Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70696 articles
Browse latest View live

English Microscholarships A.P : mpianatra 57 mahafehy ny teny anglisy

$
0
0

Nahavita ny fianarana teny anglisy ireo mpianatra 57 avy amin’ny fianakaviana tena sahirana. Tamin’ny alalan’ny fandaharanasa fizarana vatsi-pianarana momba ny fampianarana teny anglisy na English Microscholarships ataon’ny masoivoho amerikanina no nahafahan’izy ireo nanao izany fampianarana izany. Notolorana ny marim-pahahaizana manokana ireto mpianatra 57 ireto tamin’ny herinandro teo.

Notronin’ny masoivoho amerikanina Robert Yamate sy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Rabeson Rolland ny fanolorana ny mari-pahaizana ho azy ireo. Nandritra ny roa taona ny  fampianarana izay natao tao amin’ny English Teaching Program (ETP).

Mikendry ny fanampiana ireo tanora manan-talenta 13-20 taona ao anatin’ny fianakaviana sahirana ny fandaharanasa English Microscholarships. Mahafehy tanteraka ny teny anglisy araka izany, ireo ankizy ireo.

Nitondra hafatra ho an’ireo tanora ny masoivoho amerikanina, nilaza izy fa tsy tokony hionona fotsiny amin’ny fahaizana ny teny vaovao ny tanora fa mila mianatra misokatra amin’ny fomba fisainana mivoatra sy mendrika ihany koa”.

Hatramin’ny nisian’ny fanadaharanasa Access tamin’ny taona 2004, efa mahatratra 100.000 ireo tanora avy amin’ny firenena 85nahazo fampianarana teny anglisy maimaimpoana. Ho an’ny eto Madagasikara, tamin’ny taona 2013 no nivoaka ireo mpianatra voalohany nisitraka io fampianarana maimaimpoana io. Efa andiany fahefatra ireo mpianatra amin’izao fotoana.

Tatiana A

 


Noho ny fifindra-monina sy ny kere : mitombo 50 isan’andro ny mponina ao Toliara

$
0
0
TOLIARA

 Vokatry ny hamafin’ny kere any atsimon’ny Nosy. Mifindra monina mamonjy tanàn-dehibe avokoa ireo afaka manao izany. Ao Toliara, tafakatra 50 isan’andro ireo tonga mifindra monina.

Mitombo 50 isan’andro ny mponina eto Toliara vokatry ny fifindra-monina noho ny fisian’ny kere aty atsimo. Miezaka mamaha ny olany ny olona tsirairay izay manana fahefana manafatra ny havany tratry ny kere.

Amin’ny fomba fanao mahazatra ihany anefa no anafarana azy ireo amin’ny alalan’ny fandoavana ny saran-dalana eo am-pahatongavana. Misy fiantraikany tsikelikely eto anivon’ny tanànan’i Toliara io toe-javatara io. Mitombo ny isan’ny mpitarika posy izay tsy mahafehy firy ny tanànan’i Toliara. Noho ny fanomezan’ny namany azy fiofanana vonjimaika hahafahany  mitady vola mba hanavotana ny havana sisa tavela any an-tanindrazana.

Araka ny vaovao, tsy i Toliara irery no iharan’izany fa anisan’izany koa ny tanànan’Ihosy. Matetika fandalovana ireo tanàna roa ireo satria rehefa mahazo vola hatao saran-dalana, miakatra ka tsy hijanona amin’ireo tanàna roa ireo io fifindra-monina io ato ho ato fa hiitatra hatrany Antananarivo sy Mahajanaga ary Antsiranana, anisan’ny faritra iveloman’ny olona avy aty atsimo na mankany Menabe ihany koa.

Araka ny resaka nifanaovana tamina tovolahy iray avy any Antaritarike, 29 km atsinanan’ ny distrikan’i Tsihombe, efa misy ny olona matin’ny kere any an-toerana noho ny tsy fisian’ny sakafo hohanina.

Misy anefa ny sakafo amidy ao amin’ny renivohitry ny distrika saingy lafo satria 1000 Ar ny iray kilao amin’ny balahazo. Ny olana anefa tsy ny rano fa ny tsy fahampian’ny ranon’orana ka matin’ny hainandro ny voly. Io toe-javatra io no miteraka kere raha mifanesy roa taona ny tsy fahampian’ny rotsak’orana.

Tatiana sy CMS

Tolo-tanana : nahangona 10 tapitrisa Ar Atsimo Andrefana

$
0
0
Atsimo andrefana

Vola 10 020 990 Ar ny voaangona nandritra ny “Tolo-tanana ho an’Androy” natao teto Toliara tao anatin’ny telo andro. Nanampy ireo ny vary 60 gony, tsako dimy gony, sira 31 gony, voamaina 32 gony, siramamy iray gony lasaka, lamba fitafy 59 fonosana ary lay efatra   fonosana lehibe… Araka ny fanambaran’ny lehiben’ny faritra, havadika ho sakafo ireo vola ireo ka haterina ho any atsimo. Hofaritana mialoha ireo tanàna homena ireo fanampiana ireo.  Betsaka ny olona tsotra sy orinasa namaly ny antso taorian’ny fanentanana nataon’ny lehiben’ny faritra. Samy nanao diabe ny herivelona rehetra aty an-toerana nampiseho firaisankina amin’ireo havana tratran’ny kere any atsimo.

Nandritra ireo fotoana ireo, nampitain’ny lehiben’ny faritra fa atao mangarahara ny  fandehan’ny zavatra rehetra ka tsy hatao tompon-trano mihono ny vahoakan’i Toliara. Hisy ny fampahafantarana azy ireo ny mahakasika ny hetsika natao hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka.

CMS

Hahatsiaro an-dRanavalona III ny Zaikabe Merina

$
0
0
Ranavalona

Manomana hetsika eny Manjakamiadana ny Zaikabe Merina, tarihin’Andrianarivo Jonah, ho fanamarihana ny faha-27 febroary taona 1897, alina nanonganan’ny mpanani-bohitra ny mpanjaka Merina farany, ary ny 28 febroary, andro nandefasany azy sesitany mandra-pahafatiny. “Haranty amin’izany ny tantaran’ny mpanjaka Ranavalona III, manomboka ny 26, 27, ary 28 febroary izao”, hoy izy.

Hisy boky volamena hanehoana hevitra momba izao famerenan-kasina ny taranaka Merina izao, amin’ny alalan’ny fananganana mpanjaka Merina vaovao. Eo koa ny fametrahana fehezam-boninkazo eny amin’ny lapan’i Manjakamiadana ho fanomezan-kasina ny fahatsiarovana ireo mpanjaka Merina nifandimby.

Ankoatra izany, misy fanontaniana tokony hitondrana valiny. “Nahoana no ny mpanjaka Merina ihany no naongana tamin’ireo mpanjaka rehetra teto? Nahoana   no mandra-pahafatiny izy no nalefa an-tsesitany. Tsy nampodiana ny taolambalony raha tsy efa ampolo taona taty aoriana ? Nahoana no tsy noheverina ny famerenana ny fisian’ny mpanjaka Merina mihitsy hatramin’izay?”, hoy ihany ny Zaikabe Merina.

Synèse R.  

Fanabeazana mampiaty : hampiarahana mianatra ny sembana sy ny mpianatra tsotra 

$
0
0

Miara-miasa nanomboka omaly, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Handicap International hampiditra ny ankizy rehetra voailika amin’ny rafi-panabeazana omen’ny minisitera. Fanabeazana mampiaty ny iantsoana azy ary tsy tokony hisy ankizy voailika intsony fa ho tafiditra an-dakilasy avokoa. Ao anatin’izany ny ankizy voafonja, kamboty, manana fahasembanana samihafa… « Misy ny rafitra hapetraka hanatanterahana ny asa manomboka eny amin’ny EPP. Iarahana amin’ny fokonolona, sefo fokontany, ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny fitiliana ny ankizy mila izany eny anivon’ny fiarahamonina », araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny fanabeazana ao amin’ny Handicap International, Ramamonjisoa Edith, omaly teny Anosy.

Mianatra mitokana amin’ny kilasy iray aloha ireo ankizy marefo ireo, roa na telo taona mialoha ny fidirana amin’ny kilasy mahazatra. Mahazo fiofanana mialoha ny mpampianatra amin’ny fomba fandraisana miaraka ny mpianatra rehetra. Hatramin’izay, mitokana ny fampianarana ny ankizy jamba, marenina, na manana fahasembanana ara-tsaina mavesatra.

Mandritra ny 42 volana ny tetikasa iarahan’ny roa tonta, 2 573 ny isan’ny ankizy hampidirina an-dakilasy ka ny 1 614 efa mianatra avokoa amin’izao fotoana izao. EPP 57 any amin’ny faritra Analanjirofo sy Diana no efa nisantarana ny asa. Hitarina amin’ny faritra Boeny sy Atsinanana ny rafitra rehefa tonga ny famatsiam-bola fanampiny.

Manohana ny fitiliana ny ankizy manana olana sy fahasembanana ny CSB manakaiky ny sekoly. « Nanomboka ny taona 2013, manaraka ny fenitra vaovao afaka mandray olona manana fahasembanana ny fotodrafitrasam-pampianarana naorina rehetra », hoy ny minisitra Rabary Paul. Mbola olana amin’ny fampiharana ny fanabeazana mampiaty ny toe-tsain’ny fiarahamonina.

Vonjy

Miomana amin’ny fiavian’ny Zika ny COI

$
0
0
moka

 Manoloana ny fiparitahan’ny tsimokaretin’ny Zika amin’ny firenena maro, nandinika ny asa tokony hatao sy ny fiomanana ny vondron’ny firenena aty amin’ny ranomasina Indianina (COI) ny herinandro lasa teo tany Seychelles. Manana tambazotra fanaraha-maso ny valanaretina sy fitantanana ny fampilazana ny loza (Sega) ny firenena rehetra mpikambana amin’ny COI. Lohahevitra telo no nojerena manokana, hamafisina ny fanaraha-maso ny valanaretina ahafahana mitily ny tranga avy amin’ny Zika. Hatsaraina koa ny fahafahan’ny laboratoara mikirakira ny fitiliana hamantarana ny fisian’ny tsimokaretina na tsia. Farany, ny fametrahana drafitrasa matotra sy mirindra manoloana ny valanaretina. Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) fa hamehana ho an’ny fahasalamana maneran-tany ny tsimokaretina Zika noho ny hafaingan’ny fiparitahany sy ny voka-dratsiny ho an’ny fahasalaman’ny vahoaka any Amerika Latina sy Karaiba.

Manohana ara-bola ny Sega ny Agence française de développement.

Vonjy

Beach soccer : “Mondialiste” 8 nantsoina ho Barea

$
0
0

 Nanomboka, omaly alarobia ary haharitra hatramin’ny alahady 21 febroary ho avy izao, any Fenoarivo Atsinanana, ny fampivondronana voalohany, ho an’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny taranja beach soccer. Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2016) izany. Mpilalao 20 nantsoina hiatrika izany, tamin’ity, ka ny 8 amin’ireo, efa tao anatin’ny Barea de Madagascar, izay niatrika ny “Mondial 2015”, natao tany Portugal, farany teo.

Anisan’izany i Chrétien sy Jhorialy, mpiandry tsatoby mendrika, nandritra ny “Can 2015”. Eo koa i Ymelda, Giovanni, Angéluc, mpilalao mendrika nandritra ny fifaninanam-pirenena 2015, Flavien (Dada), Toky, mpilalao mendrika tamin’ny “Can 2015”, ihany koa ary Tinasoa (Tsiliva), kapitenin’ny Barea, na efa nanambara aza izy fa tsy hanao beach soccer intsony, izao mbola niverina izao indray.

Anisan’ireo mpilalao vaovao nantsoina, tamin’ity, i Laignara Jean-Jacques, nahatafiditra baolina be indrindra nandritra ny fifaninanam-pirenena 2015, ary i Jolce, mpiandry tsatoby avy any Manakara.

Mahakasika ny mpanazatra indray, tsy nisy fiovana fa ireo efa nitondra ny Barea hatramin’izay ihany : i Solofo sy François ary ilay Frantsay, Barrabé, izay mipetraka ho mpanolotsaina, amin’ny fifantenana ireo mpilalao. Ankoatra izay, nisolo ny Dr Douglas i Claudio. Manampy azy rehetra ireo i Ibrahim Abdallah. Marihina fa mpilalao 12 ihany ny ho voatazona farany ao anatin’ny Barea de Madagascar.

 Tompondaka

Ireo mpilalao 20 mirahalahy nantsoina :  

 

Mpiandry tsatoby : Chrétien (Anosy) ; Jhorialy (Boeny) ; Jolce (Manakara)

Vodilaharana : Ymelda (Atsinanana) ; Giovanni (Menabe) ; Marcel (Atsimo Andrefana) ; Brillant (Maintirano) ; Andry (Manakara)

Irakiraka : Toky (Anosy) ; Vallery (Atsimo Andrefana) ; Romain (Menabe) ; Jean-Jacques (Maintirano)

Lohalaharana : Angeluc (Boeny) ; Jean de Dieu (Maintirano) ; Landris (V7V) ; Flavien (Atsinanana) ; Ruffin (Anosy) ; Juvence (Soanierana Ivongo) ; Armando (Ambanja) ; Tinasoa (Menabe)

«Ligue des champions» : resin’ny PSG ny Chelsea

$
0
0

Lavon’ny PSG, tamin’ny isa 2 noho 1, ny Chelsea, ny talata lasa teo, tao amin’ny kianja Parc des Princes. Fihaonana ampahavalon-dalana mandroso, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”. Nanehoan’ny Frantsay ny heriny ry zareo Anglisy, tamin’ity. Tsy namelan’izy ireo mihitsy mantsy raha tsy niondrika teo anatrehany ny Chelsea.

Anisan’ireo mpilalao nisongadina ary mbola nampiseho ny maha andrarezina azy i Zlatan Ibrahimovic, izay nahatafiditra ny baolina voalohany, tamin’ity. Tamin’ny alalan’ny “coup francs direct” ny nahatafidirany izany baolina izany.

Efa tany amin’ny fanampim-potoana (45 mn + 1) vao nahasahala ny isa ny Chelsea, tamin’ny alalan’i John Obi Mikel, rehefa nahazo tolotra tsara avy amin’ny lohan’i Diego Costa, taorian’ny “corner” azon-dry zalahy. Tsy nahakivy nyFfrantsay izany fa nanafika hatrany izy ireo ary nanampy isa indray, teo amin’ny minitra faha-78, tamin’ny alalan’i Cavani. Io isa io ihany koa ny nentin’ny roa tonta nisaraka tamin’ity fihaonana ity.

Teo amin’ny fihaonana iray, lavon’ny Benfica de Lisbonne, tamin’ny isa tokana, 1 noho 0 ny Zenit ST Petersbourg.

Tompondaka


Fikambanana Bel Avenir : hihazo an’i Azia ny Bloco Malagasy

$
0
0

Nanainga omaly tao Toliara ary hihazo ny kaontinanta aziatika ireo andriambavilanitra, mpively amponga, ao anatin’ny tarika Bloco Malagasy, izay novolavolain’ny fikambanana Bel Avenir any Toliara any. Hisantatra sahady ny fitetezam-paritra any ivelany any izy ireo, saingy toy ny mahazatra, manana lohahevitra hatrany ny fampisehoana hatolotry ny tarika. Hiompana amin’ny fanentanana momba ny fizahantany tompon’andraikitra ity dia indray mitoraka ity.

Ny faritra Azia Atsimo Atsinanana no tena hotetezin’ireo tovovavin’ny Bloco Malagasy ary hanehoan’izy ireo ny talentany. Hanombohan’izy ireo izany fampisehoana izany ny any Cambodge ; ao amin’ny trano fandraisam-bahiny sy filanonana, antsoina hoe Dauphin guest house. Amin’ny asabotsy izao ity seho voalohany ity.

Ny ampitson’io kosa, hahazo tombony amin’ny fampivelarana ny serasera, ny fahalalana ary ny fahaiza-manao ireo ankizin’ny Bloco Malagasy. Hianatra ny nahandro aziatika izy ireo ary hifanakalo hevitra amin’ny tanora beazin’ny fikambanana tsy miankina iray antsoina hoe Egbo. Ho fantatra miandalana moa ny ho tohin’ny firenena halehan’ireto tovovavy manan-talenta, efa nitety firenena maro, ireto.

Landy R.

Basikety – Coupe du Président : mandravarava ireo ekipan’i Vakinankaratra

$
0
0
????????????????????????????????????

Tsy mbola resy. Mandravarava aloha, hatreto, ireo ekipa misolo tena an’i Vakinankaratra amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président”, taranja basikety, ho an’ny Zone Ouest, any Tsiroanomandidy. Araka ny efa fantatra mantsy, vantany vao tontosa ireo fifanintsanana tamin’ireo Zones Nord (tany Antsiranana) sy Centre (tany Toamasina), nanomboka ny faran’ny herinandro kos,a ny teo anivon’ireo Zones Sud, any Fianarantsoa sy Ouest, any Tsiroanomandidy.

Ho an’ny Zone Ouest manokana, mbola mafy ireo ekipa avy any Vakinankaratra. Mbola tsy niova mantsy ny filaharana ankapobeny vonjimaika fa mbola ny 2BC no mitana ny lohany, manana isa 6. Ny Fanatic no manaraka azy eo amin’ny laharana faharoa, manana isa 5.

Teo amin’ny vokatra omaly kosa indray, nandresy fanindroany ny 2BC rehefa nandavo ny AS Bel’Air (Bongolava) tamin’ny isa 64 noho 27.

Nahita fandresena kosa ny BAS (Bongolava) nanoloana ny 3FB (Bongolava). Lavony tamin’ny isa 93 noho 70 ity farany. Manaraka izany, nanilika ny BCM-ZO (Menabe) tamin’ny isa 87 noho 79 ny ASB (Itasy).

Ho an’ny Zone Sud indray, mbola mitarika vonjimaika ihany koa ny ekipan’ny mpampiantrano, USF (Matsiatra Ambony) eo amin’ny vondrona “A” raha ny ASS (Amoron’i Mania) ny eo amin’ny vondrona “B”. Mety hiova arakaraka ny vokatra ny filaharan’ireo ekipa.

M.N.

Pancrace : hidona amin’i La Réunion i Dago

$
0
0

Tsy miandry ela. Efa eo am-panomanana sahady ny fandraisana ilay « Gala international » eo amin’ny taranja haiady, pancrace, ny fikambanana Perfect Fighting Commission sy ireo taranja miaraka aminy na PFC & DA tarihin’ny filohany, Rakotonindriana Parfait.

Raha ny fanazavana, hetsika hifanandrinan’i Madagasikara amin’i La Réunion io « Gala international io ». Hotanterahina  indroa miantoana kosa izany, raha ny fandaharam-potoan’izy ireo. Ny 2 avrily izao ny dingana voalohany, eto Antananarivo, raha any La Réunion kosa ny dingana faharoa, ny volana jona.

Araka izany, efa ao anatin’ny fitiliana ireo mpikatroka handrafitra ny ekipa nasionaly ny fikambanana PFC & DA, amin’izao fotoana izao. Izany hoe, hisy fifaninanana tsara hokarakarain’izy ireo ato ho ato mialoha ny fampivondronana ireo voafantina hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity hetsika iraisam-pirenena hifanandrinana amin’i La Réunion sady andiany voalohany ity.

Ankoatra izay, hisy taranja hafa, kempo sy MMA (Mixed Martial Art), ihany koa hifaninanana amin’izany. Ho fanomanana sahady ny fiadiana ny tompondaka eran-tany eo amin’ny kempo ihany koa mantsy izany.

M.N.

ComNat/Unesco – Raboanary Hanta : « Manana anjara asa goavana eo amin’ny fiarahamonina ny Radio »

$
0
0
RADIO

13 febroary, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Radio. Nandritra ny fivahinianan-dRaboanary Hanta, sekretera jeneralin’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco (ComNat/Unesco) tao amin’ny Radio Madagasikara (RNM) no nanamafisany ny lanja lehibe ananan’ny Radio eo amin’ny fiainam-piarahamonina. Notsiahiviny tamin’izany fa « tsy azo ialana sady mitana ny laharana voalohany amin’ny fampitam-baovao, indrindra ho antsika eto Madagasikara, ny Radio ».

Nampahatsiahiviny rahateo ny fananan’ny olom-pirenena rehetra zo hahafantatra sy hahazo vaovao ary haneho hevitra, izay voizina amin’ny Andro iraisam-pirenena tahaka izao. Notsongain-dRaboanary Hanta manokana ny fanentanana ny mpiara-belona ataon’ny Radio manoloana ny tranga maika toy ny loza voajanahary.

Ho an’i Madagasikara manokana, anjara toerana lehibe raisin’ny Radio ny fampahafantarana ny fisian’ny aretina toy ny pesta, fisian’ny rivodoza, tondra-drano, sns, mba hahafahana misoroka dieny mialoha na mandray fepetra mifanaraka amin’ny zava-mitranga.

Marihina fa nomarihina nanomboka ny taona 2011 ity Andro iraisam-pirenena ho an’ny Radio ity. Lohahevitra amin’ity taona ity ny « Radio manoloana ny fahamehana sy ny loza voajanahary ». Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny ComNat/Unesco, minisiteran’ny serasera, BNGRC ary ny Tek’Anim-Mada ny amin’ny fampahafantarana ny anjara toeran’ny Radio.

HaRy Razafindrakoto

« RDJ Mozika »  : hankasitrahana ireo mpanakanto mendriky ny taona 2015

$
0
0
????????????????????????????????????

Niverina amin’izay ! Tsy havela ho very maina ny ezaky ny mpanakanto nandritra ny taona nivalona. Natao hankasitrahana azy ireny ny hetsika.

Nanomboka tamin’ny “RDJ Mozika 2005” ary niato tamin’ny “RDJ Mozika 2009”. Mahafaly ny fianakaviamben’ny kanto, indrindra ireo mpanakanto, ny fiverenan’ity hetsika ity indray. Natao hankasitrahana ny zava-bitan’ireo mpanakanto nandritra ny taona vao nodiavina mantsy izany, izay karakarain’ny Onjampeon’ny tanora (RDJ).
Arakaraka ny fangatahan’ny mpihaino ny hira sy ny fandehanan’izany matetika ao amin’ny onjampeo no nakana ireo hosafidina isan-tsokajy. Voarakitra avokoa ny fandehanan’ny hira mandritra ny taona iray”, hoy ny nambaran-dRasolojaona Tahiana (Jaytaxx), tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny onjampeo sy amin’ny fikarakarana ny hetsika.
Notsinjaraina ao anaty sokajy 11 ireo hira, mpanakanto, ary fampisehoana voafantina. Anjaran’ny mpankafy irery ny misafidy izay mendrika aminy fa tsy misy mpitsara hafa. Efa nanomboka ny 8 febroary ny fifidianana ka tsy hifarana raha tsy ny 27 febroary. Izay mahazo isa maro indrindra isan-tsokajy no homena ny anaram-boninahitra, mandritra ny lanonana goavana izay hotontosaina ny 27 febroary, eny amin’ny CCI Ivato.

Zo ny Aina

Ireo sokajy hifaninanana:
1- Mozika mafana
 Wawa-“Manonga l’escalier”, Tence Mena-“Midira”, Barinjaka-“Patron’aomby”, Lyanah-“Salegy pok pok”, Daddi Love-“Fomban’ny ngôma”, Vaiavy Chila-“Amboara Prix”.

2- Mozika Mihetsika
Eusebia & Dat’Kotry-“On s’en fout”, Stéphanie-“Tsyfoiko”, Nina’s-“Efa be”, Onja-“Fitia tsy mizarazara, Lôla-“Tsisy frein”, Big Mj-“Poupousy”.

3- Mozika Rap/Rn’B
Bamb’s-“Andriambavilanitra”, Joyce Mena Makoa-“Mijoro foana”, Rapadango-“Volana”, SpyD-“Lasa”, Tsôta-“Rakaieko ny fonao”, X-Tah-“Boombap mpiondana”

4- Mozika “tendance”
Agrad & Skaiz-“Faly”, Dalvis-“I love you”, Dj Gouty & Odyai-“Samy malagasy”, Gangstabab-“Ianao iny”, Jazz MMC & Kaej-“Baby Darling”, Kougar-“Zomba gasy”.

5- Mozika “duo”
Firmin & Narindra-“Tsaroana foana”, Théo Rakotovao & Dô Rajhonson-“Tsy maninona”, Lôla & Black Nadia-“Mila anao”, Tobia & Johanna-“Tsiory”, Meizah & Jessi Flavi One-“Nouvelle danse”, Roy Rakoto & Groove-“Ento milamina”.

6- Mozika “Variété
Samöela-“Taraiky”, Princio-“Allô! Jesosy tompo”, Melky-“Lasanao any”, Matsubara-“Avotoro”, Mija-“Tsyfoeko”, John Oabmar-“Indray andro tsy hita maso”.

7-Mozika fiderana
GAM-“Fa ianao no rehetra”, Joseph d’Af-“Rahoviana”, Ny avo-“Voady”, Singer’s of Jesus-“Hampifaly anao”, TDL-“Décision”, TGC-“Tiako e!”.

8-Mozika milamina
Black Nadia-“Omeo chance”, Lôla & Safidy-“Ho iray safidy”, Melky-“Tsy ianao irery”, Nina’s-“Asio fanajana”, Théo Rakotovao-“Izy”, Tif à Tif-“Tsapako amin’izay”.

9- “Spéctacle de l’année
Lôlô sy Mahaleo (Coliséum), Raboussa (Palais des sports), Tana in Rock (Antsahamanitra), Tempo Gaigy sy Tif à Tif (Antsahamanitra), Tselatra (Antsahamanitra), Wawa (Coliseum).

10- « Révélation de l’année »
Martiora Freedom, Mija, Jess Flavi One, Joyve Mena Makoa, John Oabmar, Matsubara.

42è sommet de l’APF  La communication parlementaire renforcée

$
0
0

L’Assemblée nationale est à pied d’œuvre dans l’organisation du sommet de l’Assemblée parlementaire francophone (APF) qui se tiendra dans la capitale au mois de juillet prochain. Un séminaire de formation a dans ce sens été organisé par l’Institut électoral pour la démocratie durable en Afrique (Eisa), avec la collaboration de l’Institut d’études politiques (IEP) pour le renforcement des capacités du personnel parlementaire en communication politique et institutionnelle, depuis lundi dernier jusqu’à hier à l’hôtel du Louvre à Antaninarenina.

L’objectif de cette formation est d’améliorer les compétences du personnel parlementaire en matière de communication pour plus d’efficacité dans la diffusion d’informations au public et particulièrement aux médias. Ces derniers ont d’ailleurs été conviés, lors du dernier jour de formation à mieux cerner les enjeux de la communication parlementaire. Plusieurs thèmes ont été abordés lors de la formation, notamment l’importance de la communication parlementaire, la communication institutionnelle interne et externe, les bases et enjeux d’une bonne communication entre les journalistes et l’Assemblée nationale. Il faut noter que la formation a été initiée dans le cadre de l’accueil de la 42è session ordinaire de l’APF.

T.N.

Elections  : les journalistes renforcent leurs capacités

$
0
0

Les médias jouent un rôle essentiel durant le processus électoral. De nombreuses élections se tiendront en Afrique et particulièrement à Madagascar cette année. La couverture impartiale de ces évènements reste un défi pour les journalistes qui sont la plupart du temps confrontés à une multitude d’obstacles constitués de restrictions à la liberté de la presse, de difficultés d’effectuer des reportages et surtout une limitation des données ou de l’accès aux bureaux de vote.

Afin de pallier ces difficultés, un atelier de formation virtuelle a été programmé à l’intention des journalistes du continent. Les professionnels de l’information malgaches n’ont pas été en reste car cette formation s’est tenue, hier à l’American Center à Tanjombato. Les journalistes se sont familiarisés avec les meilleures pratiques pour effectuer des reportages sur les élections, ainsi que la possibilité d’interagir avec les journalistes internationaux dans la couverture des élections en Afrique et dans les autres pays.

Le conférencier et non moins cofondateur de «Story Group», une société de presse multimédia indépendante, Daniel Glick a renforcé les capacités des participants sur «les normes professionnelles dans les nombreux aspects de la couverture des élections». La formation a permis d’étudier la façon dont les journalistes doivent traiter les informations d’une manière impartiale.

Les processus électoraux, la couverture des campagnes (à savoir l’analyse du contenu des programmes/discours électoraux des candidats, des informations sur le vote, la couverture du débat des candidats…), le droit des journalistes à l’information lors de l’élection, la différence entre les journalistes et les observateurs électoraux, la manière de préparer un plan de couverture, la sécurité personnelle lors de la couverture des élections, ainsi que le reportage postélectoral… ont été tour à tour abordés lors de cet atelier qui a été introduit par le PDG de l’African media initiative, Eric Chinje.

Nadia


Juerg Zeltner : la révolution de l’investissement social

$
0
0
Juerg_Zeltner

ZURICH – En 1972, lors de la visite de Richard Nixon à Pékin, Zhou Enlai, le premier des Premiers ministres de la République populaire de Chine, est interrogé sur son point de vue concernant la Révolution française de 1789. « Il est trop tôt pour le dire, » aurait-il répondu.

Il est probable que Zhou ait en réalité mal compris la question, et qu’il ait fait référence aux manifestations françaises de mai 1968. Sa réponse pourrait néanmoins s’appliquer tout aussi aisément à une révolution récente, qui vient bouleverser l’univers de l’investissement social. Les implications pourraient en effet se révéler considérables – même s’il faudra du temps pour qu’elles soient pleinement admises.

Cette révolution en matière d’investissement a débuté au mois de novembre, lorsqu’un réseau réunissant une trentaine de milliardaires, parmi lesquels Jeff Bezos d’Amazon, Richard Branson de Virgin et Jack Ma d’Alibaba, a annoncé la création de la Breakthrough Energy Coalition. La BEC a en effet promis l’apparition d’un «nouveau modèle» recourant à des partenariats public-privé afin de mobiliser l’investissement en faveur de «solutions énergétiques révolutionnaires d’avenir».

Cette annonce a été rapidement suivie par un engagement consistant pour Mark Zuckerberg et Priscilla Chan à faire don de 99 % de leurs actions Facebook (ce qui représente actuellement quelque 45 milliards $) afin d’améliorer l’existence des nouveau-nés à travers le monde. Les deux protagonistes ont eux aussi souligné l’importance de «partenariats auprès des gouvernements, des entreprises et des associations à but non lucratif».

L’évolution la plus novatrice réside dans la reconnaissance d’une pénurie de financements – d’une forme d’«échec collectif» de la part des investisseurs publics, caritatifs et commerciaux, d’après la BCE – qui vient ériger «une barrière quasi-infranchissable entre concepts prometteurs et produits viables».

Investissement

Qu’il s’agisse de État, d’un laboratoire de recherche universitaire, d’une ONG, d’un entrepreneur ou d’un réseau d’investisseurs, aucun acteur ne peut à lui seul résoudre les défis majeurs d’aujourd’hui. Cette réalité se vérifie dans des domaines aussi divers que la santé, l’éducation, ou la lutte contre les changements climatiques.

C’est la raison pour laquelle l’Initiative Chan Zuckerberg a été élaborée dans un souci de flexibilité maximale, l’entité permettant aux fonds d’être canalisés en direction d’associations à but non lucratif, orientés vers des investissements privés, ou utilisés pour influencer le débat autour des mesures nécessaires. De même, la BEC a promis d’encourager les efforts d’autres acteurs, en adoptant «une approche flexible autour de la phase initiale, à travers des financements d’amorçage ainsi que des investissements providentiels et de Série A, dans l’espoir qu’une fois ces investissements dérisqués, des capitaux commerciaux traditionnels soient investis dans les phases ultérieures».

Bien entendu, une poignée d’acteurs même milliardaires ne pourra résoudre à elle seule les problématiques du monde. D’autres parties prenantes devront elles aussi prendre part à cette révolution. Les donateurs traditionnels devront revoir leur mandat. Et les gouvernements devront accomplir davantage afin de favoriser un plus grand flux de capitaux privés en direction d’actifs infrastructurels plus durables. Les dirigeants politiques pourraient réfléchir aux incitations fiscales, notamment aux crédits dans plusieurs domaines clés.

L’opportunité existe également de faire participer le secteur financier, à travers ce que l’on appelle l’investissement d’impact, qui consiste à viser à la fois le progrès social et la possibilité de rendements financiers suffisamment élevés pour attirer les investisseurs privés classiques.

Bien entendu, tout cela est plus facile à dire qu’à faire. Comme l’a expliqué Bill Gates, qui a fait don de plus d’argent que quiconque dans toute l’histoire de l’humanité : «Tant de choses ont un rendement social sans pour autant produire de rendement financier. Il faut vraiment veiller à ne pas vouloir le beurre et l’argent du beurre».

Ceci se vérifie particulièrement pour ceux qui conçoivent les instruments financiers destinés à de l’investissement d’impact. Parmi ces instruments les plus innovants figurent les obligations d’impact destinées au développement, via lesquelles des investisseurs apportent le financement nécessaire à des projets de développement en échange de rendements fournis par des donateurs, ONG ou agences gouvernementales, à la condition sine qua non que les résultats visés et convenus soient effectivement atteints.

Obligation

Un système d’obligations de ce type finance par exemple aujourd’hui une initiative visant à inscrire et à scolariser dans la durée les jeunes filles du Rajasthan, en Inde. En fonction des taux de présence observés dans le cadre de ce programme, ainsi que de la réussite de ces jeunes filles dans l’apprentissage de la lecture, de l’écriture et du calcul, la Fondation du Fonds d’investissement pour l’enfance consent à verser un rendement aux détenteurs d’obligations. L’espoir consiste à voir les programmes de ce type fournir un modèle susceptible d’être répliqué et développé ailleurs.

Une autre opportunité prometteuse réside dans les investissements intervenant à la phase la plus risquée du processus de développement de nouveaux médicaments, phase qui se situe entre le stade de recherche fondamentale et le stade d’essais cliniques sur l’homme, et qui peine généralement à attirer les financements nécessaires. En effet, pour chaque million de dollars dépensé dans le cadre de ce processus, quelque 8 millions $ sont consacrés à la recherche fondamentale, et pas moins de 20 millions $ aux essais cliniques.

L’existence de cycles de bénéfices trimestriels, d’une fixation des prix en temps réel, et d’une supervision constante de la part des actionnaires, conduit les sociétés pharmaceutiques à privilégier les opportunités de rendement sûres et immédiates – au détriment de recherches plus incertaines, bien que potentiellement transformatrices. À l’heure où les taux d’intérêt sont au plus bas dans la plupart des pays développés, les principaux acteurs du système financier ont l’opportunité – et j’ajouterais la responsabilité – de contribuer à combler cet écart. En plus de générer un impact social significatif, une stratégie d’investissement patiente dans ce domaine produirait des rendements financiers élevés à long terme.

Par Juerg Zeltner

Copyright:

Project Syndicate, 2016.

Exclusivité :

« Les Nouvelles ».

Leader Fanilo  : le camp d’en face prépare la riposte

$
0
0
????????????????????????????????????

L’embrouille au sein du Leader fanilo semble loin d’être terminée. Si l’on en croît les membres de cette formation politique, le comité technique mis en place le 3 février dernier prépare minutieusement sa réplique par rapport à la dernière sortie de l’équipe de Jean-Max Rakotomamonjy.

«La rencontre d’Ivato était une parodie de conseil national extraordinaire. Pour nous,  ce n’était que de la mascarade. Donc nous ne tenons pas compte de tout ce qui a été dit lors de cette journée», a fait savoir hier un membre de ce parti, joint au téléphone. Alors qu’au sein de la nouvelle structure, les réunions se suivent et se ressemblent, en effet, pour préparer le «véritable» conseil national prévu en mai.

«L’ancien Bureau national de coordination n’est plus apte à se prononcer au nom du Leader fanilo depuis sa suspension en décembre dernier. Donc leur décision est nulle et sans effet», a rappelé notre source qui a pourtant tenu à répondre à l’ancien équipe en avançant que «le Comité d’orientation n’est nullement un usurpateur de fonctions dans la mesure où il s’agit d’un organe souverain de conception, de contrôle, et d’arbitrage». Une allusion  aux déclarations de personnalités issues de la rencontre d’Ivato qui accusent les autres membres de «violation du statut du parti». A titre de rappel, l’équipe de Jean-Max Rakotoamonjy avait suspendu onze personnalités, dont Manassé Esoavelomandroso, Noël Randriamisatrana, Heriniaina Mahosindrahaja, Alphonse Randrianambinina, Hasina Raveloson, Antoine Zafera Rabesa, Guillaume Andriamanantena ou encore Lalaina Berthnès.

James Ranary

D’un fait à l’autre

$
0
0

Meurtre sordide à Toamasina : Les 8 accusés du meurtre suivi de vol d’organes perpétré sur une jeune femme le 9 février dernier à Salazamay-Toamasina vont être déférés au parquet de Toamasina, ce jour. Les investigations des éléments de la police locale se poursuivront malgré le passage des incriminés devant le juge, a promis le directeur interrégional de la sécurité intérieure de Toamasina qui croit en l’existence de cerveaux qui courent toujours dans cette affaire.

Le mari en colère tue la fille de sa femme à Toliara : Une fillette de 9 ans a fait les frais des relations tendues dans un couple habitant à Tsianisiha dans la commune de Toliara II. Le mari était entré dans une grande colère en ne voyant pas sa femme à son arrivée au foyer. La réponse négative de la fille questionnée sur sa mère a amplifié l’ire du mari, vraisemblablement colérique qui n’avait plus contrôlé son instinct meurtrier. Il a frappé la nuque de la petite fille avec une pelle, causant une blessure ayant entraîné son décès. Le meurtrier a pris la fuite par la suite mais s’était livré au fokonolona et aux responsables du «dina» local, attroupés sur les lieux du crime. L’intervention de la gendarmerie lui a évité la justice populaire que la foule s’apprêtait à lui rendre sur place.

Manou

Attaque à Anosizato  : 8 bandits arrêtés

$
0
0
ATTAQUE ANOSIZATO

Les auteurs de l’attaque à main armée dont fut victime un grossiste du quartier d’Anosizato dimanche dernier à l’aube sont tombés dans les filets de la police. Les 8 bandits soupçonnés d’avoir participé à ce coup de force sont actuellement entre les mains de la section 2 de la Brigade criminelle à Anosy. Ils étaient 5 individus à s’introduire par effraction dans le magasin de stockage de l’opérateur, sans savoir que les propriétaires des lieux étaient déjà aux aguets et les attendaient de pied ferme.

Armés eux aussi, ces victimes les ont laissés mettre la main sur les 32 bidons d’huile laissés dans un camion avant de tirer sur eux. Deux des assaillants furent blessés par les propriétaires du magasin qui ont pu sauver leurs biens. Un vol de plusieurs bidons d’huile s’était déjà passé en ces lieux le 6 février dernier, selon les victimes. Ces voleurs arrêtés par la Brigade criminelle ne seraient qu’un maillon d’un vaste réseau opérant dans la filière de l’huile en bidon dans la capitale, d’après les enquêteurs qui poursuivent toujours leurs investigations à partir des auditions des interpellés.

Manou

Accès a l’eau potable  : la région Analamanga au premier rang

$
0
0
Photo Eau

Il existe une forte disparité entre les 22 régions concernant le taux d’accès à l’eau potable. Pour le moment, la région Analamanga occupe la première place en la matière avec un taux variant entre 60 et 70% par rapport aux autres régions. Si le taux d’accès national avoisine les 40%, celui de la région Atsimo-Atsinanana ne dépasse pas les 9% et celui du Melaky est de 15%.  Pour en revenir à Analamanga, qui compte sept districts mise à part la commune urbaine d’Antananarivo (CUA), le district d’Andramasina enregistre le plus faible taux d’accès à l’eau potable, a expliqué le directeur régional de l’Eau, de l’hygiène et de l’assainissement, Antsatiana Ravaloera, mardi dernier lors de l’inauguration de la 17è borne-fontaine du fokontany de Tsiadana.

Malgré les progrès réalisés par la direction régionale de l’Eau dans différents districts, entre autres, à Manjakandriana, à Ankazobe, à Ambohidratrimo, à Antananarivo-Avaradrano, à Antananarivo-Atsimondrano, à Anjozorobe et à Antananarivo-Renivohitra en matière de construction de nouvelles infrastructures d’eau potable, des efforts restent encore à fournir. Bon nombre de fokontany de la capitale, par exemple, ne disposent même pas de borne-fontaine et la population doit puiser l’eau impropre à la consommation des rivières environnantes.

La situation est la même, voire pire dans les zones rurales où les villageois doivent effectuer des kilomètres à pied pour chercher de l’eau. Et dans le cas de certaines localités du Sud de l’île, l’eau est devenue une denrée rare à cause de la sécheresse. Actuellement, les Directions régionales de l’Eau, de l’assainissement et de l’hygiène (Dreah) est à pied d’œuvre dans l’évaluation des besoins en eau de la population, en vue de réfléchir aux réalisations prioritaires pour cette année.

Pour dire que l’enjeu est majeur pour Madagascar, car l’accès à l’eau potable reste un défi de taille. Et force est de reconnaitre que l’objectif de donner accès à l’eau potable à plus des trois-quarts des Malgaches d’ici 10 ans relève encore de la gageure.

Noro Niaina

Viewing all 70696 articles
Browse latest View live