Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70642 articles
Browse latest View live

Andron’ny indostria aty Afrika : Fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’i Madagasikara

$
0
0
Nankalazaina, omaly, tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny Andron’ny indostria aty Afrika 2020. Nitarika ny fotoana ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny indostria (Onudi), ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana ary ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim).  Navoitra tamin’ny An­dron’ny indostria aty Afrika ny fifanakalozana malalaka ao anatin’ny fifaninanana, izay misy tse­na mahatratra […]

Hita nihosin-dra teo amin’ny arabe: maty voatsatoka antsy ny maître Bary

$
0
0
Nandriaka indray ny ra teny Ankaraobato, omaly maraina. Hitan’ny fokonolona nihosin-dra tanteraka ny maitre Bary, nivalampatra tamin’ny arabe. Olona sendra nandalo ny nahita azy teo amin’ny rarivaton’Ankadilalampotsy-Ankaraobato. Feno dian’antsy ny faritry ny tendan-dRatompokolahy Bary. “Antony mety ho nitarika ny fahafatesany”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nambarany fa monina eny Antsahasoa, tsy lavitra eny, ralehilahy. Mpitaiza […]

Hapetraka ny paikady hamongorana ny kere

$
0
0
Manatanteraka fitsidihana any amin’ny faritra atsimo ny Praiminisitra (PM) Ntsay Christian sy ireo mpikambana maromaro eo anivon’ny governemanta ahitana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard. Miaraka amin’ireto delegasiona ireto ny solontenan’ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana, toa ny Pam. Tanjona amin’izao ny fametrahana tetipanorona matipaika hamongorana tanteraka ny tsy fahampian-tsakafo mianjady […]

Fikasana hanondrana antsokosoko any Dubai: saron’ny ladoany eny Ivato ny volamena 15 kg

$
0
0
  Ampahafirin’ireo bolongam-bolamena efa miteronterona any amin’ny firenena any ivelany ity sarona ity? Tratran’ny fadintseranana eny Ivato, ny asabotsy teo, ny volamena milanja 15 kg mahery, saika haondrana any Dubai. Olona iray voarohirohy. Milanja 15,245 kg izao sarona nampiarahina amin’ny asa tanana sary baobab vita amin’ny vy izao ary mitentina hatrany amin’ny iray tapitrisa dolara […]

  Tontolo iainana… isainana    

$
0
0
  Anisan’ny imasoan’ny fitondram-panjakana amin’izao ny fiarovana ny tontolo iainana, iray amin’ny fototry ny fampandrosoana. Amin’izany, ny tontolo hoe ambonin’ny tany sy an-dranomasina ary ana habakabaka no mby ao an-tsain’ny ankamaroan’ny olona. Tsy misy mahadiso an’izay. Saingy, saika mila hadino na tsy heverin’ny sasany loatra izay manodidina azy… iainany: tontolo iainana mila isainana. Amin’ny fiainana […]

Fidinana tany atsimo: hovahana ny olan’ny kere

$
0
0
 Nidina ifotony nijery ny dingana efa vita ny delegasionina notarihin’ny Praiministra Ntsay Christian, ny herinandro teo. Nanome toromarika ho an’ireo tompon’andraiki-panjakana sy ny solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina ao Amboasary Atsimo ny tenany. “Tena ambony sy lehibe ny fanamby miandry antsika raha ny ady amin’ny kere aty atsimo”, hoy izy. Mbola hisy ny fotoana […]

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Positive Planet: nahazo roa hetsy Ariary avy hanaovana tetikasa ireo sahirana

$
0
0
Nanolotra mari-pankasitrahana ireo nahavita fiofanana miisa 96 tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely ny ben’ny Tanàna an’Antananarivo, ny zoma teo. Niompana amin’ny sosialy, fampahafantarana ny “Centre ilaiko” na ny “Centre d’accès sociale” (CAS) amin’ny fanatonana ny foibe raha misy iharan’ny herisetra eny amin’ny fiarahamonina izany. Eo koa ny fihainoana sy ny fanohanana hevitra ary ireo olana amin’ny […]

Fiatrehana fifidianana: hijery ifotony ny olan’ny kaominina ireo loholona MMM

$
0
0
Anjaran’Atsimondrano sy Avaradrano indray ny faran’ny herinandro teo. Nandresy lahatra ireo mpifidy vaventy amin’ireo kaominina amin’ny distrika roa ny kandidà loholona, lisitra Malagasy miara-miainga, Rakotondrainibe Michel sy Ravelonjato Bernard. « Tsy ho mpandany lalàna fotsiny fa hitondra ny tenin’ireo mpifidy vaventy amin’ireo ambaratonga  samihafa sy ny mpiara-miombona antoka. Aoka tsy hijery loko politika isika. Tokony hanao tamberin’andraikitra […]

Hetsiky ny olom-boafidy eny fotony : « Tokony hohajaina ny safidin’ny tsirairay… »

$
0
0
« Tsy misy ny teritery », hoy ireo avy amin’ny Hetsiky ny olom-boafidy eny ifotony, raha nihaona amin’ny mpanao gazety tetsy Antanimena izy ireo. Nambaran’ny mpitarika, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Mandrosoa, Andramasina, Andrianomenjanahary Laza, fa vonona hanatanteraka ny adidiny amin’ny fifidianana loholona izy ireo. Hitandro ny fihavanana sy hikatsaka ny soa iombonana sy ny fampandrosoana ho an’ny […]

Kolikoly sy fanararaotana: nahazo fahafahana vonjimaika ny DG-n’ny ACM

$
0
0
   Nahazo fahafahana vonjimaika rehefa niakatra tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) 67 ha, ny herinandro teo, ny tale jeneralin’ny ACM. Nitory mpiasa vitsivitsy ao aminy ity tompon’andraikitra ity ka niitatra ka nanjary nahavoarohirohy olona ampolony. Vokany, roa naiditra vonjimaika am-ponja ka iray avy eo amin’ny ACM, ny iray avy eny anivon’ny […]

Sahiry: « Tsy tonga any ifotony ny fanampiana »

$
0
0
Nivoaka amin’ny fanginany. “Tsy tonga eny anivon’ny fokontany ireo fanampiana ho an’ireo kere any atsimo. Hatreo anivon’ny kaominina ihany izany. Mihinana voamadilo sy ravina raketa hitazonana aina ny mponina”, hoy ny fikambanana Sahiry. Namory mpanao gazety tetsy Tsimbazaza izy ireo, ny asabotsy teo. Ahitana ireo mpanakanto avy any atsimon’ny Nosy. Na izany aza, nankasitrahin’izy ireo […]

Jly Ravalomanana : “Tsy ekena ny fanakorontanana ”   

$
0
0
“Misy sokajin’olona miezaka araka izay azo atao tsy hahavita ny fifidianana loholona. Misy koa sokajin’olona: rehefa tsy vita ny misakana anio, hanao izay hanakorontanana azy. Misy koa rehefa tsy vita ny manakorontana, hanao izay tsy hahamarim-pototra ny valim-pifidianana. Tsy azo ekena izany”,  hoy ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Ravalomanana […]

Governoran’ny faritra Ihorombe: laharam-pahamehana ny fametrahana fandriampahalemana

$
0
0
Voatendry ny governoran’ny faritra Ihorombe rehefa niandry nandritra ny volana maro ny mponina ao an-toerana. Nametraka vina hampandroso haingana ny faritra ny mpitantana vaovao.    Noraisin’ny vahoakan’Ihorombe, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny governoran’ny faritra izay andriambavilanitra, i Nomenjanahary André Tafita Sareine. Nomen-danja ny fanajana ny fomban-drazana sy ny kolontsaina malagasy amin’ny fandraisana vahiny toy […]

Manahy ny mpitantana sekoly: “Lasa fanararaotana ny fitorohana ny herisetra”

$
0
0
Taorian’ny fanentanan’ny tomponandraikitra ny rehetra tsy hisalasala hitoroka raha mahita endrika fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy, manahy ny fivoaran’ny zava-misy ny mpitantana sekoly tsy miankina sy ny mpanabe. Nisy tranga iray niseho tamin’ny sekoly tsy miankina eny Tanjombato, nilazana fa nisy mpampianatra lehilahy nikitika ny mpianatra ao amin’ny “grande section” telo vavy, 5 taona avy. […]

Nomcebo teny Antsonjombe: nafana ny dihy sy ny hira “Jerusalema”

$
0
0
Rehefa tsy nahita fampisehoana an-tsehatra tao anatin’ny volana maromaro… Rehefa ela niandrasana ny tarika Nomcebo… Anjaran’Antananarivo indray ny omaly! Naverina indroa ny fihirana an’ny « Jerusalema », teny amin’ny Coliseum Antsonjombe Analamahitsy, omaly tolakandro. Amin’ny akoapobeny, io hira nohaingoana dihy mirindra io no tena nandrasan’ny maro tonga teny an-toerana, avy any amin’ny Nomcebo. Samy nanezaka ny hiaina […]

RFC – Fifaninanam-pirenena: nanomboka omaly ny fifaninanana

$
0
0
Mahatratra sivy ireo sarimihetsika novokarina teratany malagasy niatrika sy hiatrika fitsarana ataon’ireo mpitia ity zavakanto sy kolontsaina iray ity. Tafiditra ao anatin’ny « Rencontres du film court”, notontosaina, omaly, tao amin’ny Institut français de Madagascar Analakely ny fizarana voalohany. Saika nitovitovy hatrany ny nambaran’ireo olona tonga teny an-toerana nijery sy nanatanteraka ny fitsarana na ny fanomezana […]

Tolo-tanana ho an’i Piff: niray hina tanteraka ireo mpiangaly mozika rap

$
0
0
Tontosa, ny asabotsy 21 novambra teo nanomboka tamin’ny 10 ora maraina, ny tolo-tanana ho an’i Piff. Fiaraha-mientana hip hop… « Iray aina, iray vatsy », notanterahina tetsy amin’ny Noumba Club Itaosy (Guest House teo aloha) izy ity. Maro ny nandray anjara tamin’izany hetsika izany, toa an-dry Mamy Saya & Alkassim, ny 08MM, ny Miora Killah&Ratex, ny Slem […]

Akon’ny baolina kitra

$
0
0
Frantsa: Hilalao ao amin’ny Lille i Sedera Araka ny vaovao, hita tao amin’ny tambanjotran-tserasera, ny zoma lasa teo, hanatevina ny ekipan’ny Losc Lille, “Ligue 1” any Frantsa, i Evan Sedera izay vao 15 taona monja. Zanaka Malagasy i Sedera ary teraka teto Madagasikara, ny 18 mey 2005. Mandritra ny roa taona sy tapany ny hilalaovany ao […]

“Ambohimalaza Time Attack 1.0”: Motobe 50 hifaninana amin’ny sokajy fito

$
0
0
Hanamarika ny faran’ity herinandro ity ny “Ambohimalaza Time Attack 1.0”. “Zava-baovao eo amin’ny taranja mekanika izy ity”, hoy ny fanazavana nentin-dRandriamorasata Ditratiana, mpikarakara.  Gazety Taratra (*): Inona ilay hetsika “Ambohimalaza Time Attack 1.0”? Randriamorasata Ditratiana (-): Hetsika karakarain’ny X’Inov créateur d’impact sy ny BMC ary ny MCM sy ny Trace izy ity ary hazakazaka adim-pamantaranandro […]

Fandaharanasa Afafi Nord: 50 tapitrisa euros avy amin’ny UE

$
0
0
Misy ny Fandaharanasa fanohanana ny famatsiam-bola ho an’ny fambolena sy ny lalam-pihariana ifotony ho an’ny tapany avaratra (Afafi-Nord). Mamatsy azy vola, mitentina 50 tapitrisa euros, ny Tahirimbola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana andiany faha-11 na  « 11 è Fed ». Voakasik’izany ny faritra telo, manana otrikarena amin’ny fambolena sy ny indostria ary ny fizahantany. Ahitana ny distrika Sambava, […]
Viewing all 70642 articles
Browse latest View live