![]()
Notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely, omaly, ny fanolorana kamiao vaovao entina hitaonana fako ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izay hampiasain’ny Société municipale d’assainissement na ny SMA. Ankoatra ny kamiao vaventy, nahazo dabam-pako lehibe miisa dimy ihany koa ny kaominina hanampiana ireo efa am-perinasa eny anivon’ny fokontany. Manampy ireo ny kojakoja fiarovana ampiasain’ireo mpiasan’ny SMA […]