Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70783 articles
Browse latest View live

Fitetezam-pirenena : tsy manadino ny eto an-tanindrazana i Erick Manana sy Dama

$
0
0
ERICK

Ny iray andrin’ny tarika Mahaleo, ny iray kosa mpikambana ao amin’ny Lôlô sy ny tariny. Samy manana ny hanitra ho azy, kanefa efa ela nampiarahana tadin-gitara i Dama sy Erick Manana.
Efa nanomboka ny faramparan’ny volana oktobra no niara-dia nitety firenena maro i Dama sy Erick Manana. Nizara ny kanto malagasy, amin’ny alalan’ny feo sy ny gitara izy ireo. Fantatra fa tafiditra anatin’ny fandaharam-potoan’izy mirahalahy ireto amin’izao fihodinana lavabe izao koa ny eto an-tanindrazana. Seho roa no efa raikitra, ny zoma 11 marsa izao manomboka amin’ny 7 ora hariva, sy ny alahady 13 marsa manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Vahinin’i Erick Manana sy Dama mandritra ireo seho ireo i Voara (Fangia Kalo Gasy) sy i Jenny Führ.
Mbola tena ao anatin’ny fihodinana tanteraka ireto mpanakanto anisan’ny mamiratra eto sy any ivelany ireto, amin’izao fotoana izao. Hisehatra any Montpellier izy mirahalahy rahampitso, ao Toulouse ny 20 febroary, Marseille ny 26 febroary ary Lyon ny 27 febroary. Efa nandalo tany Montréal, Allemagne, Suisse ary nitety tanàn-dehibe maro ao Frantsa, toa an’i Paris, Rennes, Dijon, Laval, Rouen, Nancy, sns, izy ireo.

« Feo roa, gitara roa »
« Deux voix, deux guitares ». Anaran’ilay rakikira iombonan’i Dama sy Erick Manana io. Mirakitra hira 12 izany, izay sanganasan’izy mirahalahy avokoa. Anisan’ireny ny « Raha mba manana elatra », « Mbola ho avy », « Tsy ferana », « Zaza sary », sns. Avy amin’izay ihany no nakana ny anaran’ny fampisheoana « Feo roa, gitara roa », izay hotontosain’izy ireo eto Antananarivo.

Zo ny Aina Randriatsiresy


Tononkalo : « Hitanao? »

$
0
0

« Hitanao? »

 

                                  any atsimo any ange

                                  mihaodihaody ny kere

 

Taolana mifono hoditra,

zara raha mitafy tapaka efa rota sady loditra

no mihanjahanja

eo an-kianja,

fa tsy trano akory ialofana…

Ny hany sisa atafy azy ho solon-damba firakofana:

ny masonao, ny masonao…

tsy hahavatra hijery fotsiny izao fahoriana izao,

na hikimpy rahateo,

fa ny eritreritra sy feo

ao anaty

tsy hamela azy ho faty

mby amin’izato mosary sy haintany tsy anoharana

namoizana tanàna sy ny asam-pamokarana,

dia izao miraviravy tanana…

Fa ny hany sisa hoe fananana:

ny voin-kava-mahatratra sy ny fitia tsy mba hetra

izay azo atao rehetra

avy aminao, avy aminao…

firotsahana mivantana hiavotana amin’izao!

 

Fa mbola tena iray tokoa,

tokan-tena, ra sy fo

ny Malagasy manontolo ho an’i Madagasikara

na amin’ny ratsy na amin’ny tsara…

 

                                                  Rafalindranto Ramy

                                                        (Mey 1992)

 

Tsiahin’ny fahazazana ho fampandrosoana : hifamotoana ao Mandrosoa 106 ireo zanaky ny tanàna

$
0
0
Mandrosoa

Sambany ! Hihaona ao amin’ny tranompokonolona Mandrosoa, Andramasina 106, ireo zaza niara-nilalao fahiny tany alohan’ny taona 1990 teo an-tampon-tanànan’i Mandrosoa. Hotanterahina ny asabotsy 26 marsa izao izany ary hiompana amin’ny tononkiran’ny tarika Mahaleo, « Mba jerijereo ny tananàntsika » ny lohahevitr’ity fihaonana ity. Hanasana sy iantsoana ireo rehetra niara-nilalao teo an-tanàna tamin’izany fotoana izany ny hetsika. Nofidina rahateo io tononkira « Somambisamby »  io satria anisan’ny novazoina teo amoron’arabe tamin’izany fotoana, ankoatra ny hiran’ireo tarika hafa, toa an-dry Lolo sy ny tariny…

Tsy nijanona amin’ny hira tahaka izany ihany, anefa, izy ireo tamin’izany fa teo ny fanehoana firaisankina sy fihavanana ary ny fifankatiavana. Teo koa ny valin-tanana rehefa fotoan’ny fiasana tanimbary na tanimboly na asa hafa koa… Niarahana hatrany izany. Tena ara-bakiteny ny trano atsimo sy avaratra. Tsy nifanavaka finoana na saranga izany.

Ho fampatsiahivana izany rehetra izany sy hifankafantaran’ireo zanaka aty aoriana no anton’ny fihaonana. Fotoana koa io hanehoan’ireo aty aoriana ny talenta sy ny fahaiza-manaony amin’ny lafiny rehetra raha mitaha amin’ireo ray aman-dreniny tany amin’ny 26 taona lasa. Hombam-bady aman-janaka rahateo ny rehetra ka sady hilanonana.

Ankoatra izany, anisan’ny horesahina ny fomba hampandrosoana ny tanàna.

Randria

CCI Antananarivo : lany filoha Rtoa Andriamamonjison Noro

$
0
0

Nametra-pialana satria voatendry ho loholona ny filoha am-perinasan’ny Antenimeran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo (CCIA), Rakotozafy Martin. Natao, omaly, ny fifidianana vaovao, ka lany filoha Rtoa Andriamamonjison Noro. Filohan’ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem) rahateo izy ary tompon’ny orinasa Gemu.

Manotrona azy ny filoha lefitra telo, Rajaonarivelo Herintsalama, tompon’andraikitry ny kabinetra Conseil en management entreprise (ITBM), hisahana ny lafiny tolo-draharaha na servisy, ary efa nitantana ny Fivmpama ihany koa. Filoha lefitra faharoa hisahana ny lafiny varotra Rtoa Rabemanantsoa Rocquie, vehivavy voalohany filohan’ny filakevi-pitantanana ny oniversite Antananarivo. Fahatelo Rtoa Razakaboana Fanja, hiandraikitra ny lafiny indostria, tompon’ny orinasa Areplast, Graphic’art, fisakafoana City Grill restaurant.

Ireo ny hitantanana ny CCIA mandra-pahatonga ny fifidianana vaovao indray.

Njaka A.

Fitrandrahana solika : nangoron’entana ny Exxon, hanaraka koa ny Madagascar Oil ?

$
0
0

 Misedra olana ny fitrandrahana vaventy amin’ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika. Mety handao an’i Madagasikara koa ny mpitrandraka menaka mavesatra, Madagascar Oil, amin’ny volana marsa 2016.

Mihapotika hatrany ny tontolon’ny fampiasam-bola, indrindra ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy solika. Araka ny loharanom-baovao avy any amin’ny teknisianina iray, niala teto Madagasikara nanomboka ny jolay 2015 ny Exxon Mobil. Mikaroka solika any ambany ranomasina (Off-shore) ity orinasa vahiny ity, any amin’ny faritra telo (Ampasindava, Saint-André ary Mahajanga).

Misy koa ny loharanom-baovao ankehitriny, fa misedra olana ny orinasa Madagascar Oil ankehitriny, efa eo amin’ny dingana fitrandrahana ihany koa. Tsy afaka mandray ny solika mavesatra azo ampandehanana ny milina mandeha amin’ny fuel; ny Jirama (efa banky rompitra sy tsy manam-bola). Efa niteny ny minisitry ny Angovo, herinandro vitsy lasa izay, fa tsy manana ny fotodrafitrasa hitahirizana ireo menaka mavesatra ny Jirama, sady mila fikarakarana manokana koa ny fitaterana azy, hitazonana ny maripana.

Tsy mahita mpiara-miombon’antoka

Etsy ankilany, mitotongana ny vidin-tsolika maneran-tany, ka tsy sahy mampiasa vola amin’ny lafiny fitrandrahana ny mpampiasa vola vahiny. Izany hoe, tsy mahita mpiara-iombon’antoka ara-bola afaka hanampy azy ny Madagascar Oil, amin’ny famokarana vaventy, satria efa vita ny dingana andrana.

Manampy ireo olana sedrain’ny orinasa vaventy vahiny ireo ny tetikasa Ambatovy. Latsaka ambany ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Vesaran’ny  fandoavana onitra mihoa-pampana amin’ny raharaham-pitsarana tsy mazava, ary indrindra fanerena hetra nofaritan’ny “didy tsotra” (arrêté) navoakan’ny minisitera, mandika ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy (LGIM), nolanin’ny Antenimiera.

Randria

« Festival » : Poeta 70 hi-« Rombom-panahy »

$
0
0
POESIA

Raha 25 izy ireo tamin’ny herintaona, tafakatra 70 amin’ity taona ity. Tsy iza izany fa ireo mpanoratra, poeta handray anjara amin’ny « Rombom-panahy », « festival » tokana miompana tanteraka amin’ny tontolon’ny tononkalo. Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 10 avrily izao, any an-drenivohitr’i Vakinankaratra, ity andiany faharoa ity.

Avy amin’ny faritra manerana ny Nosy izy 70 mianadahy ireto, izay nentanin’ireo nandray anjara tamin’ny taon-dasa mba haneho ny talentany, mandritra ity hetsika goavana ity. Raha tsiahivina, mampiavaka ny « Rombom-panahy » ny fametrahana vina isaky ny andiany : ny famoahana boky, ahitana sombiny amin’ny sanganasan’ireo mpandray anjara.

Tamin’ny taon-dasa, ohatra, nanana tononkalo efatra avy ireo mpanoratra ao anatin’ny boky navoakan’izy ireo, taorian’ny hetsika. Tsy hivaona amin’izay ny amin’ity taona ity. Ezahina hitety faritra ity hetsika, iarahana amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina ity.

Tsiahivina hatrany fa tanjon’ny « Rombom-panahy » ny hanoka-baravarana hampahafantatra ireo talenta any ambadibadika any. Antony iray nandrisika ny mpikarakara rahateo ny fahitana fa manana poeta tokony hivelatra ny tontolon’ny asa soratra eto Madagasikara, saingy mbola takotakona any ho any izy ireny.

Marihina fa nisy ny boky « Rombom-panahy » navoaka tamin’ny andiany voalohany. Sanganasana poeta maro no voarakitra tao anatiny.

Landy R.  

Vakinankaratra : hankalazaina ao Antsirabe ny Andro eran-tany ho an’ny tenindreny

$
0
0
VAKINANKARATRA

Fifaninanana roa hotontosaina ao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina Antsenakely. Endrika anisan’ny hanamarihan’ny mponin’i Vakinankaratra ny Andro eran-tany ho an’ny tenindreny io ny 21 febroary izao. Fifaninanan-kira vakodrazana ho an’ny ankizy. Lohahevitra amin’izany, « Ny teny sy vakoka malagasy ». Fifaninanana vakisaova miompana amin’ny lohahevitra « Ny teny sy ny vakokira malagasy ». Mbola ny ankizy ihany koa no entanina handray anjara amin’io.

Hitohy ny 27 febroary ny fankalazana. Hifaninana amin’ny dikan-teny indray ny mpianatra any amin’ny CEG sy Lycée (miankina na tsia amin’ny fanjakana). Lahatsoratra amin’ny teny malagasy, avadika amin’ny teny frantsay. Ny mifamadika amin’izay indray avy eo. Hampanao fifaninanana kabary kosa ry zareo avy ao Fimpima.

Miara-miasa amin’ny fanatanterahana izao hetsika izao ny foiben’ny “Kolontsaina sy asa karoka ho an’ny rehetra entanin’ny nomerika” na ny “Karen-Caren” ao Antsirabe.

Jeannot Ratsimbazafy

 

ONG Help Me See : nohatsaraina ny fandidiana katarkta

$
0
0

Miova sy mihatsara ny teknika fandidiana ny katarakta. Mampiofana ny mpandidy maso malagasy ny manampahaizana avy amin’ny ONG Help Me See momba ny Manual Small Incision Catarct Surgery (MSICS) efa ho volana maromaro. Teo aloha, didina ary sokafana ny maso hanadiovana ny maso ary zairina indray avy eo. Raha mampiasa ny teknika vaovao, tsy sokafana lehibe intsony ny maso hanaovana ny fandidiana ary tsy mila zairina koa. « Vetivety ny fandidiana, tsy lafo ary tsara kokoa ny vokatra eo amin’ilay maso nodidina katarakta », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny mpitsabo maso eto Madagasikara, ny profesora Andriantsoa Violette, omaly teny Ambohidahy.

Anisan’ny olana amin’ny fahasalaman’ny maso eto amintsika ny aretina katarakta satria mitarika amin’ny fahajambana tanteraka. Miseho amin’ny fianakaviana iray ny aretina nefa tsy voatery ho voany daholo akory. Matetika koa isehoan’ny katarkta ny olona miasa amin’ny masoandro be foana mandritra ny fotoana maharitra, ohatra ny tantsaha. Main’ny herin’ny masoandro ilay « cristallin » raha tsy manao fiarovana ny maso ny olona iray. Noho izany, tsy rendrarendra ny fampiasana solomaso miaro amin’ny masoandro.

1% ny tahan’ny fahajambana eto amintsika ary ny 50%-n’izany, vokatry ny katarkta avokoa. « Manana ny mpandidy mahay isika fa ny fitaovana no mila tosika amin’ny mpanohana, eo koa ny teknika fandidiana izay mivoatra tsy miato », hoy ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana.

Vonjy              


Tolo-tanana : nahangona 35 tapitrisa Ar ny MFB

$
0
0

Nahatratra 35.553.200 Ar ny vola voaangona ho fanomezan-tanana ireo traboina any Androy avy amin’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola. Nahatsapa ireo mpiasa fa manana adidy amin’ny mpiray tanindrazana ka izany indrindra no nanosika ny azy ireo nanao fitia tsy mba hetra.

Natolotry ny solontenan’ny mpiara-miasan’ny minisitera, notarihin’ny minisitra, Rakotoarimanana  Gervais ho an’ny minisitry ny Mponina izany fandraisana anjara ho amin’ny fanampiana ny mponina any atsimo izany, omaly teny Antaninarenina.

Nanome toky ny minisitry ny Mponina fa hipaka amin’ireo vahoaka sahirana tokoa ny tolo-tanana avy amin’ny mpiara-miasa eo amin’ny minisitera. Izy mivantana no hanara-maso akaiky ny fandaniana ho amin’ny fampitaovana ao anatin’ny fangaraharana tanteraka.

Efa mandray ny andraikiny ny fitondram-panjakana; maro ihany koa ny fanampiana isan-karazany efa voarain’ireo mponina any atsimo. Hanampy izany izao vola azo avy amin’ny tolo-tanana izao.

Vonjy  

ONG Lalana : nanaovana fanadihadiana ny fitateram-bahoaka

$
0
0

60 ireo kaoperativa mpitatitra eto an-dRenivohitra. Nanaovan’ny ONG Lalana fanadihadiana ny momba azy ireo ny volana septambra 2015. Nampahafantarina, omaly, tao amin’ny ONG Lalana eny Manakambahiny ny vokatr’izany. “Tanjona mba hirosoana amin’ny tsaratsara kokoa ho an’izay efa miasa tsara sy ny tokony hanarenan’ireo ratsy fiasa ny fitateram-bahoaka”, hoy ny filohan’io ONG io, Razafintsalama Vero. Marihina fa tsy fantatr’ireo kaoperativa ireo ny fotoana sy ny fomba nanaovana izany. Singa nitsarana azy ireo manomboka amin’ny mpamily sy ny mpanampy azy (akanjo, fanajana mpandeha…) ; fanajana “arrêt” amin’ny fanalana sy fakana mpandeha ; fotoana lany eo amin’ny “arrêt” ; momba ny fiara amin’ny lafiny rehetra.

Betsaka tsy ara-dalàna ireo fiara fitateram-bahoaka raha ny eto Antananarivo. Tsy vitsy amin’izy ireny tsy latsaky ny 20 taona, maty an-dalana, simba avokoa ny seza, varavarana ratsy, zara raha misy fitaratra ary tsy ahitana aro loza intsony, toy ny fitoeram-panafody sy famonoana afo. Betsaka ny tsy tokony hiasa intsony nefa mahazo alalana miasa ihany. Misy kaoperativa ahitana ireo karazana fiara hafahafa ireo, nefa izay aloha ny zava-misy iainan’ny mpandeha, tsy afa-manoatra ihany koa.

Telo voalohany : 172, 147, 186

Raha nojerena ireo singa rehetra ireo, notsaraina ireo kaoperativa isan-karazany, ka ny telo voalohany : Kofia (zotra 172), Tselatra (zotra 147) ary Mitsimbina (zotra 186). Nanaovana tatitra tamin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny vokatry ny fanadihadiana rehetra. Tolorana izany ny minisiteran’ny Fitaterana, ATT, UCTU, polisim-pirenena, kaominina.

Nilaza ny heviny koa anefa ny mpitantana kaoperativa iray, Raharimino Théophile, ny amin’ireo olana sedrain’izy ireo. Anisan’ny olana goavana nambaran’io mpitantana io ny momba ny mpamily sy ny mpanampy azy izay betsaka mpanararaotra tsy manaja izay nifanarahana. Nasongadiny ihany koa ny faharatsian’ny lalana miampy ny fahamaroan’ny mpivarotra anaty lalana. “Mihena ny tours vita noho ireny, anisan’ny miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana”, hoy izy. Mbola olana hafa ny fahalafosan’ny solika sy ny fiakaran’ny vidin’ny kojakoja fanolo rehetra.

R.Mathieu

Giazan’ny banky ny kaonty : hitory any amin’ny fitsarana iraisam-pirenena Ambatovy

$
0
0

Mitohy ilay raharaham-pitsarana ifanolanan’ny tetikasa Ambatovy sy ny mpiasa vehivavy iray noroahina tao aminy. Nilaza ny filoha lefitry ny fampandrosoana maharitra Ambatovy, Louis Roland-Gosselin, fa nogiazan’ny banky nanomboka ny alarobia teo ny kaontin’ny orinasa any amin’ny banky. Nanatanteraka ity fanagiazana ny kaonty ity ny vadintany, nirahin’ilay ramatoa R.M.S., satria namoaka didy ny fitsarana handoavan’Ambatovy onitra 567 tapitrisa Ar aminy.

Nolavina ny fitoriana

Tsiahivina fa tsy nandà ny fandroahana azy ity ramatoa ity ny taona 2013, ary narahin’ny mpampiasa avokoa ny dingana rehetra mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny asa. Nitory anefa izy taty aoriana, ary nandresy tany amin’ny ambaratonga voalohany. Etsy ankilany, nitory tany amin’ny fitsarana ady heloka Ambatovy satria nampiasa antontan-taratasy sandoka ilay ramatoa, saingy nolavin’ny fitsarana koa sady tsy noraisina ny fampiakarana fitsarana ambony.

Hampiakatra ny raharaha any amin’ny rafi-pitsarana Cour de casssation indray Ambatovy, ary nilaza i Louis Roland-Gosselin, fa ho entiny enivon’ny fitsarana iraisam-èpirenena, raha ilaina.

Misy manindry ny fitsarana saingy tsy handefitra

Nambaran’ity tompon’andraikitr’Ambatovy ity, fa nanaja hatrany ny lalàna izy ireo hatramin’izay. Mahatsapa izahay fa misy ny tsindry atao amin’ny rafi-pitsarana, saingy tsy afaka handefitra kosa izahay amin’ity raharaha ity.

Milaza fa manaja hatrany ny teny nomeny ny governemanta malagasy, matoa nanaiky hampiasa vola hatrany amin’ny 8 miliara dolara Ambatovy. Andrasanay, araka izany, ny dikan’ny tena fampiharana ny fanjakana tan-dalàna”, hoy ihany izy.

Njaka A.

Tazo : hadika amin’ny tenim-paritra ny hafatra

$
0
0

« Manomboka izao, hadika amin’ny fitenim-paritra rehetra ampiasaina eto amintsika ny hafatra fanentanana iadiana amin’ny aretina tazo, hipaka tsara any amin’ny vahoaka », hoy ny talen’ny ady amin’ny aretina tazo, Ratsimbasoa Arsène, omaly teny Antaninarenina. Hamafisina koa ny fiaraha-miasa amin’ny tangalamena sy ny sefo fokontany mpitarika handray sy hampihatra ny hafatra ny mponina. Farany, mila ampidirina lalina kokoa eny anivon’ny sekoly ny hafatra hoentiny any an-tokantrano. Hampidirina amin’ny paikady vaovao iadiana amin’ny aretina tazo ireo araka ny tapaka nandritra ny atrikasa teny Antaninarenina, izay nifarana omaly. Hatramin’izay, miantehitra amin’ny fitaovana sy ny fanafody isika amin’ny ady nefa zava-dehibe ny olona iantefany. Tokony hahaleo tena koa ny fanjakana malagasy manomboka izao amin’ny fividianana ny fitaovana sy ny fanafody fa tsy hiantehitra amin’ny mpanohana ara-bola hatrany. Betsaka ny orinasa eto afaka mandray anjara amin’ny ady amin’ny tazo mba haharitra ny asa. Manohana betsaka antsika amin’ny ady ny USAID amin’ny alalan’ny tetikasan’ny filoham-pirenena amerikanina (PMI).

Tamin’ny taon-dasa, nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny mey, 781 ny olona maty vokatry ny tazo, nidina ho 21 izany ny volana novambra 2014 ka hatramin’ny janoary 2015 lasa teo. « Tanjona ny hampidina ny tahan’ny olona maty ary ho foana miandalana ny aretina rehefa voafehy io taha io », hoy ny fanazavany ihany.

Matoa tsy tratra ny tanjona, tsy ampiasain’ny olona amin’ny tokony no izy ireo fitaovana nomena azy. Maimaimpoana ny fitsaboana ny aretina eny amin’ny CSB rehetra. Misy ny fizarana lay misy fanafody 11 tapitrisa ny taon-dasa miampy ny fandrarahana fanafody ny trano fonenana.

Vonjy

Androy : nandamoka sahady ny ady amin’ny kere

$
0
0

Ratsy fanomanana, tandrametaka ary mandiso fanantenana ny fikaonan-doha hitadiavam-bahaolana momba ny kere mianjady any atsimon’ny Nosy. Tsy raikitra ny fivoriam-be izay nokasaina hatomboka omaly.

Nakisaka anio noho ny antony tsy fantatra loatra sy tsy mazava amin’ny be sy ny maro ny atrikasa. Ketraka sahady ny mponina satria nandamoka dieny ety am-piandohana ny hetsika.

Hatry ny omaly harivabe, mbola tsy tonga any an-toerana ny minisitra mpikarakara sy ny namany. Ny ekipa fotsiny no manomana ny fivoriana any an-toerana. Araka izany, ireo ekipan’ny minisitera izay tonga taloha tany no nanao fivoriana niaraka tamin’ny komity mpanomana any an-toerana tao amin’ny biraon’ny faritra Androy.

Marihina fa tsy ho tonga hanatrika io fihaonam-be io ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery, araka ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana. Tsy misy fanantenana firy ho an’ny mponina, araka izany, izao fihetsiketsehana diso paika izao satria ny filoham-pirenena aza tsy ho eo.

Araka ny vaovao azo, olona 250 no nasaina handray anjara amin’ity, fihaonam-be karakarain’ny minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy  ity izay nentanina mba ho tonga hatry ny omaly hanatrika io fivoriam-be io.

Tafiditra ao anatin’io ny fikambanana maro samy hafa ankoatra ny olona avy any an-toerana ho henoina mba  hikaroham-bahaolana mahakasika ny kere izay ho lasa fehin-kevitra  hampandrosoana ini faritra iny.

CMS

Fahasalamana : entanina ny fihinanana sira misy ioda

$
0
0
sira

Nisongadina nandritra ny filankevitry ny governemanta ny talata teo ny fanentanana ny fihinanana ny sira misy ioda. Hisy ny fandraisan’andraikitra maika hatao amin’ireo an-tanan-tohatra rehetra hampahomby ny fanaparitahana izany sira misy ioda izany.

Hiainga hatrany amin’ny mpamokatra sira, ny mpitatitra ary ireo mpamondady ny fanaraha-maso. Hitohy hatrany amin’ny fanentanana ny mponina izany hitondra Fahasalamana ho an’ny malagasy.

Iaraha-mientana amin’ireo minisitera maromaro sy ny sehatra tsy miankina, toy ny mpamokatra sira ny fanatanterahana izany hisian’ny fahombiazana.

Raha ny salanisa tamin’ny taona 2014 nataon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny ONN ary ny Unicef, mampiseho tena ambony ny tsy fahampian’ny ioda amin’ny vatan’ny Malagasy. Raha mitohy izany, hitarika amin’ny fahambonian’ny taham-pahafatesan’ny zaza vao teraka sy ny fahafahanjaza matetika io tsy fahampiana ioda io. Ankoatra izany ny tsy fitomboan’ny zaza ara-dalana ary hiafara amin’ny toekarena sy sosialy marefo eto amin’ny firenena mihitsy.

Anisan’ny torohevitra omen’ny dokotera ankehitriny anefa ny tsy tokony hihinanana sira betsaka, indrindra ho an’ireo olona efa manana tosi-dra ambony. Manelingelina ny fikorianan’ny ra ao amin’ny vatana ny fihinanana sira be loatra ka mila mitandrina.

Tatiana A

RNS 2016 : hiditra an-tsehatra ny «futsal»

$
0
0

Miditra amin’ny andiany faha-41, amin’ity taona 2016 ity, ny fifaninanana iraisan’ny Malagasy any Eoropa sy ivelan’i Madagasikara na ny «Rencontre nationale sportive». Hampiantrano izany, amin’ity, i Lyon ka ny 26 ka hatramin’ny 28 marsa ho avy izao  ny hanatanterahana izany.

Hampiavaka ity andiany ity ny fidiran’ny taranja kitra anaty efitrano na ny «futsal», izay taranja efa manomboka mahazo vahana ihany koa eto Madagasikara. Ankoatra izay, eo koa ny lomano. Raha ny vinavinan’ny mpikarakara, tarihin-dRamanana Rahary Olivier, hahatratra eo amin’ny 115 eo ny isan’ny mpandray anjara, amin’ity. Ho goavana, araka izany, ny hetsika ka lelavola hatrany amin’ny 120.000 Euros na 420. 000.000 Ar ihany ny holanina, amin’ny fandraisana sy fikarakarana azy ity. Ankoatra ny fanatanjahantena, hisy koa toy ny mahazatra ny fihaonana ara-kolontsaina sy ny fampirantiana ireo sakafo sy asa tanana malagasy. Handravaka ny RNS 2016, ny fiarahana amin’ireo mpanakanto, toa an’i Jaojoby sy Bodo ary ireo DJ.

 Tompondaka


Basikety – Coupe du Président : tafita ireo ekipan’i Matsiatra Ambony

$
0
0
????????????????????????????????????

USF, ASJF, BCKT, BBCF-ASCUF, Fandrasa. Samy ekipan’i Matsiatra Ambony avokoa ireo ary samy tafita hiatrika ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président”, taranja basikety ho an’ny Zone Sud, any Fianarantsoa.

Mitarika eo amin’ny vondrona « » mantsy ny USF, manana isa 8, arahin’ny ASJF manana isa 7, eo amin’ny laharana faharoa. Mbola ekipan’i Matsiatra Ambony koa ny fahatelo, ny BCKT, manana isa 5.

Eo amin’ny ilany, vondrona « » indray, mitarika ny BBCF-Ascuf, manana isa 8 arahin’ny Fandrasa, manana isa 7. Ny ASS avy any Amoron’i Mania, manana isa 6 kosa ny fahatelo.

Hangotraka, araka izany, ireo fihaonana eo amin’ny ampahefa-dalana amin’ity indray mitoraka ity.

Ankoatra izay, ho an’ny Zone Ouest, any Tsiroanomandidy indray, mitarika hatrany ny 2BC avy any Vakinankaratra, manana isa 8, arahin’ny BAS Bongolava, manana isa 7, eo amin’ny laharana faharoa. Ny Fanatic (Vakinankaratra) kosa ny fahatelo ary ny BCM-ZO (Menabe) ny fahefatra.

M.N.

Tsipy kanetibe –«Masters de Pattaya 2016» : ekipa malagasy 2 ho any Thaillande

$
0
0
tsipy 19 02.jpg

 Hisy lalao, hanomanana ny ekipa malagasy, handeha hiatrika ny fihaonana any Thaillande, eo amin’ny taranja tsipy kanetibe, ny faran’ny herinandro ho avy izao. Ho an’ny ekipa olon-telo miaraka izany, ary misokatra ho an’ny rehetra.

Hanana solontena roa ny Malagasy amin’ny fiatrehana ny “Masters de Pattaya 2016”, tanterahina any Thaillande, ny 24 ka hatramin’ny 28 febroary ho avy izao. Araka ny fantatra, i Amir sy Jean, miampy an’i Carlos ny iray ary Taratra sy Nanou ary Mamy kosa ny faharoa. Ireo ekipa ireo, izay nandrombaka  ny fifaninanana indroa miantoana, nifantenana azy ireo. Raha tsiahivina, efa nahazo ity “Masters de Pattaya” ity ny ekipa malagasy, ny taona 2014, tamin’ny alalan’i Jean sy Carlos ary Naina Ragasy sy Tiana.

Tanjona ny hamerina indray izany anaram-boninahitra izany, amin’ity andiany fahenina ity. Marihina fa ny Malagasy irery hatreto no firenena vahiny, nahazo izany fifaninanana izany, fa ry zareo Thaillandey hatrany ny nandrombaka izany. Ho fanomanana ireo ekipa solontenam-pirenena ireo, hisy lalao ho an’olon-telo miaraka, hatao etsy amin’ny CBT Mahamasina, rahampitso asabotsy 20 sy ny alahady 21 febroary ho avy izao. Amboara telo lehibe sy medaly volamena ary lelavola 1 tapitrisa Ar, hatolotra ho an’ny mpandresy ary medaly alimo sy 300.000 Ar kosa ny faharoa raha 100.000 Ar sy medaly alimo kosa ny an’ny fahatelo sy fahefatra. Mba hahazoan’ny rehetra mandray anjara, noferana ho 60.000 Ar isaky ny ekipa ny saran’ny fifaninanana. Hetahetan’ireto solontena malagasy ireto, ny handraisan’ny rehetra anjara, mba hahazoan’izy ireo maka kotrana tsara, mialoha ny fiaingany ny alatsinainy 22 febroary izao.

Manana fahaizana amin’ity taranja ity ny Malagasy. Ity ny fotoana hanehoan’izy ireo izany  talenta izany. Fitsapana ny herin’ny tena ary fakana traikefa ihany koa ny fihaonana amin’ny mpilalao efa za-draharaha toy izao, ka tsy tokony havela handalo, fotsiny.

 Tompondaka

Volley – Afrique U18 F : hotanterahina eto Antananarivo ny fifaninanana

$
0
0
Volley 1902

Mazava. Araka ny efa fantatra, voafidy tamin’ny fivoriamben’ny kaonfederasiona afrikanin’ny volley na CAVB fa i Madagasikara no hampiantrano ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sokajy U18 zazavavy.

Raha ny fandaharam-potoan’ny federasiona malagasy (FMVB), hotanterahin’izy ireo miaraka amin’ny CAVB eto Antananarivo, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny 17 – 27 aogositra izao io hetsika iraisam-pirenena aty Afrika io.

Tombony ho antsika ny fandraisana ny fifaninanana. Tsy misy afa-tsy ny fanomanana ny fandraisana sy ny fampiantranoana ary fanomanana ny ekipa nasionaly mantsy no ataon’ny federasiona sy ny fanjakana.

Ankoatra izay, hanokafan’ny federasiona ny taom-pilalaovana 2016 kosa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny sokajy U18 zazalahy sy zazavavy, ny 23 – 30 marsa izao.

M.N.

Réconciliation : effectif réduit pour le CFM

$
0
0

Le projet de loi sur le nouvel organe en charge de la réconciliation prévoit dix-huit membres. Un nombre réduit par rapport au précédent.

La nouvelle structure en charge de la réconciliation nationale, en l’occurrence le Conseil pour

le fampihavanana malagasy (CFM) sera élargi à toutes les forces vives de la nation mais avec un effectif réduit à dix- huit membres, à raison de trois par province. Telle sera la nouvelle composition de l’organe si le projet de loi présenté par le comité d’élaboration est adopté par les deux chambres parlementaires durant la prochaine session ordinaire au mois de mai. Un grand écart par rapport à la composition de l’organe actuel, le Conseil pour la réconciliation malgache (CRM), qui compte plus d’une quarantaine de membres.

Cette restriction commence en tout cas à faire jaser certains acteurs qui estiment qu’ils ne pourront jamais représenter toutes les forces vives du pays. Le nouveau conseil sera ainsi composé de trois commissions, à savoir la commission Vérité et pardon, la commission Indemnisation et réparation, et la commission Refondation de l’Etat. Six membres seront en outre désignés par le chef de l’Etat, tandis que les 12 autres le seront par un comité de session.

Par ailleurs, la mission du conseil sera également élargie dans le temps. En effet, la mise en œuvre de la réconciliation nationale concernera à présent les évènements depuis le mois de janvier 2002 jusqu’à la fin de la période de transition en 2013, si le CRM actuel ne peut œuvrer au-delà de 2009.

Quoi qu’il en soit, le nouveau conseil pourrait également être doté d’un pouvoir élargi, notamment celui de statuer en dernier ressort sur les dossiers d’amnistie. Pour cela, une commission indépendante pour l’aministie sera mise en place. Cette commission, bien qu’elle statue en dernier ressort, recevra les recommandations de la Cour suprême.

Dans ce cas, les victimes devront saisir directement la commission pour demander une amnistie au lieu d’introduire une requête auprès de la Cour suprême. Une disposition qui a d’ailleurs créé la polémique dernièrement, notamment sur la compétence et les connaissances des 18 membres en matière juridique. L’adoption du texte reste cependant attendue.

Tahina Navalona

Iavoloha  : le Samifin au rapport

$
0
0

Une délégation du Service de renseignement financier de Madagascar (Samifin) conduite par son directeur général, Jean-Claude Razaranaina, a rencontré hier le Président de la République Hery Rajaonarimampianina à Iavoloha. La rencontre avait pour objet de remettre au Chef de l’Etat, le premier rapport des activités du Samifin pour le compte de l’année 2014.

«Ce rapport sera bientôt présenté au public», a déclaré le Président à l’issue de la rencontre. Par ailleurs, le DG du Samifin n’a pas manqué d’apporter de plus amples précisions sur les attributions de cet organisme. Celui-ci permet, en effet, de prévenir le blanchiment d’argent, et est un outil pour déceler les infractions comme la corruption, les détournements de deniers publics, les fraudes fiscales et douanières, ainsi que les trafics illicites (devises, or, bois de rose…).

«Des résultats ont été enregistrés par ce service, malgré l’insuffisance des outils de détection, ce qui a permis d’établir 193 rapports envoyés au Parquet sur les irrégularités constatées à partir des enquêtes émanant des différents services publics et privés», rapporte le communiqué de la Présidence. A noter que le ministre de l’Economie et de la planification, le général Herilanto Raveloharison, qui n’est autre que le président de cette entité, était également présent à Iavoloha, hier.

Jao Patricius

Viewing all 70783 articles
Browse latest View live