
Inona indray ity angano arirarirantsika ity ? Hampihira goaika hoe ! Fa ity isika matory andro iray firenena ity no manao toetran-goaika. Manomboka any amin’ireo nifandimby nitantana teto ka hatramin’ireo tsy manan-kialofana. Mety ho maro no nahatsiaro ilay « tsianjerin’i La Fontaine », nitantara ny Goaika sy ny … « Fosa », nampianarina fahazaza. Mbola ampianarina ny ankizy ankehitriny io, na dia ho piliavava fotsiny ihany aza. Saingy na isika aza toa anisan’ireo nanao piliavava izany fa tsy niaina ny hafatra nofonosiny.
Angano angano fa tsy mahay mitantara angano isika. Ny firenena izao no idiran’angano. Raha io anganon’i La Fontaine natao tsianjery io, nodokadokafan’i Fosa tamin’ny teny tsara lahatra i Goaika teny ambony hazo, nitazona fromazy teny amin’ny vavany. Tsy mahay mihani-kazo moa ity biby mandady tongotr’efatra ka nampiasainy hevi-petsiny. « Ndao izatsy izy mba mihirà ry Goaika fa manga feo ange ianao e ! ». Tsy naharitra ny dokadoka Ra-Goaika ka rafitra. Votsotra ny sakafo teny am-bava. Moa va tsy izany ny fandokandokafan’ny mpanao politika ny valalabemandry ? Ho avy indray mantsy izao ny fifidianana dia hanao rebik’ondry eo indray isika. Misy ilainy any aminao.
Ambany maso tsy hita amin’io resaky ny Goaika sy ny Fosa io koa ny fitrandrahana baranahiny ataon’ny vahiny ny harem-pirenentsika. Nodokadokafana ho mahaleo tena isika sady notondrahana izao endri-pandrosoana amin’ny endriny ivelany izao. « Mba mihirà re ry Goaika fa manga feo ange ianao e ! », hoy i Fosa. Dia rafitra nanandra-peo tokoa ireo mpitondra sy ny vahoaka ka variana miliba amin’ny fampiadanan-tena. Lasan’ny vahiny ambongadiny ny « fromazy » any ankibon’ny tany sy ambany rano. Firy tao-maty izay no nisian’izany fa tsy mbola taitra isika ? Na taitra sy rendremana ihany, saingy efa nadio ny rano nitàny. Ny hena lasan’ny saka, hono, leo ihany fa ny fidingin’ny rambony no tsy tanty.
Fa tsy dia « maivan-doha » mora fetsena toy izany foana kosa aloha ny goaika e ! Manan-kambara betsaka isika raha momba io vorona io. Anisan’ireny ny hoe taranaka goaika ka samy fotsy tenda. Ao koa ny hoe fotoan-goaika ka eny an-tanimboanjo mihaona. Hatramin’ny hoe seranin’ny goaika mivady ny làlana dia izao sy izao no hitranga. Tsy lany io, raha hotanisaina eto daholo fa ny hatreto aloha, mihirà ry … Goaika handroban’ny Fosa ny sakafonao !…
Zoelson Randrianindrina