Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70752

Misaona ny kanto : nodimandry i Jeannot Razakandrainy

$
0
0

« Tadidio kely ange, indray takariva izany, notantaraiko an’ise fa, tsy miaraka izahay… ». « Hafanana », hira fantatry ny maro, sy nahafantarana an’i Jeannot Razakandrainy ihany koa io. Fantatra fa nodimandry ity mpanakanto ity, araka ny vaovao nampitain’ny fianakaviana. Efa nolazoin’ny aretina nandritra ny taona maro izy nialoha izany.
Anisan’ireo niara-dalana tamin’ny tarika Jeneraly sy namoron-kira tao ihany koa i Jeannot Razakandrainy. Nanara-dia azy teo amin’ny mozika ireo zanany, toa an’i Latie Razakandrainy sy i Fara.
Eny Ambatoroka ny nofo mangatsiakany no andrasana. Hoentina eny amin’ny FJKM Ambatoroka mialoha ny hanafenana azy eny Ilafy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana, sy ny fiakavaviamben’ny zavakanto ny gazety Taratra.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70752

Trending Articles