Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70721

Ankadikely : fatim-behivavy hita tao anaty rano

$
0
0

 Tamin’ny fomba feno habibiana no namonoan’olona ny tovovavy iray vao 22 taona izay voalaza fa mpianatra ho pasitera taona faha-3 etsy Ambatonakanga. Nesorina ny voamasony, nodidina tamin’ny antsy ny sofiny ary tapaka ny tongony. Rehefa izany dia nisy nanary tany anaty rano teny Ankadikely Ilafy ny nofo mangatsiakany. Ny alatsinainy teo no nisy nahita ny fatiny ka ireo mponina handeha hanasa lamba no nahita azy voalohany. Tsy sahy nikitika ny razana mihitsy izy ireo fa niantso ny tompon’andraikitry ny tanàna. Ireto farany indray avy eo no niantso mpitandro ny filaminana sy mpitsabo avy amin’ny BMH. Tamin’ny fizahana ny razana sy ny fanadihadiana fohy no nahafantaran’izy ireo fa efa tsy nisy aina  intsony ity tovovavy ity vao nariana tao anaty rano. Mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Tsy misy aloha ny olona voasambotra hatreto saingy efa misy kosa ireo olona ahiahiana ho nahavita izany. Miankina betsaka amin’ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana no ahafantarana ny tena marina.

 Tiavina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70721

Trending Articles