
Afakomaly, tokony ho tamin’ny 12 ora alina teo ho eo no nitrangan’ity fanafihan-jiolahy, tao amin’ny tokantrano iray, teny Avaratr’Ankatso ity. Maty voatifitr’ireo jiolahy tamin’izany ny raim-pianakaviana iray. Naratra mafy, voatifitra teo amin’ny tongony ihany koa ny zanany lahy.
Voalaza fa enin-dahy nitondra basy, toy ny Kalachnikov, nanafika tokantrano iray eny Avatr’Ankatso io. Voavakin’ireo olon-dratsy ny varavarana nidiran’izy tao an-trano. Henon’ny tompon-trano izany ka nizaha ny zava-misy ilay raim-pianakaviana, kanjo sendra ireo olon-dratsy. Nitifitra avy hatrany ireto farany ka voa ilay rangahy ary nitsirara tamin’ny tany. Naheno izany koa ny zanaky ny tompon-trano lahy ka niolomay, kanjo voatifitra teo amin’ny tongony. Voalaza fa maty ilay rangahy rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Nanaram-po ireo mpanafika naka ny entana sy izay azony nalaina hatramin’ny vola.
“Vao vita kely ny baolina tamin’ny televiziona no naheno poa-basy izahay. Ny tranon’ny rangahy iray miasa eny amin’ny hopitaly HJRA ilay nitafihan-jiolahy. Tsy nisy sahy nivoaka raha vao naheno ny poa-basy ny manodidina”, hoy ireo mponina eny an-toerana. Araka ny nambaran’ny mponina ihany, nahatazana ireo olon-dratsy ihany izy ireo, saingy tsy afa-nanao na inona na inona teo anoloan’ny basy. Tamin’izany no nilazana fa enin-dahy ireo, ary nahatazana ny sasany nitondra basy lava ny mponina. “Mety ho mahalala ilay rangahy mpiasan’ny hopitaly io ireo mpanafika. Tsy mpiseho ety aminay ny asan-jiolahy tahaka izao”, hoy ny mpifanolo-bodirindrina.
Balana mpitandro filaminana
Tonga teny an-toerana ny polisy, efa ora iray mahery taty aoriana. Efa tsy nahatratra na iza na iza intsony ireo fa nijery ny fahavoazan’ireo voatafika fotsiny. Mbola nahitana ny vodina bala nampiasain’ireo jiolahy teny an-toerana. Voalaza tamin’izany fa balana mpitandro filaminana ilay hita teny an-toerana.
Andanin’izany, aiza ho aiza ihany ny momba ny asan’ny mpitandro filaminana izay tara lava hatrany rehefa mitranga ny fanafihana. Matetika, tara adiny iray na roa mihitsy ireo polisy na zandary. Inona no paikady azon’ny mpitandro filaminana ialana amin’izany? Sa hialokaloka hatrany amin’ny hoe tara vao tonga ny antso, na tara noho ny tsy fahaizan’ny olona manoro ny toerana misy azy? Tsy efa manana ny sarin’ny tanana (plan) manerana ny faritra iasany ve ny polisy sy ny zandary ka raha vao manona anaran-tanana, tsy efa tokony ho hitany izany? Maneho tsy fahafehezana ny asa loatra raha toa ka izany no averimberina ialana… bala.
Yves S.