“Tokony hafainganina ny fanendrena ny ‘Préfet de région’ rehetra satria miandry ny isa marina eo amin’ny mpanolotsaina ny kandidà, ahafahana manatontosa ny filatsahana. Fa mba ahalalan’ny vahoaka koa ny isan’ireo mpanolotsaina. Anjaran’ny fitondrana ny manome toky ny vahoaka fa misy ny hoenti-manana ary mino fa tsy hihoatra ny 31 jolay intsony io fifidianana ben’ny Tanàna io”, hoy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, tamin’ny alalan-dRakotonirina Jean-Fidèle., omaly tetsy Antanimena.
Etsy andaniny, notsiahiviny koa fa tokony hahay haka lesona isika ka tsy hiverina intsony ny olana eo amin’ny lisi-pifidianana. “Manantena sy miandrandra ny rehetra fa ho tsara rafitra izany ka tsy hiseho intsony fitabataban’ny ny kandidà sy ny mpifidy”, hoy ihany izy.
Synèse R.