![]()
Efa tsy lalao politika intsony. Velon-taraina ary mahatsiaro tena iharan’ny antsojay ny kandidàn’ny IRD, Rakotoarisoa Jhonny, nirotsaka ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. “Mandeha ny fandrahonana ho faty ny tenanay. Miteraka horohoro sy tahotra amin’ny vady aman-janaka sy ny fianakaviana izany nefa politika no atao. Angalarina amin’ny alina ny sora-baventy sy ny afisy na peta-drindrina ka apetaka eny […]