Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Conservation international : tanjona ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina

$
0
0
conservation

Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fampivoarana ny fari-piainan’ny mponina ifotony. Noho izay indrindra no mahatonga ny fikambanana Conservation international sy ny WWF, miara-miombon’antoka manao tetikasa mazava miaraka amin’ny mponina ifotony, hitondra fampandrosoana azo tsapain-tanana any Ambodivahibe, distrika Antsiranana II, faritra Diana.

Hita maso ! Paikady mora ampiharina mba ho tsapan’ny mponina ifotony ny nampiharin’ny Conservation international (CI) hikajiana ny tontolo iainana any Ambodivahibe, anisan’ny fari-dranomasina arovana vaovao, ary hananany ny sata maharitra. Tanjona ny hahazoana an’io sata io amin’ny faran’ny volana avrily 2015 izao, araka ny nambaran-dRtoa Andriamaro Liciano, talen’ny fikarohana sy ny fahalalana ao amin’ny CI.

Raha ny hita maso eny ifotony, tsikaritra ny fahatsapan’ny mponina any Ambodivahibe, kaominina Mahavanona, distrika Antsiranana II, faritra Diana, izay saika mivelona amin’ny jono horita ny 90%-n’izy ireo. Hanamarinana izany i Kikouny Justin, tena nanohitra ny tetikasa satria nihevitra fa fomba hakan’ny vazaha ny tanin’ny Malagasy io paikady io. Nentin’ny CI tany Andavandoaka Toliara izy, nijery ifotony ny zava-misy ary tena resy lahatra amin’ny lanjan’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ankehitriny, i Kikouny Justin no tena mpitarika mampahafantatra ny mpiara-monina aminy sy ny manodidina fa ilaina ny fametrahana fe-potoana fanjonoana ary azo tsapain-tanana ny vokatra.

Afa-po i Marcel, misy ny fihariana hafa

Tanora mpanjono vao 35 taona i Jaovory Marcel, tsy manambady fa manan-janaka roa. Mponina ao amin’ny fokontany Ambavarano Ambodivahibe. 35 kilao ny horita azony ny asabotsy 21 marsa teo.

Nilaza i Marcel fa misy ny fihariana hafa hanampiana ny fidiram-bolan’ny mponina, rehefa ao anatin’ny fotoana tsy afaka manjono, notohanan’ny CI. Nanamarina izany i Kikouny Justin, nahazo osy vavy telo sy osy lahy iray. « Efa niteraka indroa miatoana izao ny osiko, ary nisy mihitsy aza no niteraka kambana » , hoy i Kikouny.

Njaka Andriantefiarinesy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles