rehetra amin’ny EPP ho an’ny taom-pianarana vaovao 2015-2016.

Vonjy A.

Cet article Hiofana ny sefo Zap sy mpanolon-tsaina 600 est apparu en premier sur NewsMada.

Tsy misy TDR : 30 ny tranga tazo ao Betraka

$
0
0
dr Hasina

 30 isam-bolana ny trangan’aretina tazomoka ao amin’ny CSB II Betraka, 54 km miala avy ao kaominina Lokomby, distrikan’i Manakara. Trakitera na môtô ihany no tonga any Betraka, araka ny fanazavan’ny sefo CSB, dokotera Rakotoarinaivo Hasiniaina. Tsy ampy ny fitaovana fitiliana ny aretina tazo (Test de Diagnostic Rapide) ny toeram-pitsaboana tantanany nandritra ny enim-bolana, vao tamin’ny volana mey lasa teo no tonga ny tahiry avy amin’ny PSI Madagascar. « Sarotra, araka izany, ny fandraisana an-tanana satria rehefa mafana hoditra ny zaza mbola mila hamarinina amin’ny fitiliana na tena voan’ny tazo marina na tsia hisorohana ny fanomezana fanafody tsy mifanaraka amin’ny soratr’aretina », hoy ihany ity tomponandraikitra voalohany ity.

Ho an’ny kaominina Lokomby (40 km miala eo Manakara) kosa, mitana ny laharana voalohany ny aretin’ny taovam-pisefoana, 30%-n’ny tranga vaovao tonga ao amin’ny CSB, vokatry ny fahasemporana, kohaka miseho amin’ny zaza madinika. 10 ny mpanentana ara-pahasalamana ao anatin’ny fokontany dimy misy ao amin’ny kaominina. Efa zatra asa ny mpanentana fa ny fandefasana ny tatitra no tsy manaja ny fotoana na misy diso indraindray.

Ho fanatsarana ny tolotrasan’ny mpanentana ara-pahasalamana, niofana ny sefo CSB mpiahy ny mpanentana ara-pahasalamana ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany ny alakamisy sy zoma lasa teo, tao Manakara. « 105 ny CSB ao anatin’ny faritra », hoy ny mpandrindra paritry ny tetikasa USAID Mikolo ho an’iny faritra iny, Ramiaramanana Delord.

Vonjy

Cet article Tsy misy TDR : 30 ny tranga tazo ao Betraka est apparu en premier sur NewsMada.

Viewing all 70686 articles
Browse latest View live