Rehefa tsy hanao ny lehilahy, aleo hiditra an-tsehatra indray ny vehivavy. Ohatra ny hoe “film” efa nandeha izany resaka izany raha mitopy kely amin’ny lasa isika, indrindra fa raha resahina ny eo amin’ny lafiny politika. Zovy no tsy mahatadidy ilay vazivazy nataon’ingahy Ratsiraka Didier tamin’ny fotoan’ny fanelanelanana natao teo amin’andriamatoa Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry tany Afrika, nilazan’ny Amiraly fa aleo omena an-dRajoelina Mialy ny fitondrana ny Tetezamita. Iarahana mahatadidy ihany koa ny nanoloran’ingahy Ravalomanana ny vadiny, Lalao, hirotsaka filoham-pirenena, ny taona 2013, satria tsy teto an-toerana izy ary tsy nahazo nirotsaka rahateo.
Toy ny miverina izany resa-behivavay izany ankehitriny raha henoina ny siosion-dresaka mandeha. Re mantsy fa mety handrotsaka an-dRamatoa Ravalomanana Lalao eto Antananarivo amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ny antoko Tim an-dRavalomanana Marc. Fantatra ihany koa fa mety haroson’ny vondrona Mapar hofidina ben’ny Tanàna eto an-dRenivohitra Rajoelina Mialy. Koa satria ny lehilahy, izay efa filohan’ny Nosy, tsy mihevitra ny hanetry voninahitra hirotsaka ho ben’ny Tanàna, dia aleo hasesika indray ny vehivavy hamita ny iraka, atao jono toy ny kankana mba hanatanterahana ny tetik’ady politikan’ny tsirairay avy. Izany tokoa angamba ilay atao hoe “vehivavy dia… malemy”?
Raha izany tokoa mantsy ny zavatra mety hiseho, azo lazaina fa tsy mitsaha-midina ny kalitaon’ny fanaovana politika eto amintsika. Satria ny firotsahan’ireo vadina filoha teo aloha ireo, maneho sahady fa resa-pianakaviana fotsiny ihany ny raharaham-pirenena sy ny fiainan’antoko. Ny endriky ny tsy fahatokisana ny hafa, eo ihany amin’izany fa ny fiheverana fa tsy misy olomanga afa-tsy ny eo anivon’ny fianakaviana no tena mahamenatra, satria toy ny fanambaniana avy hatrany ny hafa izany.