Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all 70793 articles
Browse latest View live

Firenena mihemotra : gisitra amin’ny lafiny angovo i Madagasikara

$
0
0
firenena

 Laharana farany amin’ny lafiny angovo i Madagasikara (189/189). Tsy hampazoto ny mpampiasa vola vahiny ny tranga toy izany.

Tsy mitsaha-maizina ny sehatra samihafa eto amintsika. Fotodrafitrasa ilain’ny mponina sy ny fandraharahana ny famokarana angovo sy herinaratra. Araka ny tatitra navoakan’ny Vondrona  eoropeanina (UE), mikasika ny tontolo toekarena eto amintsika, “tsy mamaly ny filàna ahafahana mampandroso ny toekarena sy miohatra amin’ny fitombon’ny mponina ny fotodrafitrasa mamokatra sy ny fitsinjarana herinaratra eto Madagasikara”. Mibahana amin’ny famokarana herinaratra ny fampiasana solika. Zara raha 165 Mw ny herinaratra avy amin’ny tohodrano, lazaina fa manana otrikarena aminy hatramin’ny 7.800 Mw.

Notohizany ny fanazavana, fa raha ny taona 2013, ny 12 hatramin’ny 13%-n’ny Malagasy monja ny manana herinaratra. Raha ny fanadihadiana ny Doing Business 2015, mitana ny rambony, firenena faha-189 amin’ny 189, i Madagasikara amin’ny famatsiana herinaratra isaky ny mpanjifa (raccordement à l’éléctricité).

Mihemotra ny mpandraharaha vahiny

Ity lafiny angovo sy herinaratra ity ny laharana ratsy indrindra ho an’i Madagasikara, raha manakaiky ny farany ny sehatra hafa. Faha-164 amin’ny 189 amin’ny fandraharahana ankapobeny (Doing Business), firenena fahadimy mahantra indrindra maneran-tany amin’ny firenena. Raha ny famoronana orinasa, nihemotra any amin’ny faha-128 isika, araka ny Doing Business 2016, raha tany amin’ny faha-112 ny taona 2015.

Manamarina ireo notanisaina ireo fa mihemotra i Madagasikara fa tsy an-dalam-pandrosoana na mandroso. Firenena tsy misy ady an-trano i Madagasikara, saingy anjakan’ny kolikoly, tsy voahaja ny lalàna sy ny fiarovana ny fampiasam-bola vahiny, sns.

Randria:  


Leader Fanilo  : « Iray ihany fa tsy mizarazara ny antoko »

$
0
0
????????????????????????????????????

« Aminay, iray ihany ny Leader Fanilo: izahay mijoro eto amin’izao fotoana izao. Efa napetraka amin’ny minisiteran’ny Atitany ny momba izany. Raha misy ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny satan’ny antoko, tsy tokony hisy ny Leader Fanilo hafa. »

Io no nambaran’ny mpitondra tenin’ny Leader Fanilo, Randrianambinina Alphonse, teny Antaninarenina, omaly, momba ny fampiatoana ny birao nasionaly mpandrindra teo aloha,  notarihin-dRakotomamonjy Jean-Max.

Tsy tokony hisy intsony ny fiaraha-mitantan’ny birao nasionaly mpandrindra teo aloha sy ny mitantana vonjimaika amin’izao fotoana izao. Efa naato amin’ny asany ny birao nasionaly mpandrindra teo aloha, mandra-pahavita ny filankevi-pirenena hanapaka momba azy ireo na mbola avela hirotsa-kofidina na tsia.

Tsy hisy Leader I na II, na Leader Fanavaozana, raha mikitika ny soatoavina sy ny sata izay napetraka, 23 taona lasa, raha ny nambaran’ny anisan’ny mpanorina ny antoko,  Esoavelomandroso Manassé.

Raha misy mitaky ny demokrasia ho an’ny firenena, manao izany ao anatin’ny antoko aloha. Tsy an’olon-tokana na an’antokon’olona ny Leader Fanilo, fa an’ny mpikambana rehetra manerana an’i Madagasikara. Tsy Leader Fanilo izay tsy manaja ny soatoavin’ny antoko, araka ny nambarany.

Tsy nakana ny hevitry ny antoko ny fanendrena loholona

 Tsy nifampierana tamin’ny antoko ny fanendrena ny loholona Razafimahaleo Lantosoa Julia, na mahafaly ny antoko aza, araka ny nambaran’ny filohan’ny komity mpihevi-draharaha, Andriamiarisatrana Noël. Amin’izany, mitombo ihany ireo zava-dehibe tsy naka ny hevitry ny birao nasionaly mpandrindra sy ny komity mpihevi-draharaha.

Anisan’ny tsy nakana ny hevitry ny antoko koa, ohatra: ny firotsahan’ny filoha nasionaly ho filohan’ny Antenimierampirenena, ny fanolorana anarana ho mpikamban’ny governemanta, ny fametrahana ny fanalana ny filohan’ny Repoblika, ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra… Tsy nisy fankatoavana ny tetika sy paikady hiatrehana ny fifidianana kaominaly sy senatorialy.

Nahatonga ny fampiatoana ny asan’ny birao nasionaly mpandrindra izany rehetra izany. Hanao ahoana ny ho tohin’ny raharaha? Andrasana ny filankevi-pirenena hatao ao anatin’ny telo volana.

R. Nd.

Zaka tsara : fahamarinan-toerana sy toetra 

$
0
0

Mety ho marin-toerana izay miovaova lava na tsy marin-toetra? Sarotra ny mitsara zavatra eo am-pihetsiketsehana. Aorian’ny orana no ahitana ny fiakatry ny rano. Hatramin’izao, mitady izay hoe fahamarinan-toerana sy fitoniana politika ny fitondrana?

Sarotra sy manahirana ny mitsara, raha tsy tafapetraka sy miasa avokoa ireo andrimpanjakana.

Mila mazava sy hentitra amin’izay ny politika, ny tanjona, ny fandaharanasa, ny fomba fiasa, ny olona hanao ny asa, ny hoenti-manana, ny laharam-pahamehana…

Mba ny asa vita no hahamarin-toerana. Tsy fanaovana izay danin’ny kibo ho tsy azo tsikeraina tsinona ny fahamarinan-toerana, fa fahazoana miasa amin’izay. Na soketaina ho manakorontana izay mitsikera sy mihetsika rehetra. Tsy fahamarinan-toetra izay.

Aleo hiaraha-mahita ny asa vita, fa tsikeraina izay miasa mba hahavita bebe kokoa. Fa tsy tenenin-dava vao mikoropaka, na tsy miraharaha izay tenenina aminy… Aiza ho aiza izany rehetra izany amin’izao?

R. Nd.

Rakotomanga Eric : « Tsy manana ny ara-drariny ny HVM mandresy ivelany ihany »

$
0
0
Rakotomanga

 Hisy amin’izay ve ny fahamarinan-toerana sy fitoniana politika fa hitsangana ny Antenimierandoholona? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric: « Fandresena ivelany ihany ny an’ny HVM, fa tsy manana ara-drariny ny fahazoana ny maro anisa. » Dinidinika…

 

Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny fifidianana loholona farany teo? 

 

Rakotomanga Eric (-): Tsara ihany aloha ny mijery ny manodidina… Inona izao ny tena eritreritry ny fitondram-panjakana? Lazaina manokana ao anatin’izany ny HVM. Ny mahamaika azy, hampiseho amin’izao tontolo izao fa na tsy nanana antoko nijoro ara-dalàna aza izy tamin’ny niakarana eo amin’ny fitondrana; ankehitriny, azy avokoa ny fitondrana rehetra: ny filoha, ny governemanta, ny Antenimierandoholona…

Nataony amin’ny fomba rehetra tsy misy henatra ny nahazoana ny fifidianana loholona. Efa mivandravandra ny faneriterena, ny fanambazam-bola… Ananan’ny olona porofo avokoa izany isaky ny fari-pifidianana.

Talohan’izay, teo ny olana hoe natao isaky ny kaominina ny birao fandatsaham-bato. Satria izay no ahafaha-mijery akaiky: iza no nifidy na tsia ny HVM? Vokany, azo lazaina ho fandresena ivelany, an-taratasy ihany, izany, fa tsy manana ara-drariny ny fahazoana ny maro anisa. Fomban-javatra izany eo amin’ny fiafaran’ny fitondrana iray.

* Ahoana ny amin’ny fahamarinan-toerana sy ny fitoniana politika amin’izany?

– Baiko avy any ivelany mba hahazoan’izy ireo mamoaka vola ny hoe fahamarinan-toerana politika sy ny fitoniana. Mba hisian’izany, atao matanjaka ny HVM. Zava-doza eo amin’ny fanaovana politika izany: atao hoe tsy fahaizana.

Efa be ny nanao hadalana toy izany, nefa mbola averina ihany. Ny valiny, mifanohitra amin’izay no izy: mampirodana fitondrana ny fametrahana antoko peta-toko toy izao.

* Ary ny amin’ny fifanarahana andraikitra?

– Azo lazaina ho toho-tsofin’ny vahiny ihany io. Raha tadidintsika, talohan’ny namoahan’ny HCC ny didy momba ny fifanarahana andraikitra, nilaza voalohany ny ambasadaoro amerikanina fa tokony hisy ny fifanarahana andraikitra. Nampidirina tao anatin’ny fanapahan-kevitry ny HCC tokoa izay. Nefa aty aoriana, lasa karazana entam-barotra ilay hevitra: misy takalony ny fanaovan-tsonia azy na tsia.

Amin’ny ankapobeny, toy ny tsy misy ilàna azy intsony izay hoe fifanarahana andraikitra, fa heverina ho efa manana ny maro anisa ny fitondrana amin’ny lafiny rehetra. Nefa na maro anisa ao anatin’ny Antenimierandoholona aza, ohatra, ny fitondrana hoe hahazoany manana fahamarinan-toerana: tsy marina izany, fa mpanolotsaina ny filoham-pirenena ny Antenimierandoholona fa tsy hampihozongozona na hanamafy ny toeran’ny filoham-pirenena.

* Ary ny amin’ny Fitsarana avo na ny Haute cour de justice (HCJ), rehefa  tafajoro ny Antenimierandoholona?

 – Raha ny marina, efa tsy ara-dalàna hatrany am-boalohany io. Anisan’ny fanitsakitsahana voalohany ny lalàmpanorenana nataon’ny filoham-pirenena… Natsangantsangana teny fotsiny izy io mba hamonjena ny fe-potoana hoe 12 volana aorian’ny fianianana. Nefa tsy feno sady tsy ara-dalàna izany.

Raha anontaniana amin’izao fotoana izao hoe: efa mitsangana sa tsia ny HCJ? Tsy hita izay mahavaly izany: atao hoe efa mitsangana, tsy feno; lazaina hoe tsy mbola mijoro, nefa misy olona ao. Ambonin’izany, tsy miasa… Raha mitsangana marina ny HCJ, efa tokony ho notsaraina ela ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ireo minisitra, izay heverina fa manodinkodim-bolam-panjakana.

* Ary ny amin’ny sosialim-bahoaka mampikaikaika ny maro amin’izao fotoana izao?   

 – Mba tsy hisian’ny hoe fanenjehana bontolo ny fitondrana, azo lazaina hoe misy ny loza voajanahary mihatra amin’i Madagasikara isan-taona: ny tondra-drano, ny kere… Na izany aza, amin’ny maha mpitondra, roa taona izao: efa tokony ho fantany fa miseho isan-taona izany. Hatreto, fitsidihana no atao fa tsy mitondra vahaolana haingana sy maharitra. Vokatry ny tsy fananana politika ankapobeny koa izay, talohan’ny niakarana eo amin’ny fitondrana.

Nangonin’i R. Nd.

Fantina sy fintina

$
0
0

Vita sonia, omaly teny Alarobia ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ceni sy ny TVM/RNM, amin’ny fahafahan’ny mpikarakara fifidianana manao fandaharana maimaim-poana amin’ireo haino aman-jerim-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany ireo hetsika fanentanana samihafa momba ny fifidianana. « Hanatsarana ny fomba fanabeazana ny mpifidy izany… Ilaina ny fanakianana ary tsy mora ny manao zavatra », hoy ny filohan’ny Ceni, ny Me Rakotomanana Hery taorian’ny fanaovan-tsonia teo aminy sy ny minisitry ny Fifandraisana, Andrianjato Vonison.

Efa mizotra ny fikarakarana lisi-pifidianana, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni.  « Na tsy misy fifidianana aza amin’ity taona ity, efa fanao izany.  Ahitana fiovana ny lisitra satria eo ireo tonga taona. Eo koa ireo mifindra toerana… Manana 20 andro aorian’ny 31 janoary nifaran’ny lisi-pifidianana ireo manana fanamarihana », hoy ny Me Rakotomanana Hery.  Notsiahiviny fa mikatona tanteraka izany amin’ny volana avrily izao ary misokatra indray amin’ny volana desambra.

Nohazavain’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Rakotomamonjy Jean-Max, omaly teny Tsimbazaza, ny anjara toeran’ny Antenimierandoholona, hijoro tsy ho ela. « Andraikitry ny antenimiera roa tonta ny fandinihana ny volavolan-dalàna sy ny tolo-dalàna. Tompon’ny teny farany anefa ny ety Tsimbazaza raha miseho ny tsy fitovian-kevitra », hoy izy. Nambarany fa tokony hodinihina haingana ny lalàna momba ny fampihavanana sy ny sata hifehy ny serasera sy ny fifandraisana.

Tafaverina an-tanindrazana, omaly, ny delegasion’ny Antenimierampirenena, notarihin’ny filohany, Rakotomamonjy Jean-Max, rehefa avy any Cambodge. Anisan’ny voaresaka ny handraisana ny fivorian’ny parlemanteran’ny frankofonia eto amintsika.  « Efa vonona ny fotodrafitrasa handraisana izany. Noresahina tamin’ireo parlemanteran-dry zareo koa ny fiaraha-miasa sy ny fametrahana fitoniana eto amintsika », hoy Rakotomamonjy.

Andrimpanjakana  : lasa fialokalofana politika ny Antenimierandoholona

$
0
0
????????????????????????????????????

Tena hitondra ho amin’ny fahamarinan-toerana sy fitoniana politika ve ny Antenimierandoholona? Misy mahita fa lasa fialokalofana politika…

« Fisokafana amin’ny hery politika sy ny hery velona hafa », hoy ny sasany, ny amin’ny  fanendren’ny filohan’ny Repoblika ireo loholona 21. Nisy minisitra am-perinasa, minisitra teo aloha, mpanao politika, avy amin’ny firaisamonina sivily… « Sarintsarim-pisokafana io », hoy ny hafa.

Misy lasa lavitra noho izany aza: « Fialokalofan’ny olona efa nahazoazo taona ny Antenimierandoholona », hoy ny filohan’ny antoko Avana ARD, ny Dr Robinson Jean-Louis, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, afakomaly. Fisotroan-drononon’ny sasany izany, ialokalofana amin’ny hoe « olon-kendry« .

Eo, ohatra, ireo goaika antitra amin’ny politika: na manana traikefa eo amin’ny sehatra misy aza, tsy manaiky ho gisitra amin’ny fitadiavan-tseza. Tsy mamela sehatra ho an’ny tanora ny beantitra toy izany; na tokony ho mpanoro lalana aza, lasa mpitarika ihany na efa tsy afaka firy aza…

Tsy lany olomanga i Madagasikara

 Lany olomanga i Madagasikara? Tsy hoe olo-manga fehitenda, araka ny filazan’ny sasany ny  ao amin’ny antokom-pitondrana, fa izay olom-baovao hitondra fanovana. Fanambin’izao fitondrana izao rahateo ny hoe fanovana. Misimisy ihany ireo minisitra teo aloha notendrena ho loholona.

Namana akaiky na tsy mahafoy hatramin’ny ela? Tsy hita izay ametrahana azy, na fantatra izao aza fa tsy mahomby teo amin’ny sehatra na toerana nisy azy teo aloha. Izay ilay hoe zary fialokalofan’ny namana sy fisotroan-drononon’ireo beantitra ny Antenimierandoholona amin’izany.

Tena nomen-danja ny fananana traikefa amin’ny toekarena, sosialy, kolontsaina? Eo koa ny tsy fifandanjana ara-paritra amin’ireo notendrena ho loholona. Misy ny mampiaka-peo ny amin’izany. Ao koa ny hoe na iza na iza eo amin’ny fitondrana, mahazo toerana fa tsy azo ialana.

Ahina ny hoe fahamarinan-toerana sy ny fitoniana politika amin’izany. Sao fahamarinan-toerana sy fitonian’ireo beantitra amin’ny politika sy ireo namanamana tsy hita izay anaovana azy ihany ny Antenimierandoholona? Miandrandra izay tena mitondra ho amin’ny fihatsaram-piainany ny vahoaka.

R. Nd.

EPP Nandihizana : matory an-dakilasy ny mpianatra

$
0
0

Manao antso amin’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny talen’ny EPP Nandihizana, Rajaonarisoa Harilalao. Momba ny sakafo zaraina any an-dakilasy, indray mandeha isan-kerinandro ny sakafo omen’ny tomponandraikitry ny EPP satria izay no zakany. Manomboka ny volana janoary ka hatramin’ny marsa, fotoana maitsoahitra ny fanomezana vary sy laoka ho an’ny mpianatra 142. Tsy misy manapaka mihitsy ny ankizy rehefa alarobia, fotoana hizarana ny sakafo an-dakilasy. Amin’ny andavanandro, matory tsy mifantoka amin’ny fampianarana ny mpianatra fa reraka sy noana. Amin’ny EPP fito ao anatin’ny kaominina Nandihizana , EPP roa ihany no mahavita mizara sakafo an-dakilasy. Manome vola 2 000 Ar sy vary 2 kg isaky ny mpianatra isan-taona.

« Manana fitaovana hahandroana ny sakafo ny sekoly fa olana ilay harotsaka ao anaty vilany », hoy ny tale.

Vonjy

Indray mijery

$
0
0

Omaly, notoloran’ny Unicef “drones” telo ny BNGRC. Fitaovana hahafahana manao fitiliana ny fahavoazana amin’ny tanàna lavitra andriana amin’izao fotoam-pahavaratra izao ireo “drones” ireo.

Hanaraha-maso akaiky ny fizotran’ny fahavoazana ny fitaovana vaovao. Manaraka fiofanana amin’ny fampiasana izany fitaovana izany ny ekipan’ny BNGRC efatra sy ny avy ao amin’ny Corps de la protection civile. Manamora indrindra ihany koa ny fijerena ara-potoana ny fahavoazana ary hanomezana ny vaovao haingana ny fitaovana.

Zava-dehibe ny fifehezana ny teknolojia vaovao hahafahana mitsirika akaiky ireo tranga misy amin’izao fahavaratra izao.

Tatiana A


Unesco Com.Nat : hanamarika ny « Jilm » i Madagasikara

$
0
0

21 febroary, Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny (Jilm), araka ny fanambarana nataon’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina (Unesco). Hanamarika izany koa i Madagasikara, amin’ny alalan’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco (Com.Nat) etsy Behoririka ny 24 febroary izao. Lohahevitra amin’ity hetsika ity : « Ny lanjan’ny teny reny sy ny fanabeazana ». Olona anatina sokajin-tsehatra samihafa no hanazava araka ny fahitany sy ny traikefa ary fandalinana nataony momba io lohahevitra io. Anisan’izany ny mpampianatra mpikaroka, mpanoratra, raiamandreny, mpanao gazety.

Ankoatra ny velakevitra arahina adihevitra, hanana toerana eny an-toerana ny fampirantiana boky maro sy fafana ahitana ireo teny, voambolana, haivolana, sns, tsy mbola fantatry ny olona na fantatra ihany fa tsy ampiasaina loatra eny anivon’ny fiarahamonina kanefa tena teny malagasy madiorano.

Anisan’ny tanjona amin’izao hetsika izao ny hampahafantarana ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco, ny ivontoeram-pamakianteny ao aminy ary ny hanome lanja sy hasina ny teny reny.

HaRy Razafindrakoto

Tsy zakan’ny olona ny « parking » 500 Ar isan’ora

$
0
0
parking

 Nihatra nanomboka omaly ny fampiakaranany hofana “parking” ho 500 Ar eo Analakely sy ny manodidina. Sady mampianatra ny mpanjifa no mivarotra ny tapakila ireo mpiasan’ny kaominina miaraka amin’ny orinasa mpiara-miombon’antoka.

Niteraka fimenomenonana teo amin’ireo mpiasa manodidina an’Analakely ity fampiharana ny saram-piantsonana 500 Ar isan’ora ity. Mandritra ny 10 ora ny fiaran’ireo mpiasa ireo no mipetraka eny Analakely. Tafakatra 5.000 Ar isan’andro araka izany ny vola ho an’ny fiantsonan’ny fiara fotsiny.

Mampimenimenona ny mpitondra fiara ihany koa ny tsy fisian’ny fanaraha-maso ny fiambenana ny fiara kanefa midangana ny vola alaina. Tsy miova ny tolotra ho an’ny mpanjifa kanefa miho-apampana ny vio takiana.

Etsy andaniny, tsy manaiky mora ireo tovolahy tsy manan-katao efa zatra nandamindamina ny toeram-piantsonan’ny fiara hatramin’izay. Mahatsiaro ho very asa izy ireo manoloana izao fandaminana vaovao ataon’ny kaominina izao. Mbola mitaky ny anjarany amin’ny mpitondra fiara ireny tovolahy ireny ary tezitra raha vao tsy omena.

Ahina hisompatra ny fiara miantsona mihitsy aza izy ireny vokatr’izany tsy fahafaliany izany. Izany indrindra no hitakian’ny mpanjifa fanaraha-maso sy antoky ny fandriampahaleman’ny fiara amin’ny mpiasan’ny kaominina sy ny orinasa mpiara-miombon’antoka.

Omaly, nilamindamina ny teny Analakely omaly satria sady mitohy ny fanenjehana ny mpivarotra amoron-dalana no nalamina ny toeram-piantsonan’ny fiara.

Tatiana A

Praiminisitra Ravelonarivo : « Tompon’ny teny farany ny filoha…. »  

$
0
0
????????????????????????????????????

« Miankina amin’ny filoham-pirenena ny fanovana manontolo na ny ampahany ny governemanta. Tsy anjarako ny manao izany… Miaramila ny tenanay, vonona hatrany raha mbola voatendry », hoy ny Praiminisitra Ravelonarivo Jean, omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety, tetsy Anosy.

Momba ireo minisitra roa, misahana ny Kolontsaina  sy ny Jono voatendry ho loholona kosa, mambarany fa tokony ho voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly tolakandro, ihany ny mpisolo toerana vonjimaika.

Voatendry ny mpisolo toerana vonjimaika

Voatendry avy hatrany tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha rahateo izany ka hisahana vonjimaika ny minisiteran’ny Jono, ny minisitry ny Indostria Rafidimanana Narson. Hisahana ny minisiteran’ny Kolontsaina kosa, ny minisitry ny Fanatanjahantena, Andriamosarisoa Anicet.

Hijanona ho an’ny mpisolo toerana vonjimaika ihany, amin’ny alalan’ireo minisitra roa eo anivon’ny governemanta ny toeran’ireo minisitra roa… Hatramin’ny fotoana tsy mbola fantatra … Mety ho aorian’ny fivorian’ny Antenimierandoholona ka hanovana tanteraka ny governemanta iray manontolo na ny ampahany ihany ? Mandeha koa anefa ny feo fa mety ho amin’ny zoma izao izany  fanovana tanteraka izany ! Midika ireo fa any amin’ny filoha Rajaonarimampianina ny baolina amin’izao fotoana izao.

Synèse R. 

Fampianarana mozika : hamoaka teknisianina ambony ny EGM

$
0
0
EGM

Ivon-toerana fampianarana mozika, toa ireo marobe efa misy ny Ecole de guitare et de musique  (EGM) hatramin’ny taona 2005. 11 taona aty aoriana kosa, maro ny dingana nandalovany, ka tonga amin’ny sehatra ambony kokoa amin’izao fotoana izao. Nampahafantarina tamin’ny fomba ôfisialy omaly mantsy, fa ara-dalàna sy ara-panjakana ny sekoly. Tsy vitan’izay fa nankatoavin’ny fanjakana ihany koa ny diplaoma havoakany, araka ny didy hitsivolana navoakan’ny minisiteran’ny Asam-panjakana, sy ny lalàna sosialy.
Hamoaka mpianatra manana ny diplaoma bacc+2 sy bacc +3 ny EGM. Tsy dia mahazatra antsika izany fianarana mozika amin’ny ambaratonga ambony izany, kanefa efa mandeha ho azy any ivelany. Fanamby efa napetrakay ity ka hosantarina izao”, hoy ny fanazavana nomen-dRanaivo Aintso, mpanorina ny EGM. Araka izany, hanaraka fandaraharam-pianarana toa ireny eny amin’ny oniversite ireny ihany ireo mpianatra, rehefa afaka amin’ny fitsapana. “Misokatra ho an’ireo mpianatra mozika rehetra, na ho an’ireo mpampianatra ihany koa ny sekoly ambony. Ilaina ny baccalaureat, satria mila mahafehy ny fanoratana ny mpianatra izay hikaroka ihany koa. Misy taranja maro hafa manampy ny mozika amin’izany”, hoy ihany ny fanazavana nomen’ity tompon’andraikitra voalohan’ ny EGM ity.

Efa tafapetraka ny “Conservatoire
Navondrona ho “Conservatoire de musique de Madagascar”, araka ny anarana efa napetraka tany amin’ny OMAPI, ireo sampan’ny EGM rehetra. Vaovao lehibe faharoa, eo amin’ny tontolon’ny mozika amin’ny ankapobeny, fa indrindra ho an’ny sehatry ny fampianarana mozika ireo nampahafantarina ireo.
Fametrahana amin’ny toerana avo ny kolontsaina malagasy ny tena tanjona. Hatreto, famerenana sy fandikana hatrany no nampianarina. Izao kosa, hanomboka hitrandraka ny antsika isika. Manana adidy manangona ireo vakoka momba ny mozika sy hanoratra ny mozika malagasy izahay”, hoy kosa ny fanazavana nomen-dRamorasata Liva, tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampianarana ambony sady mpampianatra mpikaroka no mpanoratra mozika ihany koa.
Zava-baovao maro sosona, izay azo antoka fa hitondra aina vao ho an’ny tontolon’ny fampianarana mozika eto Madagasikara ity entin’ny EGM ity.

Zo ny Aina Randriatsiresy

Nahazo fanampiana ny fanjakana : 68 ny olona matin’ny pesta

$
0
0
????????????????????????????????????

 Niseho aloha be ny aretina pesta tamin’ity vanim-potoana ity, 68 sahady no namoy ny ainy. Nanome fitaovana sy fanafody ny mpiray ombon’antoka hanampiana ny asa fitsaboana sy fisorohana taorian’ny fangatahan’ny fanjakana malagasy .   

«Hatramin’ny fiandohan’ny taona, 21 ny tranga pesta niseho tamin’ny distrika enina : Ambohimahasoa, Antanifotsy, Arivonimamo, Manandriana, Ambatondrazaka ary Ambohidratrimo. Efatra tamin’ireo ny namoy ny ainy, araka ny vaovao azo omaly teny Anosy. 180 ny isan’ny tranga niantomboka ny volana aogositra 2015 ary 68 ny maty », hoy ny solontenan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), Charlotte Faty Ndiaye. Tsapa fa nihena ny isan’ny tranga fa nitombo kosa ny isan’ny maty vokatry ny aretina pesta. Antony mahatonga izany ny tsy fanatonan’ny marary ny tobim-pahasalamana, indrindra ho an’ny toerana saro-dalana lavitra any ambanivohitra. Nanampy izany ny doro tanety sy ny ranobe mampandositra ny voalavo any an-tanàna. Niseho mialoha ny vanim-potoana mahazatra ny aretina pesta ho an’ity taona ity satria nipoitra voalohany ny volana aogositra ny tranga. Manomboka ny volana septambra ka hatramin’ny volana aprily ny fotoan’ny pesta eto amintsika.

Ho fanatsarana ny ady amin’ny aretina pesta, nanolotra fanafody sy kojakojam-pitsaboana ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana sy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana, omaly. Mitentina 1 tapitrisa dolara ny fanampiana azon’ny minisitera nahitana fiara fitondrana marary, fanafody famonoana bibikely 25 t, fanafody fitsaboana ny marary sy hanaovana ny fitiliana ny aretina… Fanampiana vonjitaitra nangatahin’ny fanjakana malagasy io manoloana ny firongatry ny aretina amin’ny distrika 10 aty afovoan-tany. 44 ny distrika voatily fa ahitana ny pesta eto amintsika. Nanotrona ny hetsika teny amin’ny HJRA, omaly, ny reny mpiahy ny fahasalamana, Rajaonarimampianina Voahangy. Hahazo tombontsoa amin’ny fanohanana azo ny olona 8 tapitrisa.

Manoloana ny firongatry ny otrikaretina zika any amin’ny firenena maro avy amin’ny kaikitry ny moka, nilaza ny solontenan’ny OMS eto amintsika fa ilaina ny miomana mialoha hisorohana ny valanaretina na tsy mbola mipaka aty aza ny zika. Mahakasika izao tontolo izao ity otrikaretina ity satria betsaka ny tranga hita any Panama, Brézila…

Vonjy

Kianjan’ny kanto : nitotorebika ireo mpanakanto

$
0
0
ARTISTE 3

Taom-baovao, filaminan’ny « Raharaha Omda », fialan’ny minisitra, fihaonan’ny samy mpanakanto… Antony maro, nahatonga ny lanonana izay notontosaina omaly tontolo andro, tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto etsy Mahamasina, io. Vory lanona ireo mpanao mozika tratra antso ka teto an-drenivohitra, omaly. Tsy nisy fanavahana karazana mozika lalaovina, fa dia naneho firaisankina sy firahalahiana tanteraka izy ireo. Nanomboka tamin’ny fiaraha-mihira sy mitendry, nitohy tamin’ny fiaraha-misakafo sy ny fandihizana izany.
Nanao tatitra fohy ny valin’ny fangatahan’ireo mpanakanto i Rossy, izay mpitarika ny sendikan’ny mpanao mozika. Nampahafantatra ny mpikambana, ny tale vaovao ary ny asa miandry kosa i Samoëla, amin’ny maha filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Omda azy.

Sary sy soratra: Zo ny Aina Randriatsiresy

Kitra any Alemaina : mitarika amin’ny famonoam-baolina i Aubameyang

$
0
0
kitra 0402

Noporofoin’ilay teratany gaboney, Pierre Emrick Aubameyang, milalao ao amin’ny Borussia Dortmund, indray ny maha mpilalao afrikanina mendrika 2015 azy. Nahatafiditra baolina roa indray mantsy ny lehilahy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Alemaina “Bundesliga”, ny faran’ny herinandro lasa teo. Resin’ny Dortmund  tamin’ny isa 2 noho 0 ny Ingolstadt, tamin’izany. I Aubameyang no mitarika eo amin’ny famonoam-baolina, any Alemaina, ankehitriny. Mahatratra 29 ny baolina efa matiny hatreto. Raha tsiahivina, mbola mpilalao nahafaty baolina be indrindra tany Alemaina i Gerd Muller. 40 ny baolina tafidiny ny taona 1971 – 1972, izay tsy mbola misy maharesy hatreto. Mihevitra ny hisongona io zava-bita io i Aubameyang, mandritra ny hilalaovany any Alemaina.

Baolina 10 kosa ny matin’ilay Ivoarianina, Salomon Kalou, milalao ao amin’ny ekipan’ny Breme.

Ankoatra izay, misongadina ihany koa any amin’ny fifaninanam-pirenena anglisy ilay Nizerianina,  Kelechi Iheanacho, izay vao 19 taona monja, milalao ao amin’ny Manchester City. Nahatafiditra baolina telo ny tovolahy, nandritra ny fihaonan’ny ekipany tamin’ny Aston Villa, teo amin’ny fiadiana ny amboara. Nandresy tamin’ny isa 4 noho 0 ny Manchester City, tamin’ity.

 Tompondaka


Rugby : hidona amin’i La Réunion U24 ny Makis U23

$
0
0
Makis 0402

 Efa manomana izay ho mpilalao handrafitra ny Makis “sénior” ny federasiona malagasin’ny rugby (FMR) ankehitriny. Araka izany, hisy lalao hitsapana ireo Makis U23, ny volana marsa ho avy izao.  

Hiatrika lalao sedra ireo mpilalao ao anatin’ny Makis sokajy U23, ny 12 marsa ho avy izao. Araka ny fantatra, ny ekipam-pirenen’i La Réunion, U24 no hifandona amin’izy ireo. Ho fitsapana ireo zandrikely, handrafitra ny Makis zokiny atsy ho atsy, ny tena tanjona amin’izany. Efa mila mpandimby tokoa ireo mpilalao ao anatin’ny Makis ankehitriny. Tsy vao izao akory ny nitsongana sy nanomanana ireo mpilalao U23 ireo fa efa tao anatin’ny roa taona izay, nandritra ny fifaninanana “Inter – arrondissement”. Hanomboka ny alatsinainy 8 febroary ho avy izao ny fampivondronana ireo mpilalao  ao anatin’ny Makis U23 ireo.

Ny Makis de Madagascar, izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 1B), ny 12 ka hatramin’ny 19 jona izao. Raha tsiahivina, eto Madagasikara ny hanaovana azy io ho an’ny sokajy “B”, izay iarahan’ny Makis sy Sénégal ary Zambia. Any Tonizia kosa ny vondrona “A”, misy an’i Tonizia sy Côte d’Ivoire ary Botsoana. Hiatrika ny famaranana ireo ekipa roa voalohany isam-bondrona. Fihaonanah atao ny 16 jolay. Tsy mbola fantatra kosa ny firenena hanatanterahana, izany lalao izany.

Manomana ny “Aroi

Ankoatra izay, handray ny “Lalaon’ny Aroi”, U16 sy U18, ho an’ny rugby lalaovin’olona fito,  isika eto Madagasikara ny 10 ka hatramin’ny 12 marsa ho avy izao. Efa ao anatin’ny fanomanana izany ny federasiona malagasy. Nisy, araka izany, ny lalao fifantenana ireo handrafitra ny Makis, omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Nahatratra 180 ireo mpilalao tonga teny an-toerana. Ny haben’ny vatana, ny fahaizam-baolina sy ny taona,  no mason-tsivana ho an’ireo mpifaninana. Misy efa mpilalao ao anatin’ny klioba ny sasany amin’izy ireo fa ny ankamaroany kosa mpankafy fotsiny.

Manana ekipa 3 i Madagasikara eo amin’ny U18, ary 5 kosa ny eo amin’ny U16, amin’io “Lalaon’ny Aroi”, io. Raha tsiahivina, tompondaka ny Makis, teo amin’ny U18, ary lasan’i La Réunion kosa ny U16, tamin’ny taon-dasa.

 Tompondaka

Saraha Rabeharisoa  : « Un parlement sans espérance »

$
0
0

La désignation par le président de la République des 21 sénateurs de Madagascar de son quota ne cesse d’alimenter les conversations. Les politiciens n’ayant aucun représentant au palais de Verre d’Anosikely n’y vont pas par quatre chemins pour critiquer les nouveaux nominés.

« Le Sénat repose sur une composition de sénateurs incompétents et de politiciens sans éthique. On ne peut rien espérer de cette institution », a déclaré le leader du parti libéral démocrate (PLD), Saraha Rabeharisoa lors d’une intervention sur une chaîne de radio privée de la capitale, hier.

Pour étayer ses dires, Saraha Rabeharisoa évoque le transfert de deux anciens ministres et le revirement des politiciens qui ont choisi de suivre le parti au pouvoir rien que pour être nommés sénateurs.

L’ancienne candidate à la dernière présidentielle a fait savoir que son parti a choisi de ne briguer aucun poste de sénateurs. « Dans ces conditions, c’est pratiquement impossible. Il faut changer la manière de faire de la politique dans le pays », a-t-elle évoqué.

L’ancien leader du parti Vert rappelle également la situation désastreuse que vit le pays. « Madagascar est en proie à tous les maux, les maladies, l’insécurité, l’insalubrité, la famine, la pénurie d’eau potable, les inondations, la pauvreté, la crise sociale. Rien ne va plus et apparemment les dirigeants ne s’en émeuvent pas outre mesure. 2018 est actuellement le cheval de bataille de nos dirigeants, le développement au profit du peuple est totalement mis à l’écart », a-t-elle déploré.

La conseillère municipale se déclarant de l’opposition, Lalatiana Ravololomanana partage également l’opinion de Saraha Rabeharisoa. Le leader de l’opposition a déclaré que la course aux sièges à Anosikely est tellement primordiale que les politiciens ont préféré s’allier avec le régime. « Des partisans des présidents Albert Zafy et Didier Ratsiraka n’ont même pas reçu la bénédiction de ces derniers. Ils ont choisi de jouer en solo », a fait savoir Lalatiana Ravololomanana.

Nadia

Société civile : à défaut d’une charte… une loi

$
0
0

Les membres des organisations de la société civile (Osc) ont décidé d’un commun accord d’élaborer une loi sur la société civile à Madagascar, en attendant la charte qui est actuellement suspendue. C’est ce qui ressort de la rencontre entre le ministre de la Communication et des relations avec les institutions et des représentants des Osc, hier à Nanisana.

En 2015, les membres de la société civile avec l’appui du Programme des Nations unies pour le développement (Pnud) ont concocté la fameuse charte. Son élaboration n’est pas arrivée à son terme, car l’article sur la responsabilité de la société civile dans le pays a suscité une discorde. L’action a dès lors été suspendue jusqu’à maintenant.

« Aussi, la société civile a-t-elle décidé de concevoir une loi sur la société civile en attendant que l’élaboration de la charte soit relancée et arrive à son terme », a expliqué un membre des Osc, Josué Rajoelison.

La société civile revendique également son droit de représentation auprès du Haut conseil pour la défense de la démocratie et de l’Etat de droit (HCDDED). « La mise en place des  institutions de la 4è République arrive dans sa phase finale. Nous sollicitons la création du HCDDED dans les meilleurs délais. Rappelons que la loi stipule que la société civile tout comme un représentant de l’opposition devront siéger au sein de cette institution », a rappelé un membre du KMF/ Cnoe, Patricia Raharisoarimalala.

Nadia

Vie de parti : confusion au sein du Leader

$
0
0
????????????????????????????????????

Après la suspension du bureau national de coordination (BNC), un bureau provisoire a été mis en place au sein du Leader fanilo en attendant la tenue du conseil national.

Le conseil d’orientation du Leader Fanilo a désigné hier les dirigeants qui se trouveront à la tête du parti jusqu’à la tenue du conseil national. Ainsi, le nouveau bureau sera désormais constitué de deux branches. D’un côté, le collège des membres fondateurs composé de Manassé Esoavelomandroso, Noël Andriamiarisatrana, Antoine Zafera Rabesa et Alphonse Toto, qui sera en charge de la caution morale. D’un autre, le secrétariat technique, qui prendra en main le traitement des affaires courantes et la préparation du conseil national. Les principaux membres sont Heriniaina Mahosindrahaja, Alphonse Randrianambinina et Hasina Raveloson. Il faut noter que six secrétaires techniques seront également chargés de la coordination au niveau des provinces.

Bien que le Conseil d’orientation ait décidé de former ce nouveau bureau, le porte-parole du parti et non moins membre du collège des membres fondateurs, Noel Andriamiarisatrana a indiqué hier à Antaninarenina que la décision n’a pas été prise afin de nuire à certaines personnes mais pour respecter la charte en vigueur. D’ailleurs « Il ne s’agit pas non plus d’une guerre de leadership mais plutôt d’une prise de responsabilité face à des irrégularités », a-t-il souligné. Dans tous les cas, Noël Andriamiarasatrana a précisé qu’il n’est pas question ici d’exclusion mais de suspension en attendant le conseil national qui devrait se tenir au mois d’avril ou de mai prochain.

Décisions unilatérales

Les nouveaux membres du bureau expliquent ainsi que cette décision a été prise pour la simple et bonne raison que le BNC n’a jamais pris la peine de consulter les autres membres du parti avant de prendre des décisions. Cela à l’instar de la tentative de motion de déchéance du chef de l’Etat, de la candidature de Jean-Max Rakotomamonjy à la présidence de l’Assemblée nationale ou encore de la proposition des ministres du gouvernement. Mais la liste pourrait s’allonger puisque Noel Andriamiarisatrana a indiqué que le parti n’a même pas présenté de candidature à la présidence au poste de sénateur alors que Lanto Razafimahaleo, membre du parti et veuve du président-fondateur du Leader Fanilo a été désignée par le chef de l’Etat. « Nous n’avons pas du tout été mis au courant de cette candidature », a-t-il précisé. A travers cette suspension, les nouveaux membres du bureau entendent ainsi redorer le blason du parti, d’autant plus qu’il est enregistré auprès du ministère de l’Intérieur et de la décentralisation.

Rispote

Les membres du bureau national de coordination (BNC) de leur côté ne voient pas la situation sous le même angle et entendent de ce fait riposter. « Premièrement, je n’ai été informé de cette décision que mardi dernier par email alors que je vois mon nom inscrit au sein du collège des membres fondateurs », a rétorqué le commandant Alphonse Toto, joint au téléphone hier, bien qu’il soit effectivement un membre fondateur du Leader Fanilo. Et lui de souligner qu’il marche avec le BNC et que par conséquent, ne peut pas intégrer le nouveau bureau. En risposte au Conseil d’orientation, qu’il juge inapte à prendre une telle décision, Alphonse Toto et les membres du BNC entendent répondre à cette décision et pourrait même en arriver jusqu’à la suspension des membres du Conseil d’orientation puisque ces derniers ont réellement le pouvoir de le faire. Quoi qu’il en soit, le commandant Alphonse Toto estime que cette affaire aurait pu être réglée entre les membres au lieu d’entamer une guerre médiatique.

Tahina Navalona

Education électorale  : la Ceni passera sur les chaînes nationales

$
0
0
ceni

La Commission électorale nationale indépendante (Ceni) pourra désormais promouvoir l’éducation électorale à travers des émissions sur les chaînes de radio et de télévision nationales. Un accord a été conclu dans ce sens entre la Ceni et le ministère de la Commnication et des relations avec les institutions (MCRI), hier à Nanisana. «Grâce à ce nouvel accord, la Ceni pourra diffuser des émissions sur la TVM et la RNM à titre gratuit. Ce qui sera tès bénéfique non seulement pour la Ceni mais aussi pour le peuple en particulier», a indiqué hier le président de la Ceni, Hery Rakotomanana. Les émissions seront toutefois limitées à l’éducation électorale. La Ceni verra ainsi son bureau s’élargir auprès du ministère en question pour la diffusion de ces émissions. Une collaboration qui entre dans le cadre de l’amélioration des activités de la nouvelle commission électorale.

Sur ce point, la Ceni présentera son rapport sur les élections sénatoriales, demain à Alarobia. Une occasion pour la commission d’apporter ses remarques sur le déroulement du scrutin en général, mais aussi de faire son rapport sur l’évolution de la liste électorale étant donné que celle-ci a été clôturée provisoirement depuis le 31 janvier dernier.

Après quoi, la Ceni poursuivra ses activités, notamment la préparation des élections régionales et provinciales. Sur ce point, le vice-président de la commission, Philibert Hervé Andriamanantsoa a indiqué que la Ceni ne pense pas encore proposer un quelconque calendrier au gouvernement. «D’ailleurs les textes régissant la nouvelle commission ne prévoit pas cela», a-t-il souligné. Quoi qu’il en soit, le vice-président a fait savoir que la Ceni reste prête à organiser ces élections, d’autant plus que les régionales pourront se tenir dès l’ouverture de la saison électorale, c’est-à-dire à partir du mois d’avril prochain, puisque les grands électeurs sont déjà tous installés.

T.N.

Viewing all 70793 articles
Browse latest View live