
Mafanafana indray ny tontolon’ny Fampianarana ambony. Mihetsika ny mpianatra ho mpitsabo. Efa tapitra ny zoma hariva teo ny 72 ora nomen’ny mpianatra avy ao amin’ny lalam-piofanana fianarana ho mpitsabo eny amin’ny oniversiten’Antananarivo nangatahan’izy ireo ny daty samihafa hamoahana ny vatsim-pianarana sy tambin-karama. Niroso tamin’ny fitokonana tsy nianatra sy fanapahana ny fianarana asa fitsaboana eny amin’ny hopitaly sy toeram-pitsaboana izy ireo, nanomboka omaly, satria tsy naharay valin-teny avy amin’ny fanjakana. Nisy ny fanambarana nataon’ny mpiandraikitra ny association pédagogique misahana ny fianarana ho mpitsabo teny amin’ny esplanade Ankatso, omaly maraina. Tonga nanatrika izany ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Fampianarana ambony, ny mpitantana ny oniversite ary ny mpiandraikitra ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo.
Miandry ny famoahan’ny fanjakana ny daty notakina vao hiverina hianatra sy hiasa ireo mpianatra ho mpitsabo. Vatsim-pianarana nanomboka ny volana novambra 2014, allocation de stage ary présalaire ho an’ny paramédicaux no angatahin’ny mpianatra ny fanambarana mazava ny daty hanefana ny vola.
Hivory ary hamoaka fanambarana miaraka, anio, ny fikambanan’ny “association pédagogique” rehetra eny amin’ny oniversite mahakasika ny mpianatra sy ny toe-draharaha eny amin’ny oniversite amin’izao fotoana izao. Efa niolomay nandray fanapahan-kevitra sahady ny fanjakana omaly mahakasika ny fitakian’ny mpianatra ho mpitsabo. Fihetsika efa mahazatra ny mpitondra ny mamono afo rehefa misy fitakiana tahaka izao sao miitatra amin’ny lalam-piofanana hafa ny hetsika.
Miantso ny mpianatra ho tony eo am-piandrasana ny famoahana ny vola natokana ho azy ireo ny ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Manoloana ny fitakian’ny mpianatra ho mpitsabo eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, momba ny vatsim-pianarana sy ny tamin’ny « stage », taom-pianarana 2014-2015,
dia manambara ity minisitera ity fa ny fikarakarana izany dia efa eo an-dàlana miaraka amin’ny fiadidian’ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo.
Vonjy