Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70369

Toliara Amborogony : polisy nandrodana tranon’olona

$
0
0

Manamboninahitra polisy iray nandrodana tranon’olon-tsotra miorina 30 taona ao amin’ny fokontany Amborongony Atsinanana Toliara. Nilaza ho tompon’ny tany izy, nefa tsy misy porofo na didim-pitsarana teny an-tanany. Marihina fa tsy nisy solontenan’ny fokontany sy mpitandro filaminana niaraka taminy nanatanteraka izao fandrodanana izao fa namoaka an-keriny ny entana rehetra tao an-trano, omaly maraina tamin’ny 8 ora. Araka ny vaovao azo, noho ny hatairana tamin’ny fahapotehan’ny fananany sy ny antsojay natao taminy. Torana avy hatrany ilay ramatoa tompon-trano ka nentina teny amin’ny hopitaly. Marihina fa vao nidaosan’ny fahafatesana ny 1 marsa teo ny zanany vavy 25 taona ka izao tratry ny fisolokiana izao indray. Natrehin’ny vadintany nantsoin’ny fianakavian’ny rava trano izao toe-javatra izao ka ho hita eo ny tohiny ary nanamafy ity farany fa fandikan-dalàna sy fanamparam-pahefana no nataon’ity manamboninahitra polisy ity, nefa tsy noraharahiny izany.

Raha ny loharanom-baovao, an’ny FJKM ny tany ary tsy mbola vita « borne » fa ireto olona ireto no mipetraka eo ka azo lazaina fa tompony satria efa 30 taona nonina teo. Raha ny nambaran’ny zanakalahin’ity ramatoa ity, noho ny disadisam-pianakaviana eo amin’ny roa tonta no anton’izao fandrodanana ny tranon’izy ireo izao.

CMS


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70369

Trending Articles