
“Handray anjara amin’ny fifidianana rehetra hatao eto amin’ny firenena ny antoko “Refondation totale de Madagascar” (RTM)”, hoy ny filoha mpanorina, Randriamampionona Joseph Martin na i Dadafara. Mariky ny fahavonona hampandroso firenena ny firotsahana amin’ny fitantanana azy, araka ny heviny, ka tokony ho tanjon’ny mpanao politika rehetra.
Tsy halalaka ny fifidianana
“Hiezaka handatsaka mpifaninana ho fidiana ben’ny tanàna amin’ny kaominina maro manerana ny nosy ny antokon’i Randriamampionona Joseph Martin”, araka ny fanambarana nataony. Mety tsy haharakotra ny kaominina rehetra ananany olona anefa ny RTM, hoy izy, fa ho voafetran’ny ho enti-manana ny isan’ny kandidà ho azo apetraka.
Nanaitra ny Fitondrana mikasika ny fidangan’ny anto-bola takiana amin’ny mpilatsaka ho fidiana ben’ny tanàna ihany i Dadafara satria tsy rariny raha ny tantsaha kely vola indray no ampandoavina be. Teo amin’ny efatra hetsy ariary teo no anto-bolan’ny kandidà depiote hisahana kaominina maromaro ao anatin’ny distrika nahavoafidy azy, hoy izy, nefa betsaka noho izany no haloan’ny hilatsaka ben’ny tanàna any amin’ny kaominina faran’izay kely. Tokony hatao efatra alina na iray hetsy ariary raha ambony indrindra io anto-bola io, araka ny heviny, hahafahan’ny maro mifaninana. “Hampandringa ny fifidianana rahateo ny fahavitsian’ny antoko hanana anto-bola ho an’ny kandidany manerana ireo kaominina rehetra misy”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko RTM.
Fiaraha-miasa fampandrosoana
Nitarika ny olony hiara-hiasa tamin’ny Fitondrana mijoro hatrany am-boalohany i Dadafara rehefa tsy voafidy ho filoham-pirenena. Voatendry ho minisitra tao amin’ny governemanta voalohany ny mpitarika ny RTM nefa tsy mieritreritra ny hirotsaka anaty fanoherana rehefa voailika tao. “Ny hahatafavoahana an’i Madagasikara amin’izao lavaka nahalatsahany izao no tanjona fa tsy ny homena toerana anaty Fitondrana foana”, hoy ity filohan’antoko ity. Manolo-tena hiara-hikatsaka vahaolana amin’ny mpitondra hatrany ny RTM, hoy izy, handinganana ny krizy ara-politika, sosialy na ara-toekarena mianjady amin’ny firenena amin’ny fandraisana anjara amin’ny fivoriana sy fikaonan-doha isan-karazany.
Manou