Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70834 articles
Browse latest View live

Kitra malagasy: mitaky fivoriambe tsy ara-potoana (AGE) ireo ligy 22

$
0
0
Mandalo fotoan-tsarotra ny baolina kitra malagasy amin’izao fotoana izao. Noho ny tsy maha eo ny filohan’ny federasiona (FMF), mitaky ny hanaovana fivoriambe tsy ara-potoana ireo ligim-paritra 22. Araka ny loharanom-baovao, mitaky ny hanaovana fivoriambe tsy ara-potoana (AGE) ao anatin’ny fotoana farany izay haingana mialoha ny faran’ity taona 2020 ity, ireo ligim-paritry ny baolina kitra miisa […]

Kianja monisipaly Toamasina: nolavin’ny mpanolotsaina ny fandravana

$
0
0
  Notsipahin’ny mpanolotsain’ny tanànan’ny kaominina Toamasina ny tetikasa fandravana ny kianja monisipaly, toerana filalaovam-baolina. Nandritra ny fivoriana, natao omaly talata 8 desambra, araka ny latsa-bato, 11 nandà raha 8 kosa nanaiky. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny hananganana ao amin’io fotodrafitrasa io ny kianja mitafo sy toerana fivarotana fitaovana ara-panatanjahantena, araka ny tatitra nataon’ny solombavambahoaka, […]

Kitra –MLS: resy ry Metanire

$
0
0
Tontosa, omaly talata 8 desambra tao amin’ny kianja Century Link Field, ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’i Etazonia na ny Major League Soccer (MLS 2021), taranja baolina kitra. Nandrombaka ny fandresena ny ekipan’ny Seattle Sounders, rehefa nandavo ny Minnesota United Football Club, misy ilay Malagasy, i Romain Metanire, tamin’ny isa tery 3 no ho 2. […]

«Optima Jirama»: hamoraina ny saran’ny herinaratra

$
0
0
Hiova ny fomba hanasokajiana ny saran’ny herinaratra ho an’ny mpanjifa tsotra ,manomboka amin’ny taona 2021, nomena ny anarana hoe “optima”. Tanjona ny hampihenana ny saran’ny fandanian’ny mpanjifa, arakaraka ny laniny isam-bolana. Miisa efatra ny sokajy handaminana ny mpanjifa ary manoro hevitra azy ny Jirama, raha roa teo aloha, ny “tarif 14” sy ny “tariff 16”. […]

Betsiaka-Ambilobe: noroahina ireo mpitrandraka volamena tsy ara-dalàna rehetra

$
0
0
Manohy ny hetsika “tsy andeferana na iza na iza” ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny harena lovainjafy (MEDD), amin’ny fanimbana sy ny fitrandrahana ny harena voajanahary anaty faritra arovana (AP). Anisan’ny misy ampahany tafiditra ao anatin’ny faritra tsy azo itsofohana na kasihina mihitsy (noyau dur) ao amin’ny faritra arovana Andrafiamena-Andavakoera, ny fitrandrahana […]

Avy aiza ary saika hatao inona ?: Telo lahy nahatratrarana greandy, “lance roquette”…

$
0
0
Avy aiza ary saika hatao inona ?: Telo lahy nahatratrarana greandy, “lance roquette”…

Biens de Ranavalona III: L’Etat malagasy remporte l’enchère

$
0
0
Biens de Ranavalona III: L’Etat malagasy remporte l’enchère

Kianja Barea Mahamasina/ Tratra ambodiomby ireo dimy lahy mpangalatra vy

$
0
0
Tratra ambodiomby, araka ny fitenenana! Tsy afa-niala ka dia noraim-potsiny ireto dimy lahy mpangalatra vy, amin’ny fanamboarana ny kianja Barea, tratran’ny polisy nanao fisafoana amin’ny alina, tetsy Mahamasina. Noraisim-potsiny ! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mahamasina (CSP5), omaly, ireo tovolahy nanararaotra nangalatra fitaovana hanamboarana ny Kianja Barea etsy Mahamasina. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, […]

Fanahiana loza eny ambony sy ambany tanàna/ Miomana amin’ny mety ho fihotsahan’ny vatobe ny CUA

$
0
0
Maka bahana. Efa miomana amin’ny mety ho fiavian’ny loza koa ny CUA. Natao, omaly, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny fanomanana ny fanazaran-tenan’ireo mpisehatra rehetra isan’ambaratongany eo amin’ny lafiny fiatrehana ny mety ho fiavian’ny voina. Ho sedraina mandritra izany ireo fitaovana sy antontan-kevitra “Plan de contingence mise à jour, matrice de réaction rapide mise à […]

  Tale jeneralin’ny Bianco  / “Ilana fiaraha-mientana…”  

$
0
0
  “Lohahevitra voizin’ny Firenena mikambana amin’ity taona ity ny hoe: “Ny rehetra miara-miady amin’ny kolikoly”. Mifototra amin’ny fampandraisana anjara sy andraikitra ny olom-pirenena tsirairay mba hiady amin’ny kolikoly ny hetsika rehetra.”, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Donat, omaly, nankalazana ny 9 desambra, Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly natao tany Mahajanga. Raha miara-mientana ny […]

Mila mailo hatramin’ny farany

$
0
0
Fotoam-panginana anio, fiafaran’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana loholona hatao rahampitso. Hanao ahoana? Na ahoana na ahoana, raharaham-pirenena ny fifidianana loholona. Anisan’ny miantoka ny fampandehan-draharaham-panjakana, indrindra amin’ny fandaniana lalàna. Eo ihany koa ny fisoloan-tena ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, ny fanoloran-tsaina ny mpanatanteraka… Ekena, ny mpifidy vaventy no mpandray anjara amin’ny fandatsaham-bato. Tsy mahagaga raha tsy maharaka loatra ny […]

Fifidianana loholona: nametrahana fepetra ireo mpifidy vaventy

$
0
0
                Tsy ho tahaka ny fifidianana rehetra andraisan’ny daholobe anjara. Nanome toromarika sy ireo fepetra samihafa, hiatrehana ny fifidianana loholona ny Ceni. “Ho an’ireo mpifidy vaventy tonga eny amin’ny birao fandatsaham-bato, misy ny fepetra eo am-pidirana”, ho ny mpampaka-teny, Rakotondrazaka Fano. Eo ny fampiasana ny tsiranoka famonoana otrikaretina, ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny fanaovana […]

Fidinana ifotony: nihaino ny olan’ny any Imady ny minisitra Vahiniala

$
0
0
Misedra  olana amin’ny faharatsian’ny lalana ny ao Ambositra mihazo an’Imady (12 km) sy Ambositra – Kianjandrakefina (32 km), indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Tafakatra 15.000 Ar ny sarandalana (Kianjandrakefina – Ambositra) raha tokony ho 5.000 Ar izany. Nahita maso izany ny minisitra mpiahy, Raharinirina Baomiavotse Vahinala, tamin’ny fitsidihana tany an-toerana, ny herinandro teo. Nihaino ny hetahetan’ireo […]

Indray mijery

$
0
0
I Maraoka no firenena afrikanina voalohany nanambara ny fahavononany hampiasa ny vaksiny miaro amin’ny valanaretina Coronavirus. Nangataka tamin’ny governemanta maraokanina ny mpanjaka Mohammed VI mba ho maimaim-poana ho an’ny vahoaka ny fahazoana ity vaksiny ity. Nanaiky ny hiara-hiasa amin’ny firenena britanika nikaroka ny vaksiny i Maraoka ary handray anjara amin’ny andrana ka hahazo fatra 10 […]

Razafindrakoto Falihery: « Laharam-pahamehana ny fananganana ny vaomieram-pirenena misahana ny olona manana fahasembanana »

$
0
0
Marihina isaky ny volana desambra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana. Ankotra ny hetsika fankalazana, mitondra ny heviny momba ny zava-misy sy ny fivoaran’ny asa ho fampanajana ny zo ny filohan’ny Tambajotra malagasy ho an’ny fahasembanana, Razafindrakoto Falihery. Gazety Taratra (*) : Inona no tena olana tsy mampandroso ny fivoaran’ny olona manana fahasembanana eto […]

Festival kanetibe: hahazo 1.500.000 Ar ny ekipa mpandresy

$
0
0
Hihanoka ao anatin’ny fetin’ny tsipy kanetibe indray ny rehetra manomboka ny faran’ny herinandro ho avy izao. Hisehatra amin’izany avokoa ireo mpilalao rehetra, izay tsy hanavahana na efa kalaza na vao mianatra. Mikarakara fifaninanana tsipy kanetibe ny Association sportive pour tous (ASPT) miaraka amin’ny Orange Madagascar sy ny Aro ary ny Hazovato sy ny THB, izay […]

Judo – Afrika seniors: ho avy amin’ny alahady ny vahiny andiany voalohany

$
0
0
Higadona eto Madagasikara, amin’ny alahady izao, ny delegasiona avy any ivelany andiany voalohany, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy seniors, taranja judo. Ny 17 hatramin’ny 20 desambra etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena no hanaovana izany. Izay, raha ny vaovao voaray, dia mahatratra hatramin’ny 30 ny isan’ny firenena handray anjara. Mahakasika izay, hizara andiany […]

Kitra: nanampy an’i Me Kira sy i Philibert ireo mpilalao fahiny

$
0
0
Efa am-bolana vitsivitsy izay no tojo tsy fahasalamana ireo kintan’ny baolina kitra fahiny, i Me Kira Michel sy i Philibert. Mpilalao fahiny nanana ny lazany izy mirahalahy ireo. Tsy nitazam-potsiny izany fahavoazan’izy ireo izany ireo zandrikely notezainy fa tonga nitondra ny voatsirambin’ny tanany ho fanampiana eo amin’ny fitsaboana. Saika tazana tamin’izany avokoa ireo mpilalao nandrafitra […]

Kitra – Ligue des champions D2 : mitarika ny Uscafoot Analamanga

$
0
0
Nitohy, omaly alarobia 9 desambra, ny andro faharoa amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara «Ligue des champions», D2. Mitarika ny Uscafoot, ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ho an’ny vondrona milalao any amin’ny kianja Carion Manjakandriana. Mbola nahazo fandresena fanindroany indray mantsy ry zalahy nanoloana ny Ased Diana tamin’ny isa 2 no ho 0. Manana isa […]

Alasora, Ambohimangakely: nohatsaraina ireo fotodrafitrasa famokaran-drano

$
0
0
Nidina ifotony nijery ireo fotodrafitrasa famokaran-drano fisotro madio ho an’ny faritra Analamanga ny minisitry ny Rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana niaraka tamin’ny ekipan’ny Jirama, tamin’ity herinandro ity. Taorian’ny fitsidihana teny Atsimondrano, izay nataon’ny minisitry ny Rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana, Rakotovelomanantsoa Voahary niaraka tamin’ny ekipan’ny Jirama dia nidina teny amin’ireo fotodrafitrasa […]
Viewing all 70834 articles
Browse latest View live