Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70392

Makamaka fanahy : ny an’iza no marina?

$
0
0

 Raha tsy miady marina ve tsy mifankatia? Raha samy niandrandra vahaolana avy amin’ny fampihavanana ny rehetra, toa manomboka manjavona tsikelikely toy ny zavona lalovan’ny hainandro izany fanantenana izany. Efa nanambara ny tsy handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony intsony ny ankolafy Zafy sy Rajoelina, izao indray ny ankolafy Ravalomanana no nanambara ny fampiatoana ny fandraisany anjara. Asa raha mbola ho avy koa ny an’ny amiraly sy ny ekipany. Dia iza sisa izany no handray anjara amin’ity fampihavanana ity? Tena mbola mila ampihavanina indray koa raha izany ny mpikarakara sy ny lehiben’ny ankolafy. Raha tsiahivina, nilaza ny hisintaka amin’ny fifampidinihana ny filoha teo aloha Ravalomanana noho ny zava-niseho tany Antsirabe, tamin’ny tsy nahafahany nifampiresaka tamin’ireo mpomba azy. Nanambara ny jeneraly Rakotomahanina Florens omaly fa misy fetra ihany ny fahalalahana nomena an-dRavalomanana Marc. Nanamafy ihany koa izy fa fantatry ny filoha teo aloha tsara ny zavatra azony atao sy ny tsy azony atao. Raha izany tokoa no marina, nahoana no mandrahona ny hampikatso ny fampihavanana izy? Andeha hamafisina ilay ohapitenenana tetsy ambony fa “ny isavorovoroan-kilantoana”, hoy ny Ntaolo. Raha ny vaovao nandeha tamin’ny faran’ny herinandro sy ny voalohan’ity herinandro ity dia hita fa misy resaka marobe tsy mifandray ao. Ny an’iza no marina? Tsy hay intsony.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70392

Trending Articles