Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70610

Fakobe etsy sy eroa : raikiitra ny fanenjehana voalavo

$
0
0

 Mitobaka ny fako eto Antananarivo. Tsy takona afenina izany fa iarahan’ny rehetra mahita. Omaly, nanao tatitra ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) etsy Avaradoha fa anisan’ny toerana ahitana ny aretina pesta hatrany eto Antananarivo nandritra ny taona maro nifanesy noho ny loto sy ny lakandrano maloto eto.

Sakafo be ho an’ny voalavo, araka izany, ny fako mivangongo sy ny potin-kanina amin’ireny lakandrano ireny. Tandindomin’ny aretina pesta, araka izany, ny mponin’Antananarivo vokatr’io fako mivangongo io.

Hisy, araka izany, ny hetsika fisamborana voalavo hifandrimbonan’ny IPM sy ny BMH ary ny Croix rouge malagasy iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Anisan’ny tena hiasana ny eny amin’ny faritra iva.

Nofanina mihitsy ireo mpisambotra voalavo ireo izay novatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Efa mandeha ny asa ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana avrily izao. Misy ny fandrindrana manokana ho amin’izany.

Eto Antananarivo hifampizara amin’ny tsena lehibe 13 ireo ekipa mpamono voalavo. Voakasik’izany ny eny amin’ny tsenan’ny Petite Vitesse, Besarety, Isotry, Anosibe, 67 ha, Bagdad, Analakely…

Jerena manokana koa eny amin’ny faritra iva miisa sivy toa ny eny Antohomadinika, Andavamamba…

Raha ny salanisa tamin’ny taon-dasa, nahatratra 482 ireo tranga nahiana ho pesta manerana ny Nosy.

Tatiana A


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70610