
Nisy fivoarana ny tontolon’ny fanabeazana amin’izao fotoana izao eto amintsika, hita taratra ihany fa tsy mitovy ny zava-misy eny amin’ny tanàn-dehibe sy ny ambanivohitra. Mitondra ny heviny koa momba ny lafiny politika ny ministra, Rabary Paul. Dinidinika.
Taratra *Betsaka ny resaka mandeha fa terena hiditra ho mpikambana ao amin’ny antoko HVM avokoa ny mpampianatra te hiditra ho mpiasam-panjakana, ny hevitrao momba izay ?
Rabary Paul (-) :Tsy azo afangaro mihitsy ny resaka fampianarana sy ny politika satria zavatra roa samy hafa tanteraka. Manaja ny rafitra misy eto amin’ny minisitera ny tenako ka tsy mifanerasera mivantana amin’ny lehiben’ny Cisco na Dren mihitsy. Tsy mbola nisy toromarika politika miainga avy aty amiko ho an’ny mpiasan’ny fanabeazana. Ny politika dia faharesen-dahatra manokana an’ny olona iray ary miankina aminy irery ny safidy fa tsy misy hidiran’ny minisitera mihitsy izany. Tsy afaka miantoka ny zavatra ataon’ny tomponandraikitry ny fanabeazana kosa anefa ny tenako fa raha mahita tsy fetezana dia manitsy izany.
Rehefa manao fitsidiham-paritra momba ny fanabeazana ny tenako, tsy miresaka politika izany mihitsy ary rehefa fivoriana politika no atrehana, tsy mampiditra ny lafiny fanabeazana.
* Miditra amin’ny fampianarana nomerika ny minisitera ary nisy fizarana « tablette » ho an’ny mpianatra, nefa mbola misy ankizy mipetraka amin’ny tany any an-dakilasy, laharam-pahamehana ve ny fampitaovana « tablette » ?
- Manana safidy ny fanjakana sy ny ministera hitondrana ny fanabeazana eto amintsika. Efa natao ny fampitomboana isa ny zaza miditra an-dakilasy nandritra ny taona maro nifandimby. 6 tapitrisa ny ankizy tafiditra an-tsekoly amin’izao fotoana izao manerana ny Nosy. Amin’ny 4 tapitrisa mahery miditra eny amin’ny EPP, 1 tapitrisa ihany no manohy ny ambaratonga faharoa, ary midina ho 262 900 monja sisa manaraka fampianarana amin’ny lycée tantanin’ny fanjakana. Ireo mpianatra mivoaka avy amin’ny lycée ireo anefa no hoavin’ny firenena handimby ny mpitondra sy ny teknisianina samihafa. Nandray fanapahan-kevitra izahay fa tokony hokarakaraina izy ireo ka ampiakarina ny kalitaon’ny fampianarana omena. Fitaovana iray ahatongavana amin’izany ny « tablette », hampisokatra ny fahaizan’ny mpianatra. Ampianarina sahady ny tanora any amin’ny lycée hikarokaroka, hampiana-tena. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ny tetikasa. Hiditra amin’ny CEG indray ny tetikasa manaraka ka hotolorana fahitalavitra ny CEG ahafahan’ny mpianatra manaraka ny fivoaran’ny tontolo manodidina azy.
99%-n’ny tetibola omen’ny mpanohana ara-bola vahiny natokana ho an’ny EPP hatrany, rariny raha mba mitodika amin’ny lycée sy CEG indray ny minisitera ankehitriny hananana kalitao tsara amin’ny fanabeazana.
*Ahoana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana satria nisy ny loza voajanahary ?
-Eo am-panatanterahina ny laza adina ho an’ny BEPC ny teknisianina izao, efa vita tanteraka ny an’ny CEPE. Na teo aza ny voina, tsy maintsy vitaina ny fandaharam-pianarana ary tsy miandry ny fanjakana izany ny mpanabe eny ifotony fa mandray andraikitra avy hatrany mikarakara ireo kilasy hiatrika fanadinam-panjakana.
Vonjy Andrianjaka