
Notoloran’ny Orange finday misy fakana horonantsary ny mpifaninana mendrika 10 tao anatin’ny fifaninanana momba ny fampandrosoana maharitra (Ecoclip), omaly teny Ankorondrano. Namolavola ny tetikasa ny Islands ao amin’ny vaomieran’ny ranomasina Indianina (COI), vatsian’ny Vondrona eoropeanina ara-bola. Natokana ho an’ny tanora 16-25 taona ny hetsika nifaninana namokatra horonantsary mandritra ny 3 minitra momba ny lohahevitra voalaza ny volana janoary lasa teo. Tanjona ny hisarika ny sain’ny ankizy hamoaka hevitra amin’ny fomba miavaka ny fampandrosoana maharitra. Niarahan’ny tetikasa Islands, Orange Madagascar, WWF ary ny minisiteran’ny Tontolo iainana ny fifaninanana.
Taorian’ny fiofanana sy ny fitaovana natolotra azy 10 mianadahy, hamokatra horonantsary vaovao izy ireo ka izay vokatra tokana mivoaka ho mendrika no hisolotena antsika amin’ny Festival international ho an’ny horonantsary fohy any Maorisy. Havoaka amin’ny festival eto amin’ny faritry ny ranomasina Indianina ny horonantsary voafantina.
« Vonona hatrany ny Orange Madagascar hanohana hetsika tahaka izao », hoy ny filohan’ny Orange Solidarité, Randriambeloma Josie.
Vonjy