Tsy misy angamba ny olona mitaiza ahiahy mikasika ny fanatanterahan’ny mpiasam-panjakana ao amin’ny Bianco ny adidiny ao anatin’ny fahitsi-tsaina sy ny zotom-po. Nefa toy izay koa angamba ny hamaroan’ny olona resy lahatra fa raha mbola tahaka izao dia toy ny manenjika aloka izy ireo eo amin’ny fanenjehany ny fanaovana kolikoly.
Atao resaka tsy mitsahatra ny manodidina ity fanambarana fananana ity. Misy dikany inona izy io anefa raha tsy hampiarahana amin’ny adidy fanambarana fananana eo am-pamaranana ny andraikitra niantsorohana, ary ireo fanambarana ireo samy hamarinin’ny manampahaizana. Resaka fandrebirebena vahoaka fotsiny ny ankoatr’izay.
Iza no mbola sahy handà fa misy na maro mihitsy aza ireo mpitondra no naangona harena tsy mifanandrify amin’izay tokony ho rariny, tsy mila ho mpanara-maso manokana karamainin’ny fanjakana mba ahatazana izany.
Ny famaizana ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ny maha Mapar azy nefa nitsipaka ity vondrona ity taty aoriana dia mitory fa lalàna tokana tsy mahafehy ny fakampanahy hitsaingoka voankazo voarara, sanatria aza toa vao mihamitombo tsirony ny fanotana amin’ny fandiganana izany didy izany. Ilay lalàna velona amin’izao fotoana izao dia noraisina mba tsy ahafahan’ny depiote mivadibadika eo amin’ny firehin-kevitra tohanany. Inona no niseho anefa? Ny tranga mifanipaka amin’izany, sanatria ve tsy toy ny gidro miampitapita mihantsapy eny amin’ny sampan-kazo izay tazany fa misy voankazo mikiraviravy. Ny fanaovana izay no voarara, nampitombo tsiro an’izay angamba ilay fandraràna ka vao mainka nanintona. Na ny vondrona aza dia vitsy no nitana ny tanjona nambarany fa samy nivilivily lalana avokoa arakarak’izay mahamandimandina azy. Taratra fotsiny anie io mibaribary eny Tsimbazaza io, fa lavitr’izany ny tolona ataon’ny mpitanty ran-kena raha vao misy irika andrasaina mamy ao amin’ilay tantely afa-drakotra. Ny fahamaroan’ireo manolotra ny tenany na ho minisitra izany na ho tompon’andraikitra ambony eo amin’ny raharaham-panjakana (hauts emplois de l’Etat) dia mitory fa misy ireo vonona hiofo loko sy hiova hevitra ijoroana na olona ho tohanana… Izay kilema noho ny tsy fananana hazondamosina izay aretim-be manakana ny fandrosoana. Nefa izay iray tonga dia samy salobokomana avokoa, mangerona no sady mitsangam-bozona saropiaro tsy tia hizara toy ny amboa lahy nahita taolana tia hikiky samy irery.
Léo Raz