Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisara foibe Avaradrano ilay lehilahy mpiandry vavahadin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy, voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana vehivavy iray somary very saina. Araka ny fanazavan’ny polisy, nisy tovolahy iray nanaparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera “facebook”, afakomaly hariva, fa hoe nisy tovovavy iray somary very saina hitan’izy ireo teny Andohatapenaka ary efa nitangoronan’ny olona. […]
↧