Herintaona lasa izay, nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanan-kira evanjelika, “Mihobia”, nokarakarain’ny fahitalavitra iray eto an-dRenivohitra, ny antoko mpihira Antsan’ny Fanantenana (Afa). Ankehitriny indray, mikarakara antsan-kira fiderana goavana izy ireo. Hotontosaina ny alahady 26 aogositra izao, ao amin’ny fiangonana FJKM Kristy Fanantenana Antohomadinika, izany. Hanana ny mampiavaka azy ny seho, hiompana amin’ny lohahevitra hoe […]
↧