Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70721

Ambovombe Androy : lasibatry ny dahalo koa ny sokatra

$
0
0
PHOTO N°1

 Tsy lany hevitra mihitsy ny dahalo. Rehefa avy nampitondra faisana ny omby aman’ondry ary osy izy ireo dia ny sokatra indray no angalariny.

 Noho ny fampandrian-tany sy ny fanenjehana ireo dahalo mpangalatra omby any amin’iny distrikan’Ambovombe Androy iny dia azo lazaina fa nilamina ny tanàna saingy niova biby angalarina indray ireo dahalo ka ny sokatra izay anisan’ny biby arovana any an-toerana no lasibatr’izy ireo.

 Ny herinandro lasa teo, nandritra ny fisafoana nataon’ ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona mpiray dina ary ny mpiasan’ny sampan-draharahan’ny ala dia nahatazana telo lahy nibaby kitapo izy ireo. Natao avy hatrany ny fisamborana azy telo lahy ka rehefa nosavaina ny kitapo nentiny dia sokatra 16 no tao anatiny. Anisan’ny biby arovana mafy any amin’ireo ala voajanahary ireto sokatra ireto.

Teo am-panaovana fanadihadiana no tafaporitsaka ny lehilahy iray. Natao andrimaso kosa ireo roalahy tavela. Nandritra ny famotorana natao azy ireo dia nambarany fa noho ny tsy fisian’ny omby hangalarina intsony no nahatonga azy ireo hangalatra ireto sokatra ireto.

Misy ny mpandray izany saingy, araka ny fantatra, ilay iray tafatsoaka no tena mahafantatra ny tompon’andraikitra mpandray ny entana. nilaza kosa ny tompon’andraikitry ny zandary mpanao famotorana fa tsy ho ela dia ho tratra ity lehilahy tafaporitsaka ity. Efa fantatra tsara mantsy ny mombamomba azy rehetra.

Tiavina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70721

Trending Articles