Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Fampihavanana : mirona amin’ny 4F ny Fimami

$
0
0

 Naneho ny heviny koa ny eny amin’ny faritra iva. “Ireto teny ireto no izorantsika manomboka izao : Fieken-keloka, fibebahana, fahamarinana ary fihavanana. Ho tanteraka eto amintsika ny fampihavanana rehefa to ireo teny ireo”, hoy ny Fikambanana malagasy mijoro (Fimami) ny asabotsy teo, teny Andavamamba.

     Nisaotra ny fitondrana koa izy ireo tamin’ny nanolorana fanomezana ny eny amin’ny faritra iva noho ny fahenin-taonan’ny 7 febroary.

   Tsy nohadinoin’ny Fimami ny nisaotra ny filoha sy ny praiminisitra tamin’ny fananganna ny governemanta. “Misaotra ireo nahavita ny adidiny sy ireo mbola tafajanona amin’ny toerany. Miarahaba koa anefa ireo olom-baovao ka vonona hiara-kiasa amin’ny filoha sy ny praiminisitra”, hoy ihany izy ireo.

   Miandrandra tanteraka ny fitondrana amin’ny hijerena ny vahoaka , indrindra amin’izao fotoan’ny rivodoza sy ny takaitrany izao, ary ireo tratry ny kere, ny Fimami.

Synèse R.

Cet article Fampihavanana : mirona amin’ny 4F ny Fimami est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Trending Articles