Mitohy hatrany ny fanadihadiana atao ireo olona voasambotry ny polisin’ny BC Anosy sy ny Sag any Betroka. Olona 11 natolotra ny fampanoavana, omaly tany an-toerana. Mety hisy ihany fampiakarana ny raharaha aty an-dRenivohitra, arakaraka izay fanapahan-kevitry ny mpitsara. Voampanga ho namono mivantana na niray tsikombakomba tamin’ny fahafatesana mpandraharaha sady tompon’omby roa lahy izy ireo. Ny 2 marsa lasa teo no nahafaty ireo olona ireo rehefa nisy nanafika teny amin’ny lalam-pirenena faha-13.
Nandray an-tanana ny raharaha ny zandary, ka olona 10 voasambotra ary naiditra am-ponja vonjimaika. Nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy ihany koa ny havan’ireo niharam-boina, ka nandray an-tanana ny raharaha izy ireo. Tamin’izany no nisamborana ireo 11 indray tany Isoanala, Beraketa, Bendido. Notanana ao Betroka ireo, ary izao natolotra ny fampanoavana izao. Miverina aty an-dRenivohitra ireo polisin’ny BC sy ny Sag 14 lahy aorian’ny fanolorana ireo voarohirohy any amin’ny fitsarana. Tsy mijanona hatreo akory ny raharaha raha tsy hita ny tena marina amin’ity vonoan’olona ity.
Yves S.