
Hotanterahina ny 21 sy ny 22 avrily izao ny hetsika « Andro’ny asa sy ny fanofanana » andiany fahenina. Ahitana tolotr’asa maherin’ny 1 000 ho an’ny tanora izany hetsika izany ary anisan’ny mandray anjara mavitrika ohatra, ny tetik’asa Ambatovy, ny orinasam-pifandraisana Orange…
Samy hanana tranoheva sy hampahafantatra ny momba azy etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina avokoa izy ireo.
Ankoatra ireo tranoheva miisa 36 hotsidihin’ireo tanora, hisy koa ny adihevitra sy famelabelaran-kevitra hiompana amin’ny lohahevitra samihafa.
Ohatra, ny fahaiza-mitantana sy fifandraisana amin’ny mpanjifa. Hahazo tombony koa ireo mpitady asa satria homena toromarika amin’ny fanamboarana ny taratasy fitadiavana asa izy ireo…
Anisan’ny hasaina manokana ireo tanora sy ny mpianatra amin’izao hetsika momba ny asa sy ny fanofanana izao.
Zo Ra.