Nanazava ny tompom-pahefana ao amin’ny ministeran’ny Atitany momba ny fizaran’ny andraikitra mipetraka eo amin’ny “Préfet” isaky ny Faritra sy ny adidy iantsorohan’ny Lehiben’ny Faritra (chef de Région). Manjavozavo ao anaty sain’ny olona moa ny manodidina ny raharahan’ny Faritra, nolazaina fa fintsinjarana fahefana no nananganana ny Faritra. Mahatsiaro tena ho voasoloky ihany ny vahoaka, efa aman-taonany izay no nijoro ny Faritra rehetra eto amin’ny Nosy, hatramin’izay tsy mbola nisy izany Lehiben’ny Faritra voafidin’ny mponina izany. Nofikirin’ny fitondrana aty an-tampony hatrany ny fanendrena ny Lehiben’ny Faritra. Aiza no misy fitsinjarana amin’izany fizotra izany? Fanontaniana roa no mipetraka mazava: petatoko ve ny Faritra ary tsy sandoka fotsiny ve ny Lehibeny? Andanin’izany inona marina no mba ataon’ny minisitra miahy ny fanapariaham-pahefana?
Tsy sary vongana fotsiny anefa hatramin’izay ireo Lehiben’ny Faritra izay ankandasitra ihany noho ny fomba fanendrena azy. Tena navitrika avokoa ny ankamaroan’ireo nifandimby tany amin’ny faritra rehetra. Mavitrika eo amin’ny inona moa? Fanontaniana inona koa izany, fantatra mialoha ny valiny, fampisehoana fahazotona sy fihetsiketsehana mba ho tazan’ny any ambony eo amin’ny fanatanterahana ny baiko. Izany hoe lasa iraka sady fitaovan’ny tompom-pahefana pôlitika izy ireo, mazava ho azy fa ny filalaovana pôlitika no vontoatin’ireo toromarika mitontona any aminy. Sarotra no hihemotra, ny saosy matevina, ny tena koa efa nahita tsirony eo amin’izany voninahitra sy pitikafo ho an’ny tompomenakely izany.
Toe-draharaha iainan’ny rehetra izany, Filoham-pirenena telo na efatra izay nifandimby ary samy nanambara avokoa ny fitandroany ny lalàna nefa mbola eo ihany ny fanaovana izany sary vongana isam-paritra izany. Za-dratsy eo amin’ny fanaovana hitsin-dalana ka tsy mahatazana intsony ireo lalana ahafahana misosa ao anatin’ny fanajana lalàna. Ny fanendrena “Préfet” isam-paritra dia voalazan’ny lalàna mazava. Ireo no tena solontenan’ny fanjakana foibe, inona moa no ilàna azy ireny efa eo ireo “kotokely” mahazatra? Efa tonga ny tsy fahafahana miala amin’ireto “Préfet” ireto vao natao adi-koropaka ny fanendrena azy ireo. Ny antony anaovana ireny lanonana toy ny natao tany Sambava ireny dia ny fifandaminana ho an’ireo iraka roa tonta dia ireo “Chef de Région” sy “Préfet”. Raharahian’ny vahoaka inona moa na ifanongo-bolo aza izy ireo, ny hany taratry ny olona dia ny fandaniana tsy mamokatra aterak’izany.
Léo Raz