Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Vokatry ny fiakaran’ny hafanana : ho ringana avokoa ny akorandriaka amin’ny 2050

$
0
0
vokatry

Mihazakazaka kokoa ny fahasimban’ny tontolo an-dranomasina miohatra amin’ny aty an-tanety. Antony ny fiakaran’ny hafanan’ny planeta tany.

50% ! Efa potika sy ringana avokoa ny antsakasaky ny harambato any ambany ranomasina rehetra eto an-tany, vokatry ny fiakaran’ny hafanan’ny tany. Hivoaka anio ny tatitry ny fanadihadiana nataon’i James Morgan avy amin’ny WWF iraisam-pirenena mikasika ny tontolo an-dranomasina.

Miakatra ny hafanan’ny tany noho ny fanimban’ny olombelona ny harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina. Raha ampitahaina ireo roa ireo, fantatra fa ringana avo telo na dimy heny ny ala honko miohatra amin’ny ala ety an-tanety. Efa ripaka avokoa ny 1/3-n’ny bozaka any anaty ranomasina ankehitriny.

Tombanan’ny WWF hatrany amin’ny 24.000 miliara dolara ny tentimbidin’ny harena an-dranomasina. Manampy izany, avy amin’ny ranomasina ny antsasaky ny rivotra oksizena iainan’ny zanak’olombelona.

Tokony hisy fifanarahana any Paris amin’ny desambra

Araka ireo voalaza ireo anefa, tandindomin-doza ny hoavin’ny tontolo an-dranomasina eto an-tany. Nandroso soso-kevitra valo i James Morgan hitsinjovana sy hiarovana azy. Mila ampidirin’ny Firenena mikambana ao anatin’ny laharam-pahemehana amin’ny fandaharanasa fampandrosoana maharitra (ODD) ny fiarovana sy fanarenana ny tontolo an-dranomasina. Raisina ny hevitry ny mpikaroka sy ny teknisianina siantifika, ary hisy sonia tsy maintsy hatao mandritra ny fivoriambe any Paris amin’ny desambra ho avy izao.

Mila hatao tanjona ny hiarovana ny 10%-n’ny morontsiraka sy ny ambany ranomasina, manomboka izao, hatramin’ny taona 2020, ary hampitomboana ho 30% hatramin’ny taona 2030.

Mangarahara

Harahi-maso akaiky ny fanjonoana tsy ara-dalàna ary arindra ny tahirin’ny hazandranomasina miohatra amin’ny jonoina. Ilaina ny fiaraha-miasan’ny firenena mifanakaiky manana morontsiraka hananganana ny antsoina hoe « fiombonana manga » (alliance bleue).

Ilaina koa ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina ary indrindra, ireo mponina ifotony. Tanterahina ao anatin’ny mangarahara ny asa sy ny famoahana ny tatitra rehetra. Hapetraka koa ny fizarana ny fahalalana sy traikefan’ny mpisehatra rehetra, mba hitovy ny fahalalana ny olana sy ny vahaolana raisina.

Njaka Andriantefiarinesy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697