Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70542 articles
Browse latest View live

Alliance Française Antsirabe : sambany hiaka-tsehatra any i D’Gary

$
0
0
d'gary

Araka ny fandaharam-potoan’ny Alliance française Antsirabe (Afa) fantatra fa hanao fampisehoana goavana ao amin’ity foibe ara-koltoraly ao andrenivohitr’i Vakinankaratra i D’Gary. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva izany.

Sambany izany ity mpanakanto manana ny lazany manokana ity, tsy eto an-toerana ihany  fa hatrany ampitan’ny ranomasina koa, no hiaka-tsehatra eto Antsirabe. Hiaraka aminy mian-tsehatra mandritra ity seho ity ireo mpanan-talenta avy ao amin’ny antoko mpihira Normal Gospel.

Jeannot Ratsimbazafy


Tantara amin’ny onjampeo : hanao jery todika ny VMT

$
0
0
VMT

 Toy ny fanaony isan-taona. Hifamory sy hihaona etsy amin’ny foiben’ny Omda Faravohitra, rahampitso tolakandro manomboka amin’ny 2 ora, ny eo anivon’ny Vondron’ny mpiangaly tantara amin’ny onjampeo (VMT).

   Anisan’ny horesahina sy hifampidinihana amin’izany ny fanaovana jery todika ny zava-bita teo aloha, indrindra fa ny tamin’ny taon-dasa.

   Fa eo koa no hanaovana tombana ny ho avy, eo amin’ity tontolon’ny filalaovana tantara amin’ny onjampeo ity.

     Hitondran’ny mpitarika fanazavana amin’io fivoriambe io koa ny nanovana ny anarana ho VMT.

     Tsiahivina fa efa maro sy miroborobo izao ireo tanora vao misandratra, ankoatra ireo efa andrarezina amin’ny filalaovana tantara amin’ny onjampeo eto amintsika. Mbola manana ny toerany rahateo eo amin’ny mpihaino onjampeo ny tantara. Manaporofo izany ny fahamaroan’izy ireny mandefa tantara mitohy na indray miseho amin’izao fotoana izao.

   Hofaranana amin’ny fiarahana miala hetaheta ity fihaonambe ity.

Synèse R.

Mpikalo : mpianatra 450 mahery hianatra Baiboly

$
0
0
Filoha Mpikalo

Andrianiko ny teniko satria itoriko ny Vaovao Mahafaly”. Tsy zary teny filamatra fotsiny ho an’ny fikambanan’ny mpikabary katolika (Mpikalo) io fa tanterahina sy iainana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fampianarana. Hanatanteraka fianarana Baiboly eny amin’ny fiangonana Ekar Ambohimirary ny Mpikalo rehetra ato anatin’ny diosezin’Antananarivo, ny tontolo andron’ny alahady 19 avrily izao. Mahatratra 450 eo ho eo izy ireo. Mpikabary hivoaka amin’ny 1 aogositra izy ireto raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra ihany.

Hetsika anisan’ny mampiavaka ny Mpikalo ihany koa ny fanatanterahana fihatahana masina izay hotanterahina aorian’ny fianarana Baiboly. Arahina fampivondronana faobe sy fanadinana iombonana izany. Ankoatra ny mpianatra, hanotrona eny an-toerana avokoa ny mpampianatra any anivon’ny rantsana sy ny distrika.

Raha ny re nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2015, hotanterahina ny volana mey izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Mpikalo nasionaly.

HaRy Razafindrakoto

Haody : malaza indray ny “resa-boky”

$
0
0

 Volana marsa, totoafo ny hetsika momba ny soratra tetsy sy teroa. Volana avrily, malaza indray ny “resa-boky”. Sehatra tena mbola sahirana eto amintsika. Ny mpanoratra, tsy manan-kantenaina ny hahatafavoaka boky. Ny mpanonta sy ny mpanapariaka, dinganin’ny mpanoratra. Ny mpivaro-boky, zara raha mahalafo!

Olana tsy mbola nahitana vahaolana matotra ireo hatramin’izao. Ny fanjakana nandrandraina ho raiamandreny, toa tsy mifantoka loatra amin’ny “resa-boky”. Zary fialofana mahomby ny filazana fa“manamora ny fizotran’ny asa… Io no andraikitray”…

Tsy mby ao an-tsain’ny olona maro hatramin’izao ny maha fitaovam-panabeazana ny boky. Matetika amin’ny maha fitaovam-pianarana azy no haintsika. Tsy mahagaga raha mitobaka eto amintsika ny manam-pahaizana tsy ampy fahalalana!

HaRy Razafindrakoto

Lôlô : « Tsy misy hoe rava na misy vao niforona ny Lôlô sy ny tariny… »

$
0
0
LOLO 1

 Lôlô sy ny tariny… Na dia aman-taonany tsy heno aza, marobe hatrany ireo mpankafy miandrandra ny fampisehoan’ity tarika manana ny lazany hatrany amin’ny taona 80 ity. Rava ve ny tarika ? Inona ilay hoe « Lôlô Sy… » ? Toa misy mpanakanto vaovao manaraka an’i Lôlô ? Somary fanina ny mpankafy, mitondra fanazavana kosa Rakotomanga Angelo na i Lôlô. Resadresaka manokana.

Gazety Taratra (*) : Efa nandrasan’ny mpankafy ny fahatongavanao eto an-tanindrazana. Azonao hitondrana fanazazavana ve ilay hoe « Lôlô Sy… » ? Tsy misy intsony ny Lôlô sy ny tariny ?

Lôlô (-) : « Lôlô Sy… », ireo mpanakanto marobe miara-milalao mozika amiko ny tohiny. Tsy misy hoe rava ny Lôlô sy ny tariny na hoe misy Lôlô sy ny tariny vao niforona. Misy sahirana ara-potoana ka tsy afaka ireo mpikambana. Amiko, izay vonona amin’ny sainy sy araka ny fotoany no miara-manao mozika. Izay ilay « Lôlô Sy… ». Ny hira izany no hatao laharam-pahamehana ka izay no mitondra izay hatao rehetra.
Amin’ny seho izay hotontosaina eto manaraka izao, ohatra, Lôlô sy Bebey, Benny, Sammy, Farah, Nonoh ary i Bim. Efa niara-nilalao mozika ary mety ny fiarahana amin’ izy mirahalahy farany ireo. Misy mpanakanto tanora maromaro miara-miasa amiko koa any andafy. Asa raha efa henonareo ny santionany tamin’ny nataonay fa efa mba naparitako ihany.

* Ao am-pon’ny mpankafy hatrany ny hiran’ny Lôlô sy ny tariny. Efa noeritreretin’i Lôlô ve ny mety mahasarotiny ny mpankafy amin’izay mety ho fiovana ?

- Tsapako tsara izany. Nitondrana fanavaozana ireo hira efa fantatra, mba ho tian’ny tanora ihany koa. Tena mitandrina tsara anefa izahay mba tsy hanimba hira izany. I Lova, ohatra, namerina an’i Benoro, tena nanaja tsara ny rindra sy ny fanahin’ilay hira ary tsapako fa mety ary tsy tokony hampaninona ny mpankafy izany. Toraka izany koa ny namerenanay tany andafy ny « Raha mankany ». Tsy misy hatahoranareo raha izay hoe hira ho simba izay…

* Hamerina ireo hira taloha rehetra, sa hanao hira vaovao i Lôlô Sy… ny ekipany ?

– Mila fehezina avokoa aloha ireo hira rehetra. Ezahinay haverina araka ilay fanavaozana noresahiko teo ireo hira taloha. Efa maromaro koa ny hira vaovao hafa navoakanay, toa izay niarahako tamin’i Farah. Mbola nihaino, nianatra ary niezaka nifehy ireo hira koa ireo mpanakanto tanora sasany.
Mikasika izay ihany, i Farah izao no anisan’ireo mpanakanto tanora miara-mihira amiko, manana ilay fahafahana ara-potoana sy vonona ara-tsaina. Anisan’ireo ho avy hanatontosa ny seho aty an-tanindrazana izy, ka higadona eto ny asabotsy izao.

* Azo antenaina ve izany ny seho goavana sy ny rakikira iarahana amin’ny Lôlô sy ny tariny ?

- Efa nodinihina avokoa. Mikasika ny rakikira izao, toa hain’ny olona avokoa ireo hiran’ny Lôlô sy ny tariny, kanefa kapila « vinyl » iray tamin’ny taona 1980 no navoakanay. Efa nivazivazy aza izahay hoe « hatao inona moa rakikira, fa efa any am-pon’ny mpankafy ireo hira ? ».
Fa na izany aza, mba te hizara ny sanganasa ihany, ka hoeritreretina manaraka izay.
Mikasika ny fampisehoana goavana indray, tsy maintsy hisy koa izany. Efa nisy ny namana mpikarakara nifampiresaka tamiko. Fa tsy afaka manao izay aloha raha tsy tontosa ity tetikasa iray ity…

Seho roa, ho an’ny asa soa
Tamin’ny fotoana nandalovan’i Lôlô farany, efa nitondrany fanazavana momba ilay tetikasa hanampiana ny mpiara-belona tojo fahasahiranana. Nifanojo tamin’ny vinan’ny Lions Club Antananarivo Avotia izany ka raikitra ny fiaraha-miasa. Hisy ny seho hotontosaina, hitadiavam-bola hanampiana ireo sahirana. Hotontosaina ny alin’ny zoma 24 avrily izao ny voalohany, etsy amin’ny Café de la Gare Soarano.
Haka endrika fitsangantsanganana arahina fampisehoana goavana kosa ny faharoa, any amin’ny  Label.Village , Arivonimamo, ny alahady 26 avrily. Toeram-pialamboly vaovaoan-dalam-panitarana kanefa afaka mandray hetsika goavana izy ity.
Amin’ny 10 ora dia hanomboka ny lanonana any an-toerana, ka hanokatra sy hampiakatra ny hafanana amin’izany ry Jimmy & Co. Malalaka ny sehatra, afaka mandray anjara ny mpijery izay tonga aloha. Misokatra ho an’ny rehetra koa ireo karazam-pialamboly rehetra misy ao. Amin’ny 2 ora kosa no tena hanomboka ny sehon-dry Lolo Sy.
Nampanantena ny kaoperativa Kofitsiro fa tsy hitsahatra ny fitaterana ny olona te ho any, miala eo Anosizato ary mandroso sy miverina.

Nangonin’i Zo ny Aina Randriatsiresy

Andron’ny asa : hisy tolotrasa 1 000 etsy Mahamasina

$
0
0
Asa 17 avril

 Tetikasa Ambatovy, ny orinasam-pifandraisana Orange… Samy hanana tranoheva sy hampahafantatra ny momba azy etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny 21 sy 22 avrily ho avy izao.

   Tafiditra amin’ilay hetsika « Andro’ny asa sy ny fanofanana » andiany fahenina izany ary ahitana tolotrasa maherin’ny 1 000 ho an’ny tanora.

   Ankoatra ireo tranoheva 36, hisy koa ny adihevitra sy famelabelaran-kevitra hiompana amin’ny lohahevitra samihafa. Anisan’izany ny famoronana asa mitondra ho an’ny fampandrosoana. Eo koa ny tontolon’ny fizahantany sy ny hotely ary trano fisakafoana, seha-pihariana sy asa manana ny hoaviny.

Manampy izany ny fahaiza-mitantana sy fifandraisana amin’ny mpanjifa. Hahazo tombony koa ireo mpitady asa satria homena toromarika amin’ny fanamboarana ny taratasy fitadiavana asa izy ireo…

Tsiahivina fa ny eo anivon’ny MRH no mikarakara ity hetsika ity ary hanasana sy iantsoana ireo tanora.

Synèse R.

Nahazo toeram-pamakiam-boky ny EPP Iavoloha

$
0
0

 Notokanana, omaly, ny ivontoeram-pamakiam-boky ho an’ny EPP Iavoloha ka nanatrika izany ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery mivady. Nanolotra fitaovana marobe sy kojakoja manokana ho an’ny EPP izy ireo nandritra ny fitsidihana nataony. Tao ny seza, fitaovam-pianarana samihafa ho an’ny mpianatra ao amin’ny kilasy 7ème. Nisy baolina koa ho an’ny mpianatra sy ordinatera, fahitalavitra ho an’ny ivontoeram-pamakiam-boky. Mbola nahazo kilalao koa ny kilonga madinika ao amin’ny préscolaire hanitarana saina.

Ankoatra ny fampitaovana, nasiana fanavaozana ny efitrano fianarana valo satria efa simba.

Mampivelatra ny mpianatra ny fisian’ny toeram-pamakiam-boky satria tsy mahavita mividy boky intsony ny ray aman-dreny ka any an-dakilasy no manarina izany ny mpampianatra.

Efa maro ny ivontoerana, tahaka izao, nampitaovan’ny vadin’ny filoham-pirenena hatramin’ny taon-dasa manerana ny Nosy.

Mivoatra rahateo ny toerana famakiam-boky satria afaka mijery fandaharana fibeazana natokana ho azy ny kilonga madinika.

Nanomboka omaly koa, nanatrika ny lanonana fisantarana ny tetikasa « women for water and sanitation » any Washington ny vadin’ny filoham-pirenena.

Vonjy  

Hikendrena ny rehetra ny “Tsenaben’ny boky”

$
0
0
AEDIM

Tanterahina etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny 20 ka hatramin’ny 24 avrily izao ny “Tsenaben’ny boky”. Hetsika fanaon’ny fikambanana Mampiely Baiboly eto Madagasikara (FMMB) sy ny fikambanan’ny mpanonta boky eto Madagasikara (AEdiM) isan-taona. Hikendrena ny rehetra ny hetsika amin’ity taona ity satria ankoatra ny mpikarakara, ho tonga eny an-toerana ny federasion’ny mpikanto teny sy soratra (FMTS) sy ny sendikan’ny mpanoratra. Ho zary fihaonan’ny mpamaky, mpanonta boky, mpanoratra ary ny sendikà ny eny Antaninarenina ao anatin’ireo andro ireo.

Ho avy eny an-toerana isaky ny amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 10 ora sy sasany maraina ny Havatsa-Upem, Faribolana Sandratra, Vondron’ny mpanao tantara, Madagaslam, vondron’ny mpikabary ankehitriny, korirakanton’ny haisoratra malagasy. Hampahafantatra sy haneho ny fahaiza-mifehy ny sehatra misy azy (antsa tononkalo, tantara fandefa amin’ny Radio, slam, kabary…) ny tsirairay.

Faranana amin’ny loabary an-dasy lehibe ny hetsika ny 24 avrily izao. Fotoana hanazavan’ny mpanonta boky ny anjara toeran’izy ireo manoloana ny rohim-boky. Hohazavaina amin’io koa ny fomba fahitan’ny mpanoratra ny mpanonta boky. Ny zavatra ifampiandrasana, sns.

HaRy Razafindrakoto

 


Adema : ho fantatra anio ny orinasa hahazo ny tolo-bidy

$
0
0
adema

Nambaran’ny minisitry ny Fotodrafitrasa sy ny fanajariana ny tany, omaly fa orinasa efatra tamin’ireo 16 no naneho ny fahavononany handray ny fanarenana ny seranam-piaramanidina Ivato. Hosokafana anio ny valopy mirakitra ny tolo-bidin’izy ireo avy, ary hodinihin’ny vaomiera iombonana mialoha ny faran’ny volana avrily izao.

Nahitsiny kosa ny filazana fa lasan’ny orinasa sinoa ny asa fanarenana ny seranam-piaramanidina. Fifanakalozam-baovao ny fihaonany tamin’ny ambasadaoron’i Sina, farany teo, ary nohamafisiny fa  manara-dalàna ny firenena sinoa ary naneho ny fahavononany hanampy antsika amin’ny fampandrosoana toy ny fanamboarana fotodrafitrasa, ohatra.

Mitaky antoka an-tsoratra ny mpiasa

Etsy ankilany, tsy mbola niditra tamin’ny hetsika nolazainy fa hataony ny mpiasan’ny Adema, amin’ny alalan’ny vaomieran’ny krizy. Ankatoavinay ny filazana fa tsy hikitika ny mpiasa ny mpitantana sy ny fanjakana, saingy mila antoka an-tsoratra izahay fa tsy tokony hatao am-bava fotsiny. Mampiahiahy azy ireo koa ny filazana fa sinoa no hanao ny fanarenana ny seranam-piaramanidina, nefa anio vao hosokafana ny valopy mirakitra ireo nanao tolo-bidy. Araka izany, mitaky fihaonana mivantana amin’ny tena mpanapa-kevitra ny mpiasa, fa tsy mila mpanelanelana.

Ho an’ny minisitry ny Fitaterana, olom-bitsy ireo mpanao fihetsiketsehana ary tsy nisy nitonona tamin’ny anaran’ny sendikà na ny delegen’ny mpiasa, izay hany ara-dalàna amin’ny tranga toy izao.

Midika ireo fa misy ny tsy fitovizam-pijery ary andrasana ny tohiny.

Randria

Indray mijery

$
0
0

 Nitsidika ny foibe fandraisana an-tanana ireo ankizy manana olana ara-tsaina eny amin’ny Les Orchidées Blanches ny minisitry ny Mponina, ny fiandohan’ny herinandro teo. Nahafahany nijery ny fiainan’ny ankizy amin’ny ankapobeny ny fidinana teny ifotony. Mandray an-tanana zaza 110 ny foibe eny Androhibe fa 800 kosa ny fitambaran’ny ankizy manana olana ara-tsaina beazina amin’ny ivontoerana 15 manerana ny Nosy, araka ny vaovao azo, omaly.

Manana toerana fanamboarana tsaoka ny foibe eny Androhibe, izay niforona ny taona 1972. Efa nahazo ny fenitra maha ONG azy ity ivontoerana ity ny taona 2007. Tanjona ny hanampy ireo zaza beazina ho mahaleotena amin’ny fiainana andavanandro nefa manaja tanteraka ny maha olona.

Manomboka ny 100 andron’ny PMO sy PND : «Tsy misy ny fahagagana, mila faharetana isika», hoy ny PM Ravelonarivo

$
0
0
pmo

 Vita omaly, ny atrikasa namaritana ny Drafi-panatanterahana ny asa (PMO) voafaritry ny Fandaharanasam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (PND). Nanamafy ny velirano koa ny praiminisitra fa hiady amin’ny trafika harena voajanahary samihafa.

Io fa fantatra ! Ny 10 avrily teo ny daty ofisialy nanombohan’ny asa ahitam-bokatra haingana ao anatin’ny 100 andro (RRI). Nampahafantarin’ny Praiminisitra Ravelonarivo Jean izany nandritra ny fotoam-pamaranana ny famolavolana ny Drafi-panatanterahana ny asa (PMO) nofaritan’ny Fandaharanasam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (PND), omaly tolakandro teny amin’ny CCI Ivato. Haroso eny anivon’ny mpamatsy vola ny fandaharanasa arakaraka ny seha-pihariana avy. « Tsy misy ny fahagagana, mila faharetana isika, satria asa tokony ho efa natao sy vita tao anatin’ny roa, telo na dimy taona izao hatao izao », hoy ihany izy. Nohamafisiny koa ny velirano na fanamby efa nataony tamin’ny fotoam-panokafana ny 9 avrily fa hiady amin’ny trafika andramena, vatosoa sy harena voajahanary, halatra taolam-paty sy taova, sns.

Tsy nambara ny sazy ho an’ireo tsy mahatratra ny tanjona

Anisan’ny paikadin’ny fanjakana koa ny hahitana vokatra ao anatin’ny 100 andro (RRI). Midika ve izany fa natao ho laharam-pahamehana iretsy veliranon’ny praiminisitra iretsy ka nampidirin’ny minisitera tandrify azy avy, toy ny ao amin’ny Tontolo iainana, ny Fitandroana ny filaminana, ny Fitsarana, ohatra ?

Na nanatitrantitra fa mila miasa, miasa, miasa ny rehetra aza ny praiminisitra, tsy nambarany ny fepetra na sazy horaisin’ny filoham-pirenena na ny tenany ho an’ireo minisitra na minisitera tsy nahatratra ny tanjona na tsy nahazo ny vokatra nandrasana aorian’ny 10 jolay ho avy izao, fe-potoan’ny 100 andro.

Nampahafantariny ny mpanatrika koa, omaly, fa taona iraisam-pirenena ho an’ny fanombanana ezaka ny taona 2015.

Lafin-javatra telo lehibe

Nambaran’ny mpandrindra teknika ny PMO, Jaonasy Joelson, fa miompana amin’ny lafin-javatra telo lehibe ny PMO. Ny singa fototra mamaritra ny sehatra tena lehibe, ny fomba fanatanterahana azy, mifanaraka amin’ny lalàna sy ny rafitra misy ary ny drafitrasa hanatanterahana azy ireo. Haroso farany eny amin’ny vaomiera stratejika, tarihin’ny praiminisitra ity drafitrasa ity, hijerena sao misy pitsopitsony mila amboarina.

Njaka Andriantefiarinesy

Any atsimo : zaza 15 000 tohanana ara-tsakafo

$
0
0
PAM

 Nanomboka ny fizarana fanampin-tsakafo mitondra otrikaina ny zaza enim-bolana ka hatramin’ny 24 volana iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Miantefa amin’ny ankizy 15 000 ao amin’ny distrikan’i Betioky, Beloha ary Bekily ny tohana ara-tsakafo ahitana vovo-dronono, voanjo, menaka, siramamy ary ireo akora mineraly ilain’ny vatana, zarain’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo (Pam). Anisan’ny niteraka voka-dratsy ny tsy fahampian’ny orana any atsimo ho an’ ny mponina amin’ireo distrika ireo satria potika avokoa ny voly ary niharatsy ny sakafo ho an’ny vehivavy sy ny ankizy manokana.

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny teknisianina tany an-toerana, mahatratra 200 000 ny olona voan’ny tsy fanjarian-tsakafo ka zaza avokoa ny 40 000 amin’ireo. Tsapa ho ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa amin’ny fotoana mitovy. Mampihena fahazoan’ny zaza aretina ny fihinanana ny fanampin-tsakafo izay mety hiteraka fahafatesana ho an’ny zaza madinika marefo ara-pahasalamana. Haharitra telo volana ny fizarana ity tohana ity, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fanjarian-tsakafo ao amin’ny Pam, Nora Hobbs.

Ankoatra ny zaza, homena sakafo notovonana akora mahavelona koa ny vehivavy mitondra vohoka sy ireo mampinono isam-bolana.

Vonjy

Fanadinam-panjakana : 513.000 ireo mpiadina CEPE

$
0
0

 Mahatratra 513.000 ireo mpiadina ny fanadinana CEPE manerana ny Nosy izay hotanterahina ny 21 jolay ho avy izao. Mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 1.723 ireo mpiadina ireo.

Efa minisitra amin’ny famaranana ny lesona ny kilasy fahadimy ankehitriny. Hifantoka betsaka amin’ny famerenana amin’izay ny mpianatra manomboka amin’ny volana mey io, raha ny fanazavan’ny mpampianatra iray.

Tokony ho efa milofo amin’izay ireo mpianatra hiatrika fanadinana rehetra, raha ny torohevitry ny mpampianatra hatrany. Ahena tanteraka ny fotoana hijerena fahitalavitra. Toraka izany ny fotoana hilalaovana. Atsahatra ny kilalao amin’ny « tablette » sy ny ordinatera izay tsy mampifantoka mihitsy ny ankizy amin’ny fianarana.

Fifohazana maraina manao famerenan-desona no tokony hatao. Tsy azo atao velively kosa ny miari-tory amin’ny alina fa mampihena tanteraka ny fitadidiana, raha ny soso-kevitry ny mpampianatra hatrany.

Ankoatra ireo, atao izay hifehezana ny raikipohy rehetra. Soratana vaventy amin’ny taratasy izany ary apetaka amin’ny rindrina ao an-trano. Atao talaki-maso izany ka mora ny hampiraikitra azy ao an-tsaina.

Mitaky fahatoniana tanteraka ihany koa ireo mpianatra hiatrika fanadinana. Mila ny andraikitr’ilay ray aman-dreny izany eo amin’ny filaminan’ny ankohonana sy ny fandaharam-potoana rehetra ao an-trano.

Tatiana A

Arovana ny sary famantarana ny Croix rouge

$
0
0

 Nankasitrahan’ny firenena soisa ny fanjakana sy ny Croix rouge Malagasy amin’ny famolavolana lalàna ho fiarovana ny sary famantarana ny Croix rouge. Nisongadina io nandritra ny atrikasa notanterahina tetsy amin’ny Astauria Antanimena izay nifarana omaly.

« Hatao izao fiarovana ny sary famantarana ny Croix rouge izao hisorohana ny fampiasana tsy ara-drariny sy fanararaotana ity marika ity », hoy ny sekretera jeneralin’ny Croix rouge Malagasy, Ratsimbazafy Fanja.

Betsaka ireo dokotera tsy miankina na hopitaly tsy miankina mampiasa ity sary famantaran’ny Croix rouge ity ho fisarihana ireo marary hanatona ao aminy. Matetika ihany koa ny fitoerana kojakojam-pitsaboana na ao an-tranon’olon-tsotra aza dia misy io sary famantarana io.

Niarahana tamin’ny Commission Nationale du Droit Internationale Humanitaire (CONADIH) sy ireo solombavambahoaka maromaro ity atrikasa ity hahafahana mametraka lalàna mihitsy hiarovana io sary famantarana io.

Nanatrika tao ihany koa ny mpanolotsaim-paritra momba ny lalàna, Claudine Mushobekwa Kalinda, izay nafaran’ny CICR manokana hizara ny fahaiza-manaony mikasika ity raharaha ity.

Tatiana A

Fahasalamana : hofongorina tanteraka ny aretina polio

$
0
0

 Hotanterahina ny 21 avrily ka hatramin’ny 1 mey izao ny hetsika fanamafisana ny Andron’ny vaksiny polio (FavPolio) andiany faharoa eto Madagasikara. Hisy ny fitetezan-trano ka hanomezana vaksiny ho an’ireo zaza rehetra latsaky ny 5 taona.

Tanjona ny hamongorana tanteraka ity aretina ity eto amintsika. Anisan’ny nanaitra ny nahitana trangan’aretina toy ny polio tany Analalava sy Nosy Varika tamin’ny taon-dasa. Izany indrindra no anton’ity hetsika FavPolio andiany faharoa ity.

Nilaza ny talem-paritry ny fahasalamana eto Analamanga, dokotera Sammy fa tsy misy ny antontan’isa mazava mikasika ny aretina polio eto Madagasikara. Tsy misy ihany koa ny trangan’aretina eto Analamanga.

Raha ny salanisa, nahatratra 67% ny taham-panaovana vaksiny polio tamin’ny FavPolio andiany voalohany. Kendrena hahatratra ny 90% io salanisa io amin’ity andiany faharoa ity, raha ny filazan’ny mpikarakara.

 Ho tratra ny tanjona amin’ny famongorana ny aretina polio eto amin’ny faritra Analamanga, hoy kosa ny dokotera Razafimahefa Raobelina.

Tsiahivina fa mbola hisy ny fanentanana manokana momba ny tokony hanaovan’ny zaza latsaky ny 5 taona ity vaksiny hiadiana amin’ny polio ity mandritra ny Herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza (Ssme) izay hotanterahina ny 11 ka hatramin’ny 15 mey. Manodidina ny 800.000 ireo zaza latsaky ny 5 taona kendrena amin’izany.

Tatiana A


«Ligue des champions d’Europe» : resin’ny Barcelone tao an-kianjany ny PSG

$
0
0
ligue1704

 Resin’ny FC Barcelone, tamin’ny isa mazava, 3 noho 1 ny Paris St Germain, ny alarobia lasa teo, teo amin’ny lalao ampahefa-dalana mandroso, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2015», taranja baolina kitra. Lavo tao amin’ny kianja filalaovany ao Parc des Princes ny Parizianina.

Tsy niady mihitsy ny lalao satria efa nitarika tamin’ny isa 3 noho 0 ny Barceloney, vao nitoko ny Frantsay. Nanokatra ny isa i Neymar, teo amin’ny minitra faha-18. Na samy nanao fanafihana aza anefa ny roa tonta avy eo, tsy nisy ny baolina tafiditra. Io isa tokana, 1 noho 0 io, no nentina niala sasatra.

Niezaka nanohitra ihany ny Parizianina, saingy tsy nahita hirika namonoana baolina mihitsy. Nahatafiditra baolina roa misesy indray avy eo i Luis Suarez, teo amin’ny minitra faha-67 sy ny teo amin’ny minitra faha-79. Efa tany amin’ny minitra faha-89 vao nahavaky atody ny Frantsay, tamin’ny alalan’i Mathieu. Sarotra ny fandidiana ho an’ny Frantsay, izay hiatrika ny lalao miverina afaka herinandro any Espaina.

Teo amin’ny lalao ilany indray, resin’ny FC Porto, tamin’io isa 3 noho 1 io ihany koa ny Bayern de Munich.

 Miary N

Volley – Coupe de la Fédération : tafita ny Stef’Auto, VBCD, AMVB ary Asi

$
0
0
Volley

 Vao mainka mihamafy ny fihaonana. Miditra amin’ny lalao manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny “Coupe de la Fédération”. Tafita hiatrika izany eo amin’ny vehivavy ny Stref’Auto, VBCD, AMVB, Bi’As .

 Voahaja aloha, hatreto, ny lôjika. Saika tafita amin’ny manasa-dalana avokoa ireo ekipa goavana sy sangany mandray anjara amin’ny fiadiana ny « Coupe de la Fédération » eo amin’ny taranja volley. Fifaninanana karakarain’ny federasiona malagasy (FMVB) tarihin’ny filohany, Andriamandimbisoa Jocelyn, etsy amin’ny kianja mitafo sy lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, amin’izao fotoana izao.

Eo amin’ny sokajy vehivavy, ekipa tsy mbola resy mihitsy ny Stef’Auto (Atsinanana) sy ny VBCD (Analamanga). Mazava ho azy, tafita hiatrika ny manasa-dalana ireto ekipa mitana ny laharana voalohany sy faharoa eto Madagasikara ireto. Ankoatra azy ireo, afaka teo amin’ny ampahefa-dalana ihany koa ny AMVB (Analamanga) sy ny Bi’As (Analamanga).

Ankoatra izay, miverina eo amin’ny lalao manasa-dalana amin’ity « Coupe de la Fédération » ity ny lalao famaranana teo amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly 2014. Hikatroka eo amin’ny manasa-dalana mantsy ny Stef’Auto sy ny VBCD. Hanala vela eto ny Volley-ball club diamante, izay resin’ny Stef’Auto tamin’ny famaranan’ny fifaninanana nasionaly 2014. Eo amin’ny manasa-dalana ilany kosa indray ny fihaoan’ny AMVB sy ny Bi’As. Samy baolina miady avokoa ireo manasa-dalana ireo.

Eo amin’ny sokajy lehilahy indray, tafita hiatrika ny manasa-dalana ny AS Tiavo (Matsiatra Ambony) sy ny Cosfa (Analamanga). Mbola ady goavana ihany koa, araka izany, ny fihaonana eo amin’ny lehilahy. Saika ekipa efa mifankahalala fomba filalao mantsy izy ireo nefa koa samy tsy hisy hanaiky lembenana.

Marihina fa fifaninanana hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly lahy sy vavy hiatrika ny “Lalaon’ny Nosy 2015” (JIOI) atsy La Réunion, ny volana aogositra izao, ny “Coupe de la Fédération”.

 Miary Narindra

Kitra – Amboaran’ny ranomasimbe Indianina : tafita hiatrika ny famaranana ny Cnaps Sport

$
0
0
cnaps sport

 Nahazo fandresena fanindroany ny Cnaps Sport, omaly, teo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI 2015), taranja baolina kitra.
Fandresena tamin’ny isa mavesatra, 4 noho 0, nanoloana ny FC M’Tsapéré. Tsy nanova ireo mpilalao efa nijoro tamin’ny fihaonana tamin’ny Coin Nord ny mpanazatran’ny Cnaps Sport, tamin’ity fihaonana ity.

I Lanto fotsiny no naka ny toeran’i Gena, izay tsy niakatra kianja, tamin’ity. Nanokatra ny isa ho an’ny Malagasy i Nono, raha vao 11 mn nilalaovana. Tsy nijanona teo fa mbola nanampy ny isa indray i Niasexe dia ny teo amin’ny minitra faha-20 sy ny teo amin’ny minitra faha-43. Nentin’ny roa tonta niala sasatra, io isa 3 noho 0 io.

Nanolo mpilalao indray i Typeh, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa ka nesorina i Niasexe ary naka ny toerany i Kwassa. Nahitana fahombiazana izany satria nahatafiditra ny baolina fahefatra izy, ho an’ny Cnaps, teo amin’ny minitra faha-70 nilalaovana. Izay tafavoaka ao amin’ny vondrona misy an’i La Réunion sy Maorisy ary Seychelles no hidona amin’ny Cnaps Sport, eo amin’ny famaranana.

 

Insécurité alimentaire dans le Sud : le PAM à la rescousse

$
0
0
PAM

 Le Programme alimentaire mondial des Nations Unies (PAM) vient de fournir un produit prêt à l’emploi pour combattre la malnutrition chez les jeunes enfants dans le Sud. Il s’agit de sachets contenant un complément nutritionnel composé de poudre de lait, d’arachide, d’huile végétale, de sucre et d’un mélange de vitamines et minéraux. Selon le PAM, près de 15 000 enfants de 6 à 23 mois des districts de Betioky, Beloha et Bekily en sont les bénéficiaires.

En outre, les femmes enceintes et les femmes allaitantes, exposées à la malnutrition, habitant ces districts recevront mensuellement une ration nutritionnelle composée d’huile fortifiée en vitamine A et de « Super cereal », une farine enrichie à base de maïs et de soja. « Ce produit spécial contribue à réduire les maladies et la mortalité causées par la malnutrition aigüe. Son conditionnement en pot facilite sa distribution et son utilisation », indique Nora Hobbs, chargée de nutrition au sein du PAM à Madagascar.

Une assistance de trois mois

Selon le PAM, ce programme d’appui nutritionnel vient de débuter cette semaine et aura une durée de trois mois. Il est mis en œuvre sous la coordination du Bureau national de gestion des risques et des catastrophes (BNGRC) et de l’Office national de nutrition (ONN). Par ailleurs, ce programme est réalisé dans le cadre d’une collaboration entre les acteurs intervenant dans le domaine de la nutrition dans ces régions du pays. Et cela, à l’instar des partenaires comme Action contre la faim, Tamafa, l’association MADR Bekily, AGEX Tsihombe, Miaro Amboasary et les Filles de la charité Bekily.

Pour rappel, l’évaluation rapide multisectorielle de la situation de l’insécurité alimentaire et nutritionnelle indique que 200 000 personnes, dont 40 000 enfants, dans sept districts du Sud en sont affectées.

Sera R.

Women for water and sanitation : la Première dame à Washington

$
0
0

 Madagascar sera représentée par la Première dame de la République de Madagascar, Voahangy Rajaonarimampianina durant la cérémonie en marge du lancement de la déclaration « Women for water and sanitation », se déroulant à Washington depuis hier et qui se clôturera le 18 avril prochain.

En effet, Madagascar occupe un rôle de leadership dans l’avancement de l’agenda de promotion « Water sanitation and hygiene » (Wash), pouvant se traduire par « assainissement et promotion de l’hygiène de l’eau », et le fait d’assister à la cérémonie constitue une opportunité pour témoigner de la disposition du pays en faveur de ce programme, mais également un engagement dans un cadre de rassemblement de soutien global.

Cet évènement traitera les impacts des installations sanitaires inadéquates sur les femmes et les filles en particulier. On y abordera également l’interconnexion entre l’assainissement et de nombreux autres thèmes de développement, notamment le domaine de l’éducation. L’intervention de Voahangy Rajaonarimampianina constituera à mettre en exergue d’une part, les actions effectuées, relatives à l’accès à l’eau potable,  et d’autre part la lutte contre la  défécation à l’air libre à Madagascar.

D’autres intervenantes y seront également présentes dont la Première dame de Malawi, Gertrude Mutharika, Senior Director de World Bank Global Water Practice, Junaid AHMED ainsi que le CNN International Anchor, Isha Sesay. A noter que les partenaires de cet évènement comprennent le WaterAid, le Fonds des Nations Unies pour l’enfance (Unicef) et le Wash.

Dimisoa

Viewing all 70542 articles
Browse latest View live