Efa maka bahana sy mivonona tanteraka, nanomboka ny herinandro teo. Tafatsangana any Ambanja, Antsiranana I sy II, Ambilobe ary hatrany Nosy Be ny rantsa-mangaikan’ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim) any anivon’ireo distrika na ny DisTIM. “Efa voatily avokoa ireo kandidà ben’ny Tanàna miisa 64 miaraka amin’ireo mpanolotsainy avy. Vonona tanteraka ny Tim any Diana hifaninana amin’ny fifidianana ary vonona handrombaka fandresena”, hoy ny tompon’andraikitr’ity antoko naorin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana ity.
Nohamafisin’izy ireo fa nahavelom-panantenana ny fahitana ireo mpikambana mbola mavitrika ary vonona ny hampiaina bebe kokoa sy hamerina indray ny herin’ny Tim amin’izao fifidianana izao.
Niverina ao am-bala
Efa maro rahateo ireo mpikambana sasany nitsoaka an-daharana ka niantsampy tamin’ireo antoko teraka tao anatin’ny fitondrana Tetezamita teo aloha, nefa niverin-dalana sy ao am-bala indray amin’izao fotoana izao.
Tsiahivina fa i Laou Po Wilfird, nametrahan’ny filoha mpanorina ny antoko fitokisana hitantana ny birao nasionaly lefitra any Diana no namelona indray sy nanetsiketsika ny mpikambana Tim any avaratry ny Nosy iny.
Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina amin’ny herinandro ho avy izao ny fihaonamben’ireo kandidà ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ary ny filohan’ny DistTim rehetra any Diana, araka ny nambaran’ny filoha lefitra nasionaly ihany.
Synèse R.