![]()
Mazava izao ny tanjona tiana hotratrarina: ny hanenjika ny fahataran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra rehetra amin’ny fampandrosoana, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, nanolotra ny politika ankapoben’ny fanjakana, teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, omaly. « Mila diplaomasia mavitrika izay hanamafy sy hanatsara hatrany ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara ny fanatanterahana ny programanasa », hoy izy. […]