Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Ny mosary ihany no fahavalo eto

$
0
0
fandalina

 Tsy misy mosary na kere eto amintsika fa tsy fanjarian-tsakafo na tsy fahampian-tsakafo. Fanazavana manokana nentin’ny teknisianina teny amin’ny BNGRC izany, omaly. Toa marina tokoa. Mbola mahita hohanina marina Ramalagasy amin’izao fahasarotana sy firongatry ny loza voajanahary izao na izay voatondran-drano na izay voan’ny hain-tany. Sarotra sy lafo ny fitadiavana ny tohan’aina, hany ka « mihinankinam-poana » izay niangaran’ny vintana. Fa odian-tsy hita ihany io, na amin’ny tontolo an-drenivohitra na eny ambanivolo, indrindra any amin’ny tany … maina.

Fa misy fitenin’ny razana nanao hoe: “Izay kamo miasa, aoka izy tsy hihinana”. Misy tokoa anefa ny malai-mihetsika sy zatra ny miandry mahazo sy fanampiana lava. Ny ankamaroan’izy ireny no miteraka ny tsy filaminana sy fandrobana na herisetra etsy sy eroa. Saingy izy ireny koa no mampisy ny fahasarotana ara-tsakafo. Lala-mizotra mankamin’ny mosary ihany izany satria tsy afa-mamboly ny mazoto. Mitranga izany ka miteraka ilay hoe kere any Atsimo, ankoatra ny tsy fisian’ny rano. Mandositra ny asan’ny malaso ny mpamboly ka zary lava volo ny tany tokony hovolena.

Fa inona tokoa moa no mahasakana ny « fanjakana » na ny « fitondrana » tsy hifantoka bebe kokoa amin’ny ady amin’io hanoanana na fahasarotana ara-tsakafo io? Fa raha voky, hono, ny kibo, tsy mivezivezy ny fanahy. Efa nataon’ny fitondrana repoblikana fenitra teto rahateo izany, izay tsy hita ny maharatsy ny politikan’ny kibo. Saingy ampiana larony ho an’ny saina na hoe ny voky aza no maharaka ny namany.

Nalaza talohan’izany teto koa ny hoe ny mosary ihany no fahavalo. Antony nipoiran’ireo valabe tsy takabasy etsy sy eroa eto ankibon’Imerina namoronana ny fefiloha sy nanakipahana ny tanin-karefo mbamin’ny honahona ho zary tanimbary izany, tamin’ny andron’ny Ombalahibemaso ka niteraka an’i Betsimitatatra any an-toeran-kafa. Fa ny fananana vahoaka voky sy matanjaka afaka mamokatra no mampatanjaka ny firenena. Fenitra sy tanjona nenti-nanafika fanjakana tamin’ny andron’ny Ombalahibemaso izany ka nananany fanjakana matanjaka teto.

Tsy izay fifanafihana fanjakana intsony anefa no tanjona raha resahina eto izany. Azo alain-tahaka fa efa havanana amin’ny fandikàna tahaka izany isika, raha misy ny soa azo avy amin’izany. Nananana vahoaka matanjaka sy afaka namokatra ary afaka miatrika ny tsena iraisam-pirenana na amin’ny asa na amin’ny sehatra hafa io. Tsy hisy fanjakana hafa hifanafihana intsony angamba eto fa ny fahavalo dia ny tsy fahampian-tsakafo. Tsy iandrasana fanampian-dava avy any ivelany angamba izany fa azo atao avy hatrany. Raha sanatria mbola fifanafihana no eritreritry ny sasany dia tsara amin’izy ireny angamba ny miverina misalaka ?

Tsy fanesoana sanatria, fa na tsy nahavita nanao izany aza ny Repoblika faharoa, izay nametraka vina ny hoe : « Ny firenena matanjaka amin’ny taona 2000 dia izay mahavoky ny mponina ao aminy aloha, ary afaka manondrana ny ambim-bava any ivelany », mba misy hevitra azo raisina ihany. Nijanona ho filamatra ireny fa tsy nitohy narahin’asa ka zary tototry ny atsanga na i Marovoay na Antsihanaka na eny Tampoketsa. Dia hoy ny kivalavalan’ilay tantara an’onjam-peo iray izay hoe : « Ny kibo voky mitihintihina no solom-bady mamihimpihina », hoy ihany ilay tenim-pahendrena fa… ny mosary no fahavalo eto.

 Zoelson Randrianindrina

Cet article Ny mosary ihany no fahavalo eto est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Trending Articles