Noraisin’ny minisitry ny Atitany, Mahafaly Solondrasana, tetsy Anosy nomena toromarika ireo « Prefet », vao notendrena teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly.
Anisan’ny andraikitr’izy ireo ny famaritana ny tokony ho isan’ny mpanolotsaina eny anivon’ny kaominina amin’izao fifidianana izao.
Hanatanteraka fivoriana eny Alarobia, anio, ny Cenit ary handinika ny hoenti-manana ny fifidianana, indrindra fa ny lafiny ara-bola. Anisan’ny handray anjara amin’izany koa ireo sehatra rehetra misahana ny fifidianana sy ny mikarakara ny ara-teknika ary ireo avy amin’ny mpamatsy vola. Tsiahivina fa mbola mitady vola 18 miliara Ar ny Cenit hanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna ny 31 jolay izao.
Maherin’ny 30 avy hatrany ireo fikambanana politika sy antoko politika efa nisoratra anarana handray anjara amin’ny dinika fampihavanam-pirenena. Nanomboka, omaly eny Vohipiraisana ny fandraisana azy ireo ka 2 hetsy Ar ny sandan’ny fandraisana anjara ary manana solontena roa avy hatolotra ireo hiatrika ny dinika.
Hametraka fitoriana eny amin’ny fampanoavana ny Kly Randrianasoavina Charles anio. Anisan’ny hotoriany amin’izany, ny Jly Ndriarijaona André momba ny “Raharaha Bani” ny taona 2010 sy ny minisitra teo aloha Razanamahasoa Christine.
Tsy mbola levon’ny vavonin’ity manamboninahitra ity ny nilazan’ny minisitra azy ho adala tamin’ny taona 2010.