Mazava ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) etsy Ambohidahy manoloana ny fangatahan’ny vovonana Mapar, omaly. Tsy azo noraisina ny fanonganana ireo depiote voalaza fa nivadika, araka ny valin-tenin’ity andrimpanjakana ity. “Tsy afaka mahasolo tena na mitarika ny vovonana Mapar Razanamahasoa Christine. Voalazan’ny taratasin’ny minisitry ny Atitany, tamin’ny datin’ny 20 febroary 2015, fa mbola mitarika sady mpandrindra ankapoben’ny Mapar i Maharante Jean-de Dieu. Tsy manankery noho izany, ny fanirahana nataon’ny filoha mpanorina ny Mapar », hoy ny fanapahan-kevitry ny etsy Ambohidahy.
Araka izany, inona indray ny dingana hataon’ny Mapar ? Efa nampoizin’izy ireo ny ho valin-tenin’ny HCC ka antony, nandefasana tsikelikely ireo depiote haongana ?
Synèse R.