Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70752

Beach soccer – Can 2015 : nandresy an’i Maraoka tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea

$
0
0
Beach1704

 Ny Barea de Madagascar, hifandona amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ary ny Voromaherin’i Nizeria kosa, hifanehatra amin’i Sénégal. Ireo no fandaharan-dalaon’ny manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2015), eo amin’ny beach soccer. Omaly, teo amin’ny andro farany, amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, mbola nahazo fandresena fanintelony indray ny Barea de Madagascar. Resiny tamin’ny isa mazava, 8 noho 5, ny Maraokanina. Lalao natao tatsy Seychelles. Tsy niady mihitsy ny fihaonana satria nanjaka tokana ny Malagasy teo amin’ireo tapa-potoana telo nifaninanana. 5/2, avy eo 7/3 ary 8/5 ny fiafarany. Anisan’ny nahafaty baolina i Ymelda, Flavien (Dada), Tiana (Tsiliva).

Nataon’ny ekipam-pirenena malagasy nahafantatra azy avokoa izany ireo ekipa telo niray sokajy taminy. Nasesiny noresena avokoa, nanomboka tany amin’ny Kintana maintin’i Ghana, avy eo ny Liona-n’i Téranga avy any Sénégal ary ny Maraokanina. Nitana ny laharana voalohany ny Barea de Madagascar, tao amin’ny sokajy «B» nisy azy ary manana isa 7. Vokatra tsy nampoizina kosa ny nandresen’i Ghana an’i Sénégal, tamin’ny isa 5 noho 3. Nitovy, araka izany, ny isan’ireo ekipa telo, saingy i Sénégal no tsara «goal average» ka tafita amin’ny dingana manaraka.

Ho an’ny sokajy «A», resin’i Nizeria, tamin’ny isa tery, 7 noho 6, i Côte d’Ivoire ary Egypta, nanilika an’i Seychelles, 5 noho 2. Miala sasatra ny ekipa rehetra anio ary rahampitso asabotsy no hanaovana ny fiadian-toerana fahadimy ka hatramin’ny fahavalo, miaraka amin’ny manasa-dalana anankiroa.

 Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70752

Trending Articles