Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70793 articles
Browse latest View live

Tahirimbolam-panjakana: nanaovana asa soa i Fianarantsoa

$
0
0
Nosafidin’ny tahirim-bolam-panjakana hanaovana ny asa soa tamin’ity taona ity ny«Hospice-Orphelinat » ao Antanifotsy, izay tantanin’ny fikambanan’ny Vehivavy protestanta ivondronan’ny vehivavy FJKM sy FLM. Olon-dehibe roa (90 taona sy 80 taona) sy ankizy valo (7 hatramin’ny 22 taona) no monina ao amin’ity akany ity. Teo koa ny Akany Tranon’ny fitiavana Ambatomena, izay toerana fitaizana ireo manana […]

Analanjirofo: mitotongana ny vidina jirofo sy lavanila

$
0
0
Sahirana ny tantsaha any amin’ny faritra Analanjirofo. Mitotongana izaitsizy ny vidin’ny jirofo sy ny lavanila. Tsy mividy lavanila maitso mihoatra ny 50.000 Ar ny kilao ny mpanangom-bokatra. Mitaraina i Velonasy Georges, mpamboly lavanila any Ambodimanga Vavatenina, fa raha tsy hivarotra anefa dia misy mangalatra ao anaty ala ny vokatra. Raha karakaraina andrahoana indray, mety hotafihin’ny […]

Alaotra : manomboka miakatra ny vary jeby

$
0
0
Ho voavonjy? Manomboka masaka ireo vary novolena  amin’ny sisin’ny farihin’Alaotra. “Vary jeby” no fiantso azy io aty an-toerana. Ny morona atsinananan’ny farihy tsy lavitra ny farihy ireo tendrombohitra any ka tsy misy ny lemaka azo ambolena vary. Ny vary jeby dia eny amin’ny toerana nialan’ny ranom-parihy rehefa misintona ny rano rehefa maintany ny fambolena vary […]

Toby Fasankarana: nihatsara ny zotra Antsirabe

$
0
0
Efa manomboka hita taratra ny fiovana ny tobim-piantsonana zotra mankany Antsirabe, etsy amin’ny Fasankarana. Nitantana izany tao anatin’ny telovolana ny depiote teo aloha, tao Ambatolamoy, Raliva. Niaiky avokoa ny mpandeha, ny mpivarotra tsotra sy ny mpandraharaha fitaterana  ao amin’io tobim-piantsonana io  fa nisy ny fanavaozana. Mihafoana ny harom-paosy sy ny fisintomana ny entan’ny mpandeha. Madio […]

Miandrandra fifidianana milamina ny Andrimaso

$
0
0
Nanao antso avo ho an’ny rehetra ny mpanara-maso ny fifidianana Andrimaso, samy handray ny anjara biriky tandrify azy avy sy hanatanteraka ny adidiny mba ho fifidianana milamina ny hatao rahampitso. Nialoha izany, nanao tatitry ny fanaraha-maso nataony izy ireo nandritra ny fampielezan-kevitra. Nivoitra tamin’izany fa nisy ireo kandidà niezaka nandresy lahatra am-pilaminana ireo mpifidy vaventy. […]

Atsimo Andrefana: hotrandrahina ny arintany any Sakoa hanome 60 Mw

$
0
0
Niara-nidinika tamin’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana (Mica), ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono (Maep) nidinika,  ny herinandro lasa teo. Noresahana ny fananganana indostria any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, azo lazaina fa tratra aoriana amin’ny indostria. Rehefa natao ny fanadihadiana, betsaka ireo antony […]

Karibotel Analakely: hitondra ny “ Ianao ilay namako” i Issa

$
0
0
Ho etsy amin’ny Karibotel Analakely i Issa sy Yves Sakaiza ary Bera, ny asabotsy 12 desambra 2020, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. “Ianao ilay namako”… Hetsika tafiditra indrindra amin’ny fampahafantarana an’i Issa sy ny mozikany. Hahazo laka kokoa amin’izany ny hiran’i Issa. Na izany aza, hisy hatrany ny findramana ny hiran’ireo mpanakanto namana. Hitondra ireo […]

Teny Gasy 2.0: mitolona ho an’ny fahaveloman’ny teny malagasy

$
0
0
Efa tsy azo ihodivirana intsony ny fandrosoana sy ny teknolojia, indrindra eo amin’ny fikirakirana ny teny aman-tsoratra. Mitolona amin’ny fahamarinan-toeran’ny teny malagasy ny Teny Gasy 2.0. Eo am-pananganana ny fikambanana ho ara-panjakana izao ny ao amin’ny Teny Gasy 2.0. Heverina ho vita amin’ny taona vaovao io izany. Ny hetsika hatao manaraka izany, efa amin’ny maha […]

Orimbato: raikitra ny « Miderà anio ry mino »

$
0
0
Vanim-potoana lalovan’ny fiainam-piangonana, manamarika izany hatrany ny antoko mpihira Orimbato ao amin’ny fiangonana FJKM Ambatonakanga. Iray amin’ireny ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Ho an’ity taona 2020 ity, hanolotra ny « Miderà anio ry mino » izy ireo. Antsan-kira hotontosaina ny 20 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Ambatonakanga ihany. Fotoana hamelomana sy hihirana hiantsana indray […]

Hamoaka ny « Tiako loatra »: mitarika ny Tspik i Steph Rambi

$
0
0
Mety ho vaovao amin’ny maso sy ny sofina ny hoe Tspik. Tsy vaovao amin’ny mpankafy mozika kosa raha i Steph Rambi. Tarika iray natsangany ny volana febroary lasa teo ny Tspik, miaraka amin’ireo mpitendry tanora efa fanta-daza toa an-dry Andry Mika eo amin’ny vata maroafitsoka sy saxophone, Manitra eo amin’ny gitara, Arnel miangaly ny gitara […]

Approvisionnement: 5.315 tonnes de riz proposées aux grossistes

$
0
0
Approvisionnement: 5.315 tonnes de riz proposées aux grossistes

Kianja Barea Mahamasina: Tratra ambodiomby ireo dimy lahy mpangalatra vy

$
0
0
Kianja Barea Mahamasina: Tratra ambodiomby ireo dimy lahy mpangalatra vy

Sarim-behivavy ao anaty FB no hisintonany mpanjifa… : sarona ireo mpampiasa tovovavy hivaro-tena

$
0
0
Heloka bevava, voararan’ny lalàna tsotra izao, ny ataon’ireo vehivavy roa voasambotry ny polisy, ary efa naiditra am-ponja, omaly, ireto. «Proxenetisme» na fivelomana amin’ny vokatry ny fivarotantenan’ny hafa. Mahita hirika foana! Nidoboka avy hatrany eny amin’ny fon­jan’Antanimora ireo roa vavy (ireo hita amin’ny sary) voarohirohy ho tompon’antoka amin’ny fampiasana sarina to­vovavy entina hakana mpanjifa amin’ny fivarotantena […]

Fiarovam-pirenena : miara-miasa ny Tafika malagasy sy ny Frantsay

$
0
0
Manoloana ny fanavaozan-drafitra eo anivon’ny Ta­fika malagasy, miara-miasa amin’ny firenena vahiny ha­trany izy ireo hanatsarana iza­ny. Manoloana izany, misy ny fanavaozana sy ny fanatsarana fiaraha-miasa tafika eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa eo amin’ny sehatry ny fiarovana. Tonga nitsidika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard, sy ny lehiben’ny Etamazao­ron’ny Tafika malagasy, ny […]

Fanolanan-jaza… : voaheloka 5 sy 10 taona an-tranomaizina i Sitraka sy i Gahimaniry

$
0
0
Trangana fanolanana ankizikely tsy ampy taona roa samy hafa no niakatra tao amin’ny fitsarana ady heloka bevava, Toamasina ny alakamisy teo. Ny iray voalohany, antontan-taratasin’ady laharana 102-Toa/20 nanenjehana an’i Nomenjanahary Sitraka, 27 taona, voampanga ho na­nolana ankizikely 10 taona tao Antalaha sy tao Mananara, saingy tratran’ny zandary tao Toamasina izy ny 25 febroary 2019. Voalaza […]

Ivonketra Avaradrano : tratran’ny polisy ny lehilahy iray mpanao taratasy hosoka

$
0
0
Voasambotry ny polisy ekonomika, ny alakamisy teo, ny lehilahy iray 49 taona voarohirohy noho ny fanaovana taratasy hosoka. Naharay an­tso mahakasika ny fisiana ta­ra­tasy hosoka tonga tao amin’ ny “chef de centre fiscal” Avaradrano ny polisy ekonomika. Nandray ny avy hatrany andraikiny ny polisy ka nanao fanadihadiana momba izany. Fantatra tamin’ny alalan’ny angom-baovao voarain’ny po­lisy […]

Taksiborosy nivarina tao ambany tetezana..: mpandeha roa amin’ireo 12 tsy hita popoka, lasan’ny rano

$
0
0
Raha avotra ihany, na nisy naratra aza ireo mpandeha miisa 10 tao anatin’ity taksiborosy iray, nivarina tao ambany tetezana Tsarahasina, distrikan’i Port Berger, omaly, mbola tsy hita popoka kosa hatry ny omaly hariva, ka ahina ny ain’ireo mpandeha roa hafa lasan’ny rano. Tamin’ny 11 ora sy 15 mn no nitranga ity lo­zam-piarakodia ity tao Tsarahasina, […]

Loha olona… olon-kendry sy olo-mahay

$
0
0
Loha olona ny niavian’ny hoe loholona, nanaovan’ireo mpi­fidy fandatsaham-bato, omaly. Arahaba soa, arahaba tsara… Amin’ny ankapobeny, nizotra tamim-pilaminana sy tamim-pitoniana ny fifidianana loholon’i Madagasikara; eny, na teo aza ny karazana fanakianana sy fanakiviana tetsy sy teroa. Tsy maintsy ampandehanina ny raharaham-pirenena na eo aza izay mety ho tsy fitoviam-pijery tsy fahatomombanana, ka­razana sakantsakana… Efa nahabe […]

BNI Madagascar : voafidy ny filohan’ny filankevi-pitantanana

$
0
0
Mandimby an-dRabari­john Henri izao Rajaonarivelo Herintsalama eo amin’ny toeran’ny filohan’ny filankevi-pi­tantanan’ny BNI Madagas­car. Efa nitazona andraikitra tamina sehatra maro ny filoha vaovao ny filankevi-pitantanana, indrindra momba ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME). Efa niandraiketany ny International Trade Board of Madagasacar (IT­BM), nanorina ny Fikamba­nan’ny orinasa malagasy (Fom), filohan’ny Fivmpama nandritra ny taona maro. An­kehitriny izy, […]

Voka-pifidianana loholona : mifampitana eto Tana sy any Toamasina ny IRD sy ny MMM

$
0
0
Mifampitady ny MMM sy ny antokoben’ny fitondrana any amin’ny faritanin’i Toa­ma­sina. Tsy mifanalavitra ny elanelam-bato ny kandidàn’ ny Isika rehetra miaraka amin’ i Andry Rajoelina (Irmar) sy ny avy amin’ny antoko Ma­la­ga­sy miara-miainga raha ny voka-pifidianana vonjimaika, omaly. Noresen’ny MMM ma­zava ny kandidà miara-dia amin’ny fitondrana any Sainte-Marie. Miisa sivy ny vato azon’ny antokon’Andria­nai­narivelo Hajo […]
Viewing all 70793 articles
Browse latest View live