May ny alahady vao maraina teo tokony ho tamin’ny 2 ora ny EPP iray ao Ambilakely Vatomandry. Vokany, trano hazo nisy kilasy miisa roa, solatrabe efatra isa ary latabatra miisa 10 no indray may sy tsy nisy noraisina intsony. Voalaza ho niainga tao amin’ny tranon’ny mpiambina ny loza saingy tsy fantatra ny antony.
↧