
Marary ny lohalika havanan’i Karim Benzema, lohalaharan’ny Real de Madrid. Noho izany, tsy afaka hilalao izy anio, eo amin’ny lalao ampahefa-dalana miverina, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, izay hikatrohany amin’ny Atletico de Madrid. Fihaonana hatao ao amin’ny kianja Santiago-Bernabeu. Araka ny fanambaran’ireo mpitsabo azy, mety tsy afaka hiakatra kianja mihitsy izy, mandritra ny 10 na 15 andro eo ho eo. Tsy izy ihany no tsy salama fa eo koa i Gareth Bale, izay voadona teo amin’ny ranjony sy ny an’i Luka Modric, voa eo amin’ny lohaliny. Manampy trotraka ity klioban’ny Real ity koa ny sazy mahazo an’i Marcelo. Raha tsiahivina, nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko ny roa tonta, nandritra ny lalao mandroso. Ho sarotra amin’ny Real ity lalao ity, satria ady sahala 1 sy 1 mihoatra, dia efa tafita ny Atletico. Tsy maintsy mitady fandresena izany ry CR7, amin’ity.
Ny lalao faharoa indray, hikatrohan’ny AS Monaco sy ny Juventus de Turin. Resy tamin’ny isa 1 noho 0 ny Monegaska, teo amin’ny lalao mandroso tany Turin. Hitady fandresena ao an-jaridainany izany, amin’ity ny AS Monaco.
Tompondaka