
Hisokatra anio eny Vohipiraisana, foiben’ny FFKM, ny fisoratana anarana ho an’ireo handray anjara amin’ny fampihavanana.
Olona 2.000 eo eo no andrasan’ny FFKM amin’izany. Fantatra fa misy sarany ny fandraisana anjara amin’ity fampihavanana ity ka 200.000 ariary ho an’ireo fikambanana sy antoko izany. Hisokatra ny 28 avrily izao ity fampihavanana tarihin’ny FFKM ity eny amin’ny CCI Ivato ity ary haharitra dimy andro. Hitohy amin’ny dingana manaraka izany ary fantatra fa aorian’ity fampihaonana nasionaly ity, hitsangana ny vondrona telo ahitana ny vaomieran’ny fampihavanana sy ny fahamarinana, ny vaomieran’ny fanonerana ary ny vaomieran’ny fandraisan’anjara amin’ny fanorenana ny fototry ny Repoblika.
Isan’ny nitondran’ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Rasendrahasina Lala, fanazavana ihany koa ny momba ireo filoha dimy. “Ny tombontsoan’ny vahoaka no voalohany fa tsy ny tombontsoan’izy ireo. Olana ara-politika no misy fa tsy misy idiran’ny FFKM mihitsy. Midika izany fa tsy hampihitsoka ny dinika velively ny fialan’ireo filoha”. Na izany aza anefa, nampahafantatra tamin’ny mpanao gazety ny mpitandrina Rasendrahasina fa tsy mbola naharay ny taratasy ofisialy manambara ny fialan’ny ankolafy Ravalomanana an-daharana.
Manantena anefa ny FFKM fa hijery izay ho tombontsoan’ny vahoaka ireo mpanao politika ireo ka hahay handanjalanja ny fihetsika ataony.
Isan’ny notsindrin’ny filohan’ny FFKM ihany koa fa “nitalahoana izy ireo hitarika ny fampihavanana fa tsy izy filoham-piangonana na ihany koa ny FFKM amin’ny ankapobeny no nitolo-tena hanao izany”.
Nadia